Variana nandroaka goaika ankiroa tao an-dakozia tao mantsy no nahatara an’ilay tovovavy tokony nanatitra ny dite nafaran’Ilaijao
Dia nitaraina Rabe.
Nimonomonona, nimenomenona sy nisitra mihitsy aza sady niezaka ny nifikitra ilay ondana tamin’ny tanany. Dia nahirany ny masony. Dia tazany i Lisy. Dia nofafany haingana ny ranomasony sady nitodika haingana izy. Navotsony tampoka ihany koa ilay ondana ka nikodiadia nihemotra saika nitsingidina i Lisy raha tsy nahafikitra ilay tongompandriana. Nofafan-dRabe haingana tamin’ny lambampandriana ny ranomasony, nanantena izy hoe tsy hitan’i Lisy nitomany. Romotra kely i Lisy fa tsikaritry Rabe ihany koa fa menamena ny masony. Na dia hitany hoe faly ihany aza i Lisy nahita azy nifoha, nisy alahelo goavana tao anaty masony ary hita hoe avy nigogogogo elaela izy. Hitan’i Lisy Rabe nandinika ny masony koa nikoropaka izy naka siparadiraha haingana tao anaty lalimoara kely niantona teo amin’ny rindrina dia avy eo nanety bandy fotsifotsy nihorongorona. Nony vita izay, nipetraka teo an-doham-pandriana izy dia nesoriny ilay siparadiraha efa lena teo amin’ny handrin-dRabe. Nikonaina lavareny Rabe. Tsy nasian’i Lisy antra mihitsy rahateo fa tonga dia nosintoniny maina fotsiny sady nihomehy izy.
Ratsy hany izany raha fihomehy hoy Rabe anakampony. Dia tapaka koa ny tsinainy. Niara-nihomehy teo izy roa hany ka tsy tsaroany hatramin’ny fitarainany. Tsy niala tao anaty mason’i Lisy anefa ilay alahelo ary tsy ireo ratra kely teo amin’ny tarehiny na ilay bandy teo amin’ny sandriny na ratra hafa hita maso no nampalahelo azy fa alahelo lalim-paka kokoa. Niahotra kely vetivety Rabe, avy eo nefa sahy nanontany ihany.
Ary aiza i… Tu sais… Ilaijao?
Hoy izy sady te hifikitra amin’ny fanantenany na dia efa azony an-tsaina aza hoe…
Sady niverina tao an-tsainy ilay mason’Ilaijao nidiridiry efa tsy nisy aina intsony azony nofy. Niondrika i Lisy. Votsotra ilay vohavoha nanadiovany ny ferin-dRabe. Nosamboriny haingana tsy hilatsaka tamin’ny tany ilay vohavoha dia notohizana ny fanadiovana ny ratran-dRabe. Tsy nanontany intsony Rabe, efa voavaly tsy nila niteny. Nony voadio tsara ilay ratra dia saika notapenan’i Lisy tamin’ny siparadiraha indray saingy rehefa nodinihany tsara dia napetrany teo ambonin’ilay latabatra kely nisy kodiarana teo anilan’iay fandriana ilay siparadiraha. Efa tsy dia naninona loatra intsony ary tsy misy ohatra ny masoandro sy ny rivotra ny manakom-pery haingana. Dia naka seza teo amin’ilay latabatra noheverin-dRabe fa biraony izy dia nampanatoniny an’ilay lohampandriana dia nipetraka teo izy. Ny lamosintseza fiankinana no nataony teo anoloany dia napetrany teo ny tanany.
Tsy nanova akanjo i Lisy, tsikaritry Rabe fa mbola saroelina no nanaovany ary ilay tisaoritra fotsy nihosom-bovoka, rovidrovitra kely sady nisy ra kely nanodidina an’ilay fo menamena sy ilay NB. Tsy nododoniny i Lisy na ny kely aza. Navelany nangina nanary eritreritra. Antsasak’adiny taty aoriana teo vao nanomboka niteny i Lisy, somary farim-peo.
Niara-lehibe izaho sy Ilaijao. Tamin’ny mbola kely isaky ny faran’ny herinandro dia nalefan’ny raiko nisintaka kely tany Mojanga foana aho.
Mojanga. Izay indray hoy Rabe tany an-tsainy, hafahafa mihitsy ny fanononan’i Lisy an’i Mahajanga. Fa tsy nanisy fanamarihana izy.
Mpiara-miasa ny reniko sy ny rainy taloha. Sady mpinamana akaiky… Tamin’ny fahavelon’izy ireo… Tsy dia haiko loatra ny niresaka tamin’Ilaijao tamin’ny voalohany, noheveriny fa niavonavona koa aho dia tsy dia tiany loatra mihitsy.
Niato kely i Lisy. Nangirana ny masony.
Nitsiky kely izy.
Nandeha anefa ny fotoana. Indray maka, nandinika vitsika tao an-tokotan-drizareo izy, dia gaga aho, dia nanatona, nisitra kely izy nahita anahy fa tsy nailiny kosa. Roboka tanteraka tao anatin’ilay tontolon’ny bibikely izy. Izaho rahateo koa mpandinika bibikely tao an-jaridain’ny raiko koa liana avy hatrany aho. Dia nanomboka teo, mafy orina ny finamananay, nifandray toy ny mpianadahy izahay, izy ilay anadahiko tsy nananako moa izaho ilay anabavy tsy nananany. Samy zanaka tokana rahateo, mizara atim-bitsika araka ny filazan’Ilaijao azy.
Nihiratra ny mason-dRabe. Tsy nisy tsaroany afa-tsy ilay hoe mpianadahy. Hadinony ireo bibikely. Hadinony ilay tokotany. Hadinony izay zaridaina tany fa ilay mpianadahy ihany no reny. Dia rakotry ny henatra Rabe nahatsiaro ny fahasarotampiarony nanoloana an’i Lisy sy Ilaijao teny ambony sambo.
Nanohy i Lisy fa tsy niditra loatra tamin’ny lohany intsony ny resany nikasika ny tranon-dry Ilaijao teny akaikin’ny Sirika Mena naorina ho an’ny mpampianatry ny oniverisiten’i Amborovy. Dia niato kely indray i Lisy. Saika saron’ny volony ny tapany ambonin’ny tarehiny ary niezaka mafy izy nitana ny ranomasony na dia efa nifararemotra kely aza.
Araka ilay efa noresahako taminao teny amin’ny terasy, tsy any amin’ny hoavy isika izao, fa aty amin’ny tontolo mirazotra, Madagasikara hafa mihitsy ity, tontolo hafa mihitsy, ary ny maha samy hafa azy fotsiny dia (nibanjina vetivety an-dRabe i Lisy) resaka safidy, nahay nisafidy kokoa izahay tamin’ny fotoan-tsarotra nolalovana, ianareo, indrisy, tsy nahay.
Niondrika kely i Lisy, tsy nahajery ny mason-dRabe.
Vitsy dia vitsy izahay no mahalala ny fisian’ilay Madagasikara iray hafa, ilay Madagasikaranareo indrisy rava iny.
Dia nanome rano an-dRabe izy, nidrikina hoe sotroy na dia nandà aza Rabe tamin’ny voalohany. Tsy hoe tsy nangetaheta izy. Tsy izay mihitsy. Fa mbola menatra izy nahatsiaro ny fihetsiny tamin’Ilaijao. Nogohina avokoa ilay rano tamin’ny tavoahangy dia nanohy i Lisy.
Vitsy dia vitsy ihany koa izahay no mahalala ny loza mitatao manambana ity tontolo ity, efa tsy am-baravarana intsony fa efa tafiditra.
Tsaroan-dRabe ny tarehin’i Lisy hentitra dia hentitra sady sahiran-tsaina ihany nitantara azy izany teny amin’ilay terasy teny Andilana. Nanampy an’i Lisy Ilaijao teny antsefantsefan-dresaka teny fa tsy nahoan-dRabe mbola ditsoky ny hasarotam-piaro. Anisan’ny nahalala izany Ilaijao. Izy àry no nahafantatra voalohany ny fisian-dRabe, izy mihitsy no nidrikina sy nandresy lahatra an’i Lisy hoe izy ilay fanafan’izao loza manambana izao. Tsy nety nino i Lisy tamin’ny voalohany, olona kamo hifoha maraina tsy haninon-tsy haninona loatra no fahitany an-dRabe. Nodinihan’i Lisy elaela tsinona Rabe, ary tsy hitany mihitsy hoe inona no hitan’Ilaijao taminy. Tohina Rabe tamin’izay, saika nanohitra mafy, saika natsipiny aza ilay veran-Coca teny an-tanany ary izy teo ambony fandriana nahatsiaro an’ilay resaka vao tonga saina fa raha tsy Ilaijao izy tsy nisy izao rehetra izao.
Tsy avotra izy. Tsy nahita an’i Lisy. Tsy afaka hanavotra an’ity Madagasikaran’i Lisy ity. Raha hahavita an’izany moa izy. Tsy afaka hanavotra an’i Lisy. Izany kosa dia raha mbola misy koa fofonaina ao aminy, tsy maintsy hataony. Noho Ilaijao avokoa izany rehetra izany. Ary mbola Ilaijao ihany no nanavotra azy teny ambony terasy. Nanavotra an’i Lisy. Nanome ny ainy nanavotany azy roa. Dia tototry ny henatra tanteraka Rabe nanenina tongotra aman-tanana nanaiky resin’ny hasarotampiaro. Hasarotampiaro diso toerana.
Azoko an-tsaina ihany…
Hoy i Lisy nanohy
Fa tsy azonao hoe nankaiza aho no tsy hita tampoka tany Amborovy tsy nampilaza anao akory.
Niserana tao an-tsain-dRabe i Lisy tsy niala tany amin’ny telefoniny sy ny famataranandrony ny masony. Izy tsy hita tampoka ary raha tsy ny ranomanitra nanaovany narahin-dRabe tsy nahy dia asa fotsiny.
Vao niala ny lamasinina isika dia efa tazako ilay diraonina. Efa nifampiresaka tamin’Ilaijao rahateo aho hoe ahoana ny paika. Tsy nahita vahaolana afa-tsy ny nisintaka anao aho, na efa niteny tamiko aza Ilaijao hoe tsy hahomby izany fa ianao mihitsy no notadiavin’ilay diraonina, nidrikina aho. Nefa marina ny teniny. Ianao no narahany fa tsy izaho. Tokony efa tonga saina ihany aho satria ny tena antony nanekeko ny tenin’Ilaijao hoe ianao ilay afaka hanavotra an’ity tontolo ity dia noho ny fahavalo nitady izao fomba rehetra izao hanapotehana anao.
Tsaroan-dRabe ilay takisiabe, ilay rahona gaigy niditra tao am-bavan’ilay Zavatra, indrindra ilay Zavatra. Raha tsy namonjy azy i Lisy, very izy, levona niaraka tamin’ny tontolony, ary raha tsy Ilaijao anefa tsy vonona i Lisy hamonjy azy fa olon-kafa tany no mety novonjeny. Angamba. Tsy azon-dRabe antoka loatra. Ary tsy azony ihany koa hoe fa nahoana loatra no dia izy no hamonjy ity tontolo ity. Fa iza loatra izy no hahavita an’izany. Dia tsaroany ny Madagasikarany, ny lalana feno lavaka mody amboarina rehefa mahatsiaro nefa goaka tsy ela akory, ny fifanitsahan-kitron’ny mpandeha tongotra, ny sisinarabe tokony ho an’ny mpandeha lasa toeram-pivarotana tsy marain-tsy hariva, ny arabe feno olona tsy omby intsony ireo fiarakodia mitombo isa isan’andro vaky izao nefa ny tanàna tsy mitombo efa taompolo firy izay moa ny mpifindra monina miditra miditra miditra satria abosesika ao daholo ny zava-drehetra, ny fitarainan’ny reniny rehefa nandeha nikarakara taratasy hoe tsy misy na inona vita eto raha tsy manao kolikoly fa ny mandeha amin’ny rariny sy ny hitsiny tsy ahitana afa-tsy sakana sy olana, ny valin-tenin-dRabe hoe maninona raha mba mametraka kely dia milamina fa tsy be menomenona eo fotsiny, ny fijery nasetrin’ny reniny taminy tamin’izay tsy nila narahin-teny fa sady nasiaka no kivy.
Efa maty ny reniny vao tonga saina Rabe hoe marina ny azy, efa maty koa Ilaijao vao tonga saina izy hoe marina ny azy. Izay tokoa ve ilay hoe ny an’ny Malagasy maty vao ramalala. Ary ilay Malagasy resahana eto tsy ny hafa foana fa izy ihany koa. Variana i Lisy sy Rabe teo ambony terasy ary raha tsy ny hakingan’Ilaijao nitsambikina, niara-solafaka teo izy telo. Tamin’ny segondra farany mantsy, tsikaritr’Ilaijao ilay baomba nisy nanipy tany amin-drizareo. Kisendrasendra fotsiny aza no nahitany azy raha ny marina satria raha i Lisy efa nahazo ny kafeny, Rabe efa nitazona Coca, ny diten’Ilaijao elaela vao tonga nefa nangetaheta izy. Dia izy nitodika tany amin’ny bara indrindra no tazany avy teo amin’ny fitaratra mahitsizoro nitsivalana teo ambonin’ireo tavoahangy nitandahatra teo ilay tanana nanipy ilay dinamita avy narehitra tamin’ny sigara. Tsy nisalasala Ilaijao na ny kely aza ary tsy ny ainy no navotany fa ny an’izy roa, i Lisy ilay toy ny anabaviny, sy Rabe ilay ninoany fa hanavotra ny tontolony. Dia nitsambikina izy, natosiny faran’izay tratrany tao ambadika lalimoaram-by menamena vata fampangatsiahana Coca-Cola izy roa, dia nipoaka ilay baomba. Variana nandroaka goaika ankiroa tao an-dakozia tao mantsy no nahatara an’ilay tovovavy tokony nanatitra ny dite nafaran’Ilaijao na dia tsy fantany aza izany.
Nangalatra fromazy tao manko ireo goaika ary nifanenjehana eraky ny lakozia, nipoaka ny baomba, nitambotsotra ilay tovovavy, ary nony tafatsangana afaka kelikely, efa tsy tao an-dohany intsony izay goaika tany, efa tahotra sisa no nameno ny fony.
Nitanondrika Rabe, mbola noketohin’ny nenina saingy nivoady anaty kosa hoe na inona na inona azoko hatao hanampiana amin’ny fanavotana an’ity Madagasikaranareo ity ry Lisy dia hataoko izany ary tsy havelako ho potika, ho rakotry ny loto, ho may na ho safotry ny rano maloto sanatria.
Ho anao no hanaovako izany, fa indrindra ho an’Ilaijao. Sady navonkiny tao ambany lambampandriana ny totohondriny.
