Dia toa nangiran-dratsy ny andro teo ambaniny, tsy mbola ora fifohazan’ny kamokamo fambara fidanihan’ny masoandro mampitaraina ny sarotin-kainandro
ZAVONA TSY HITA NOANOA INDRAY NO NANDRAKOTRA ny tontolon-dRabe.
Tafaverina tao anaty zavona indray izy manko. Nihelohelo teo ambony zavona. Niverina indray ilay nofy mpahazo azy. Toa vohavoha ilay tontolo teo ambaniny, landihazo nalefadefaka raha mba azo noraisina, etona tsy hay fihinina raha lalovan’ny tanana. Rahona. Rahona ny teo ambany masony ary kintana no teo amboniny. Rahona raha tazanin-davitra toa kidoro hafa kely nisarika fitsotsorana. Dia toa nangiran-dratsy ny andro teo ambaniny, tsy mbola ora fifohazan’ny kamokamo fambara fidanihan’ny masoandro mampitaraina ny sarotin-kainandro. Nefa rehefa nijery kintana izy dia alina indray no tazany. Toy ny volomborona sendra nipitika notsofin’ny rivotra Rabe. Maivana dia maivana. Dia tazany indray ilay lamosina. Ny lamosin’i Lisy. Nefa toa tsy i Lisy tampoka indray ilay izy. Tsy hitany tsara fa tsapany fotsiny hoe tsy i Lisy. Lasa saina Rabe hoe raha tsy i Lisy dia mba iza loatra. Dia nihetsika ilay lamosina. Nitodika tsimoramora. Nipoitra kely ny takolany. Nitaintaina Rabe. Hifarana ihany ve ity nofy mateti-piavy toy ny fanonganampanjakana aty amin’ny firenena manary fandrosoana aty sa ahoana ihany? Nofy tsy mety tomombana fa tapaka antenantenany, mampanantena ny lafatra nefa vao mainka mifatratra any an-kady. Dia niezaka Rabe nandinika an’ilay olona nitodika, hahalala hoe iza ity teo i Lisy dia izao tsy i Lisy intsony ity.
Dia Ilaijao no hitany. Mason’Ilaijao nidiridiry tany aminy. Mason’Ilaijao efa tsy nisy aina intsony. Dia nivadika setroka ilay rahona. Dia nitsamboatra Rabe. Teo izy no taitra. Nisinda toy ny tsy nisy ny nofiny, na ny rahona, na ny setroka, na ny kintana, na ny mason’Ilaijao nampivarahontsana azy. Nifintina tampoka toy ny tele nopihana tsy an-tsitrampo noho ny delesitazy ny nofiny dia niarina avy teo ambony fandriana izy. Tera-tsemboka Rabe. Feo vasobasoka no henony tao ambadibadika tao. Tsy hainy novinavinaina loatra hoe iza. Feon’olona toa lavitra tsy lavitra loatra, toa akaiky tsy akaiky koa nefa tsy azony an-tsaina na taiza na taiza. Olona iray na roa miresaka. Tsy azony antoka, badenina ny sofiny, narary ny an-dohany ka sarotra taminy ny nifantoka saingy azony antoka kosa fa feon’olona no reny.
Neny?
Hoy izy niezaka mafy namoaka feo tamin’ny vavany niraikidraikitra.
Nivoaka ihany ny feo fa iva dia iva toy ny olona notampenam-bava. Niezaka nanoka-maso koa izy fa navesatra ny hodimasony. Nandà mafy tsy hisokatra. Notereny. Nisokatra ihany. Nisokatra kely toy ny mason-tsinoa mamo. Tsy nampoiziny ho sarotra toy izany ny hilanja ny hodimasony any andro iray. Nitsilopilopy ny tontolo hitany, mbola jambena izy. Tsikariny fotsiny fa tao anaty efitra izy ary tao an-dalantsara tao ivelany tao ireo olona miresaka. Nahatazana birao izy tsy lavitra azy. Nisento izy. Ato an’efitra fandriako aho.
Nanofy indray aho.
Tsy nisy akory izay trano rava, fiangonana rava, Antananarivo rava, Madagasikara rava, Tany rotidrotika, Fotoana nifarana, tsy nisy Zavatra nanenjika, tsy nisy… Dia nijanona tampoka ny eritreriny. Tsy nisy tontolo hafa zary paradisa, tsy nisy Madagasikara hafa mahatehonina, tsy nisy lamasinina mbola nandeha sady tonga hatraiza hatraiza, tsy nisy an’i Lisy. Dia alahelo indray no nameno ny fo amam-panahiny. Nakatony ireo maso niezaka mafy mba hihiratra, nampangininy ny eritreriny, nahorirany ny fatoriny, nosaronany ondana ny lohany dia nanomboka nikoriana ny ranomasony. Tsy voasakan’ilay ondana anefa ilay feo tsy ho tonga tao an-tsofiny. Feo nihanazava. Feom-behivavy. Feon’ineny? Tsy te hiresaka Rabe na dia faly indray aza izy fa velona indray ny reniny, tsy tiany ho hitan-dreniny rahateo ny ranomasony mangina famoizin’olon-tiana. Olon-tiana tsy nisy akory fa nateraky ny nofy namolavola somonga hafahafa. Koa vao mainka nopotsirin-dRabe tamin’ny ondana ny lohany hanadinoiny ny tany aman-danitra tsy hahafantarany izay ambonin’ny tany sy ambanin’ny lanitra, hisaonany mangina an’i Lisy.
Akory anefa ny nitranga fa nongontan’i Lisy mafy dia mafy ny ondany.
