61 (Ny tena antondia teny amin'ny volana)

Eoropeanina, Amerikanina, Sinoa, Afrikanina, Japone, Indianina, Koreanina, Malagasy sy ny hafa tsy voavinavinan-dRabe. Ny ankabeazan’izy ireo dia nanao tisaoritra nisy soratra I, fo nitempo menamena ary TNR teo ambaniny.

audio-thumbnail
III61b
0:00
/848.108844

KENDA NY AIN-DRABE, TSY HITANY IZAY NASIANY NY TENANY.

Tsy ilay teleferika nefa no nianjera sanatria fa i Lisy fotsiny no nanaitra an-dRabe. Dia tsy nitsahatra nihomehy izy ka hatramin’ny nijanonan’ilay teleferika teo afovoan’ny Farihin’i Anosy. Rabe moa nidongy na dia te hitsiky aza izy nahare ny kakakakan’i Lisy saingy hadinony vetivety ny dongidonginy nony nanitsa-tany ny tongony. Tadidin-dRabe ilay varavarana nidirany nandroany sy nanoloany akanjo tamin’izy roa vao tonga, nahare feon’olona nikiakiakam-pifaliana izy avy ao anaty farihy. Nitodika. Ankizy nilomano sady nifampitifi-drano. Variana nandinika an’ilay tsangambato izy no nosintonin’i Lisy tamin’ny vozon’akanjony hiditra malaky tao amin’ilay tranofisakafoana. Tsy ilay tsangambato moa izany no tena nojereny fa ny tsy fisiana tsangambato, tsy nisy Anjely Mainty, tsy nisy na inona fa trano fitaratra fisakafoana niendrika tranokotona nisy hazo roa nifanapaka toy ny tandrok’omby teo an-tendrony no teo afovoan’ilay saika nosy. Niampy fiantsonana sambokely no ilany rano moa fiantsonana bisikileta efa nalehan-dRabe no ilany tany. Be olona ilay toerampisakafoana, ary isan-karazany raha ny volonkoditra sy ny firesany no asian-teny. Eoropeanina, Amerikanina, Sinoa, Afrikanina, Japone, Indianina, Koreanina, Malagasy sy ny hafa tsy voavinavinan-dRabe. Ny ankabeazan’izy ireo dia nanao tisaoritra nisy soratra I, fo nitempo menamena ary TNR teo ambaniny.

Saika nitafy lamba avokoa ny Malagasy tazany afa-tsy ireo ankizy kely. Ny vahiny koa aza nisinisy ihany no nitafy lamba nanaraka kely ny fomban’ity Madagasikara ity. Raha tsy lamba tafiana dia lambahoany sikinina ary raha tsy lambahoany sikinina dia lamba kely fehin-tenda somary lehibebe. Teo Rabe, sendra nahajery fitaratra, vao nahatsikaritra fa notafian’i Lisy lamba kelikely izy tamin’ilay nipetrapetraka teny Andohalo. Tsy tsikariny akory raha tsy teo. Ary tsy nanelingelina azy na ny kely aza. Maotina. Toy ilay tranofisakafoana. Tsotra nefa tsara, moderna tsy dia be haitraitra mivoana ny antonony, maorina maha te ho tia sy maha te hiverina. Avo dia avo rahateo ny valindrihana, lehibe avokoa ny varavarankely hany ka azon-tsio-drivotra tsara ny mpanjifa. Nony hitan’i Lisy fa lany ny sakafon-dRabe dia natombony ny resaka.

Tsaroanao ilay tafasirintsika tany Nosy Be? Izaho, ianao ary, (latsaka kely ny feony), sy Ilaijao.
Oui oui, hoy Rabe, tsaroako tsara

Sady nosokiriny tamin’ny sotrokely lavalava ilay tsoka teo ambony viliany.

Ny zavatra mbola tsy noteneniko taminao dia hoe nahoana no nifarana ny andro tao amin’ny tontolonao ary inona no anton-dianao aty, hoe nahoana no ianao no ilay nandrasana.

Niato ny fihetsik’ilay sotrokelin-dRabe nikafiry an’ilay tsoka. Navoakany, napetrany teo an-tsisim-biliany, dia nojereny tsara i Lisy.

Pourquoi tokoa? Qu’est-ce que j’ai de si… (nitoditodika nijery ny manodidina izy, dia nanohy) Fa nahoana no izaho? Fa nahoana no…?

Be loatra ny fanontaniana nibosesika tao an-dohany hany ka tsy hitany intsony hoe taiza no nanombohana azy. Nahita azy niboredika i Lisy dia nanohy niadana, niteny malefaka.

Tsikaritrao ihany angamba fa manan-danja lehibe amin’ny fiainantsika ny teny.

Tsy nandà Rabe na tsy hainy mazava hoe manan-danja toy ny ahoana tokoa moa ity teny ampiasainy isan’andro vaky izao ity na rehefa miresaka izany na rehefa manoratra, na rehefa mankao amin’ny Facebook. Hontsa kely indray izy nahatsiaro an’ilay mpitsabo tany amin’ny hopitaly tsy nandroaka ny ory ary tsapany tsara hoe nanaja ny teny nomeny ilay mpitsabo, ka nanavotra aina. Raha tsy nanaja izy, dia nanary aina, nanary ny ory.

Ny vitsy mpahalala mikasika an’ireny teny ireny anefa dia tena miaina tokoa izy ireny.

Tsy azon-dRabe.

Tsy vitan’ny hoe aloaky ny vava fotsiny ny teny, na soratana fotsiny fa misy fiantraikany amin’ny andavanandrontsika, sady mahery vaika lavitra noho ny eritreritry ny maro.

Tsaroan-dRabe ilay pasitera nitory teny. Nifantoka ny iray fiangonana, nigoka izay teny rehetra nivoaka ny vavany, niontana rehefa niakatra ny feony, nitony rehefa nilanto, nihomehy rehefa nivazivazy. Tsaroany ihany koa, fanamarihan’ny olona iray tao amin’ny Facebook nampahatsiahy fa talohan’ny tifitra olona tamin’ny 1991 sy 2009 anie ka nanontaniana ny vahoaka hoe ho any sa tsy ho any. Teny no nitarihina vahoaka fa tsy karaoty na kobay. Tsy nisy ny tifitra raha tsy nisy ny teny, tsy nisy ny nanani-dapa raha tsy nisy ny teny. Ary toy izany avokoa ny famonoana faobe rehetra nitranga na taiza na taiza na oviana na oviana. Tsy nisy ny vono olona raha tsy nisy baiko, toy ny fandrisihana ny vahoaka haka antsilava efa naely mialoha hamonoana ny mpiarabelona tsy nitovy fiaviana tamin’izy ireo tamin’ny radio toy ny tamin’ny 1994 tany Rohandà nahafatesan’olona efa ho iray tapitrisa, na ny fanomezana alalana tamin’ny fandatsahana baomba atomika tany amin’ny tanàna roa lehibe tao Japana, Hirosimà sy Nagazakia, tamin’ny 1945 nahafatsesan’olona roa hetsy mahery sy takaitra mampihoronkoditra mbola ho ela vao ho levona.

Ny ady rehetra tamin’ny tantaran’ny olombelona na taiza na taiza na oviana na oviana dia niainga tamin’ny teny avokoa, tenim-pahatezerana, tenim-pankahalana, tenim-pitsiriritana, tenim-piarovan-tena, tenin-kadalana. Ary tsy inona no nampitsahatra izany ady rehetra izany fa teny ihany koa fa tsy vitan’ny saina fotsy nahofahofa. Tsaroan-dRabe koa fa amin’ny horonantsary amerikanina jereny, teny roa tokana monja dia mahababo tanteraka ny fon’izay nila azy ka nahazo azy, maneva izay rehetra jerena, mandoko mavokely ny tontolo, ary mahahontsa sy mahakotsa ny mason’ny mpijery, teny roa izay tsy inona fa: Tiako. Ianao.

Dia nijery an’i Lisy izy, namoron-tsary tao an-tsaina, hoe indro i Lisy manatona azy tsimoramora, mamihina azy, mibitsika ao an-tsofiny, mivolana aminy ireo teny roa, dia teo Rabe no nino hoe eny, marina tokoa, mahery vaika ny teny. Sady nisento izy no nahatsiaro ilay oroka teny ambony deltaplanina. Gaga i Lisy hoe inona no nampitsiky vendrana an-dRabe fa ny fanazavany no notohizany.

Vitsy dia vitsy no mahalala ny fisian’ny tontolonareo, araka ireny efa noteneniko taminao ireny, ary vitsy dia vitsy ihany koa any amin’ny… Tany amin’ny tontolonareo no nahalala ny fisian’ity tontolonay ity.

Sady notsindrian’i Lisy tsara ilay hoe tany raha any marika ankehitriny no voalazany tamin’ny voalohany fa tsy nifantoka loatra Rabe. Ny nanaitra azy kosa dia ilay hoe nisy nahalala ny fisian’ity tontolo ity ihany koa tany amin’ny tontolony. Betsaka ihany ny resaka hitany eraky ny Facebook sy Google hoe misy tena misy ny Ivelantany e ary izy ireo mihitsy no mibaiko an’Izaotontoloizao e na koa hoe misy vondronolona manompo devoly manao ampihimamba ny firenena rehetra e sy karazan-drijankevitra hafa dia hafa nahasarika ny sainy na dia tsy ninoany azy. Ny mbola tsy hitany na taiza na taiza kosa dia ity resaka tontolo mirazotra ity. Amin’ireny horonantsary amerikanina ireny ihany no nahitana izany ary izao izy ity miaina an’izany toy ny ao anaty tele saingy tsy azony ovaina ny onjampandaharana raha sendra mampitaintaina azy loatra ny raharaha.

Hoe ho tafavoaka ve ilay fanalolahy sy fanalovavy sa ho resin’ilay olondratsy. Hoe izy tokoa ve ilay rôlina amin’ity tantara ity sa ahoana.

Toerana telo ihany no mampitohy ny tontolontsika

Hoy i Lisy sady naka servietandatabatra izy dia nofafany kely ilay voam-bary tavela teo amin’ny saokan-dRabe.

Dia eo amin’ny Farihin’i Anosy, araka ny efa hitanao iny ihany ary eny amin’ny Telozoron’i Berimioda, eny atsinanana kelin’i Etazonia.

Efa henon-dRabe ihany ilay resaka Telozoron’i Berimioda fa tsy fantany tsara. Tamin’ny horonantsary angamba no nahitany fa rehefa misy roplanina mandalo dia mianjera ho azy tsy hain’ny mpahaisiantsa hazavaina hoe nahoana. Etsy ankilany, efa nahita horonantsarifanadihadiana ihany koa izy nandiso izany fa hoe manataviresaka no be dia be hoy ry zareo tao. Nahare an’i Lisy niresaka Anosy teo koa Rabe dia tsaroany fa tsy azony tsara hoe ahoana tokoa moa no nahatonga azy niditra tao amin’ilay farihy maloto dia nivoaka tampoka tamin’ilay farihy madio. Ny tsaroany fotsiny dia hoe toa nisy hazavana izany tao anaty rano tao ary nitantana an’i Lisy izy ka nony lasa ilay hazavana dia tsapany nadio tampoka ilay rano dia izao izy nifindra tontolo izao.

Ary ny fanintelony?

Hoy Rabe nanontany rehefa nitsakotsako ny tenin’i Lisy tao an-dohany izy.

Ny voalohany, ny Farihin’i Anosy, ny faharoa, ny Telozoron’i Berimioda, ny fahatelo tsy noteneniny toy ny hoe niniany tsy notohizana amin’izay hitany hoe nanaraka tsara ve Rabe. Nanamarina izany ny tsikin’i Lisy nahare ilay fanontaniana.

Eny amin’ny Volana. 🌛

Sady nanondro ny lanitra i Lisy no nanohy hoe raha tsikaritrao, nisy fotoana nihazakazahana nankeny amin’ny Habakabaka ny Amerikanina sy ny Sovietika tany aminareo, indrindra indrindra teny amin’ny Volana. Ny Sovietika no nahatonga olona teny amin’ny Habakabaka voalohany tamin’ny 1961 saingy ny Amerikanina kosa no nametraka ny sainampireneny voalohany teny amin’ny Volana tamin’ny 1969. Neil Armstrong sy Buzz Aldrin no malaza indrindra tamin’ireo nanitsaka ny Volana fa nisy vatan-dehilahy folo hafa ihany koa nankeny ka ny farany tamin’izany dia Eugene A. Cernan sy Harrison Schmitt ny taona 1972. Tsy mbola nisy henon-dRabe afa-tsy i Neil Armstrong tamin’ireo anarana notanisain’i Lisy ireo. Ity farany, hoy i Lisy nanohy, i Harrison Schmitt na i Jack, anarana fiantsonay anazy no nankaty amin’ity tontolo ity farany talohanao. Ary teo indrindra no tena nanomboka ny Farandro. Tamin’ny 1972. Sady nanjombona ny endriny.


62
Tokony ny mpahaisiantsa, ny mpikaroka, ny mpanabe, ny mpanakanto, ny mpanoratra, ny filozofy, ny mpandala ny arapanahy sy izay olonkendry sy malalatanana rehetra. Nohatoninay ihany ireo, nanao izay tratranay izahay fa raha nifantoka kokoa tany izahay dieny tany am-boalohany, mety nahomby kokoa
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar