Ny hany nataon’i Lisy dia ny nitondra an-dRabe nivoaka ny efitra, nanosika azy tamin’ny sezamisosa eraky ny lalantsaran’ny hopitaly, niantso ny solotohatra, nampiditra azy tao anatiny, nanindry ny bokotra
Telo andro izay no lasa.
Tsy nahateny firy Rabe, tsy nahaloaka na inona na inona ny vavany fa dia gina izy nitazana ireo zava-maitso amam-boninkazo nameno an’Andohalo. Be ihany mba tsy itenenana hoe be loatra nila tsy ho tanty ny zavatra niainany tao anatin’ny fotoana fohy dia fohy. Telo andro izay no lasa. Toy ny natory nitsangana Rabe nandritra izay hateloana izay, nijery tsy nahita, nahare tsy nihaino, nitelina tsy nihinana, namindra tsy nankaiza. Toy ny nisy nanatsoaka ny pirizin’ny sainy hany ka ny vatana no teo, ny fony re nitepo fa ny fanahiny tsy hita izay nanjavonany. Tsy nieritreritra na inona na inona Rabe nandritra izay hateloana izay fa ny fony no hontsa sady nitroatra noho ny tsy rariny tsapany tsy tsaroan’ny sainy akory. Eny, tsisy tsaroany ireo tsy rariny nianjady noho ny tsy fanajana Velirano na ny amin’ireny mpitsabo nampody marary ory noho ny tsy fananany vola sy ny tsy fahafantarany olona, ireo teny an’avona, raokalika, toky fitaka, fitaka tsotra izao, aina nafoy. Ary tsy ny mpitsabo ihany fa saika isaky ny sehatra aman’ambaratonga rehetra eo amin’ny fiarahamonina.
Saingy tsisy tsaroan-dRabe izany fa tsapany fotsiny nameno ny fony nitobaka toy ny vilany nandroatra. Niezaka nanozongozona azy ihany i Lisy fa nony hitany hoe herim-po very maina izany dia navelany hiverina ho azy ny sainy na dia nandroso aza ny fotoana, na dia mby akaiky aza ny loza. Ny hany nataon’i Lisy dia ny nitondra an-dRabe nivoaka ny efitra, nanosika azy tamin’ny sezamisosa eraky ny lalantsaran’ny hopitaly, niantso ny solotohatra, nampiditra azy tao anatiny, nanindry ny bokotra nanondro ny farany ambany, nivoaka ny hopitaly, namoaka ny telefoniny, nanasosa ny tanany teo amin’ny efijeriny, nijanona teo amin’ny Uber, namandrika fiara, niditra tao amin’ilay fiara indray mahamasa-patsa na folo minitra nahery kely taty aoriana teo, dia naka roplanina. Tsy tonga saina loatra Rabe tao anatin’izany rehetra izany fa maso be tsy nahita fotsiny izy ary na ilay kompania nandehan’izy roa aza tsy azony an-tsaina hoe hafa mihitsy fa tsy ilay nahazatra azy. Izay niainga voalohany fotsiny no nalain’i Lisy tamin’izay ary niteha-tena izy fa nahazo toerana teo amin’ny varavarankely izy roa.
Nandritra ny sidina iray manontolo tsy nikimpy ny mason-dRabe fa nidiridiry ny tanety tsy may, ny tany lemaka naniriana tanàna moderna maro, ny lalamigodana nampitohy ny tanàndehibe rehetra, fiara efatra mitandahatra mandroso, efatra mitandahatra miverina, ny lalamby tsy diso anjara anilan’izay arabe tazany, namaky tendrombohitra, nandigana ony, andian’omby tsy voaisany na alina na tapitrisa teny rehetra teny raha tsy nihinam-bilona dia nandinika lamasinina raha tsy nandinika lamasinina dia nitrena sy nimà tany amin’ireo tirakitera. Saingy mbola tsy niloabolana Rabe, mbola nangina, mbola niady anaty nangina ny fony sy ny sainy izay tsy niverina raha tsy ilay mpitsabo tany amin’ny hopitaly sy Ilaijao ihany no nanaitra azy tamin’ny lafiny rehetra. Lasa saina ho azy izy manko nampifandray ilay Madagasikara ambany masony avy eny ambony roplanina sy ny fandavan-tenan’ilay mpitsabo, ny fanajany ny Velirano nataony niampy an’Ilaijao nino azy hatramin’ny voalohany, nahafoy ny ainy ho azy roa.
Raha tsy fatra-panajana ny Velirano aman-teny nomena ny olona ao amin’ny fiarahamonina, raha tsy mahavita mandà ny tenany ho an’ny hafa, eny, mahafoy ny ainy, fantatry Rabe tsara fa tsy ho tonga amin’izao Madagasikaran’i Lisy izao ny Madagasikarany. Dia izany no singam-bolo nandavo ny vositra, tebo-tokana nampifandray faribolana ary sioka singa nampifoha ny iray vohitry ny sain-dRabe teo an-jaridain’Andohalo tamin’izay nitatao vovonana tsy tandrifin-drahona izay.
Naneno indroa amby folo tsara ny lakolosin’ny Katediraly Andohalo tamin’izay ary nisy ravin-kazo nisidina teo ambonin’ilay orimbato mahitsizoro teo amin’ny fidiran’ilay sahantanàna nisy azy roa nisy soratra hoe ANDOHALOMASINA sy fandraràna hitondra toaka ao anatin’ny faritra nisy kisarina omby nitrosona tamin’ny tany notondroina lehilahy nijoro nitafy lamba nitondra basy lava roa, somary bebe maso. Tamin’ny 1845 io orimbato io no natao hoy i Lisy nibitsibitsika teo am-pototsofin-dRabe sady nisintona felam-boninkazo.
Nofofoniny tsara ilay felana dia noraisiny ilay boky teo ambon’ilay sezalava, teo anilan’ny seza misosa an-dRabe. Dia teo indrindra no taitra Rabe, tena taitra tanteraka ary vonona izaitsizy hiatrika izay tokony hatrehana sy handrasana aminy rehetra fa nialoha ny zava-drehetra kosa dia nisy zavatra nahamaika azy kokoa. Nahamaika azy loatra.
Poritra aho Lisy a! Sady noana be…
