58

Sarivongana ana rangahy antitrantitra no teo amin’ilay sary dia nisy sorabaveny teo ambaniny hoe: HIPPOCRATE

audio-thumbnail
III58
0:00
/424.5

Dia nitraka Rabe sady nijery ilay efitranon’ny hopitaly nisy azy.

Hatramin’izay nipetrahany teo, nihaino an’i Lisy izy, tsy nanana eritreritra nandinika loatra ny toerana nisy azy. Variana tao anaty fanginana niandry an’i Lisy hiteny, variana tao nihaino azy. Nadio ilay efitra ary raitra dia raitra toy ireny hitany amin’ny tele. Na ny fitaovana, na ny fanaka, raitra avokoa, ary hafa kely tamin-dRabe ny nahare ny feon’ny ranomasin’i Nosy Be nandrotsirotsy azy. Horonantsarifanadihadiana no nandeha tamin’ny tele ary, tamina onjampahitalavitra voatokana ho an’ny fahasalamana izany no nandeha. Niresaka mikasika ny olona lazaina hoe ratsiana ilay dokotera, indrindra ny bevohoka. Tena misy ireny hoy izy, ary tsy ny eto Madagasikara ihany fa maneran-tany io fikorontanana io sady tsy ny bevohoka ihany no tratrany fa na ny ankizy koa aza. Pica na pikà no anarany. Manatona dokotera haingana raha misy manodidina anareo tratra. Gaga Rabe.

Hanky va re!

Ny tena nampiaiky azy dia ilay resaka henony tao an-dalantsara tao. Ramatoa lehibe nitrotro zaza niresaka tamina mpitsabo iray hoe mba tsaboy ny zanako fa tsy ampy ny volako hividianana fanafody. Ory ny feony niangavy, nitalaho. Ity ny zanako, hoy izy, ny zafiko, tsy hita ny nalehan’ny raiamandreniny, lasa niloka angamba, na ny nifoka, na nigoka, na nisioka ireo namany dia niaraka nanao izany na izany rehetra izany, dia navelany irery tao an-trano ny zanany, nefa izy marary, tsy maintsy mihinana fanafody, dia tsy namelan’iretsy raiamandreniny tsy vanona akory. Raha tsy ny mpifanolobodirindrina taminy aza no nahare ny feon’ilay zaza nitomany tao ka nanapitsoka ny varavarana dia asa fotsiny. Efa tranga tsy nanavao an-dRabe loatra izany, na dia tsy tadidiny aza fantampantany fotsiny hoe rehefa tsy manam-bola ny marary dia ny andro iainany no mihena. Misy mihitsy aza no tsy henatra tsy tahotra ao amin’ny hopitaly mizavazava hoe rehefa tsisy vola dia inona no aleha aty.

Akory anefa ny hagagan-dRabe fa nisaotsaotra ilay antibavy. Nitsaotsaotra tsy lany tsodrano an’ilay mpitsabo. Nitodika tany amin’i Lisy Rabe. Tsy rototra i Lisy sady nitsangana avy teo ambony seza no nitsiky kely nahita an-dRabe gagagaga. Nanondro molotra ilay sary teo amin’ny rindrin’ilay efitrano izy nony avy eo. Sary niantona teo amin’ny rindrina, tsy dia lehibe loatra nefa nisongadina. Sarivongana ana rangahy antitrantitra no teo amin’ilay sary dia nisy sorabaveny teo ambaniny hoe: HIPPOCRATE sy soratra madinika tsy tazan-dRabe avy teo ambony fandriana. Nanontany an’i Lisy izy hoe inona ny soratra eo dia novakian’i Lisy taminy.

Eo anatrehan’Andriamanitra Andriananahary, anoloan’ireo mpampianatra ahy sy ireo mpiaramianatra tamiko eto amin’ity taompianarana ity, ary eto anoloan’ny sarin’i HIPPOCRATE.

Dia manome toky sy mianiana aho, fa hanaja lalandava ny fitsipika hitandrovana ny voninahitra sy ny fahamarinana eo am-panatontosana ny raharaham-pitsaboana.

Hotsaboiko maimaimpoana ny ory ary tsy hitaky saranasa mihoatra noho ny rariny aho, tsy hiray tetika maizina na oviana na oviana ary na amin’iza na amin’iza aho mba hahazoana mizara ny karama mety ho azo.

Raha tafiditra an-tranon’olona aho dia tsy hahita izay zava-miseho ao ny masoko, ka tanako ho ahy samy irery ny tsiambaratelo haboraka amiko ary ny asako tsy avelako hatao fitaovana hanatontosana zavatra mamoafady na hamoronana famitankeloka.

Tsy ekeko ho efitra hanelanelana ny adidiko amin’ny olona tsaboiko ny anton-javatra ara-pinoana, ara-pirazanana, ara-pirehana ary ara-tsaranga.

Hajaiko tanteraka ny ain’olombelona na dia vao notorontoronina aza, ary tsy hahazo mampiasa ny fahalalako ho enti-manohitra ny lalàn’ny maha olona aho na dia vozonana aza.

Manaja sy mankasitraka ireo mpampianatra ahy aho, ka hampita amin’ny taranany ny fahaizana noraisiko tamin’izy ireo.

Ho toavin’ny mpiarabelona amiko anie aho raha manantanteraka ireo velirano nataoko.

Ho rakotry ny henatra sy horabirabian’ireo mpitsabo namako kosa aho raha mivadika amin’izany.

Nampihetsi-po an-dRabe ny nahare an’i Lisy nanonona ilay Velirano toy ny hoe izy mihitsy no hiditra mpitsabo. Niainany mihitsy ilay izy ary nipaka tao am-pon-dRabe. Tsy tonga saina izy raha tsy tamin’izay hoe manao fianianana ny mpitsabo rehetra ary tsy tonga saina izy hoe ilay fihetsik’ilay mpitsabo nanoloana ilay antibavy ory no tokony ho izy fa tsy hoe iny no naningana. Lasa nitsimbadika ny tokony ho izy sy ny naningana izany tany amin’ilay Madagasikarako hoy izy sady nivonto fo izy no hontsa ihany. Tsapany na tsy hainy loatra aza fa izany mivadi-belirano izany dia zava-doza eo amin’ny fiarahamonina malagasy ary lasa saina izy hoe fandrao mba izany rehetra izany no nampidi-kizo an’ilay Madagasikarany.

Sady tsy voafatotry ny lelany, tsy mena-mivadika amin’ny teny nomeny no tsy voafatotry ny sorany, ny sonia natao sy nifanekena. Indrindra moa fa ny mpitondra tokony ho raiamandreny fitaratra sy filamatra no lohalaharana amin’izany mitaiza ratsy ny vahoaka manontolo mpitari-bato vilam-bava.

Toy ny tele natao paozy ny endriky Rabe, tankina, tsy nihetsika, nibanjina an’ilay Velirano teo amin’ny rindrina sady lasa saina hoe inona koa ny asa hafa anaovana izany Velirano izany…


59
Ny hany nataon’i Lisy dia ny nitondra an-dRabe nivoaka ny efitra, nanosika azy tamin’ny sezamisosa eraky ny lalantsaran’ny hopitaly, niantso ny solotohatra, nampiditra azy tao anatiny, nanindry ny bokotra
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar