62

Tokony ny mpahaisiantsa, ny mpikaroka, ny mpanabe, ny mpanakanto, ny mpanoratra, ny filozofy, ny mpandala ny arapanahy sy izay olonkendry sy malalatanana rehetra. Nohatoninay ihany ireo, nanao izay tratranay izahay fa raha nifantoka kokoa tany izahay dieny tany am-boalohany, mety nahomby kokoa

audio-thumbnail
III62b
0:00
/959.582041

Mbola tsy niala tsara akory ny tanan’ilay tovolahy nametraka ilay Coca teo anoloan-dRabe dia nobedainy izato vera. Nataony gokomby. Dia nandrezatra izy. Noheveriny efa henony daholo izao tsiambaratelo rehetra izao. Noheveriny efa henony daholo. Diso izy ary vao mainka i Lisy nanohy ny fanazavany, vao mainka ny masony nidiridiry.

Jack. Tena tamana taty izy io, nifankahazo tsara tamin’ny olona taty, mamihoditra rahateo. I Jack irery rahateo koa no mpahaisiantsa tamin’izy roa amby folo lahy nankat…

Nanapaka avy hatrany Rabe.

Roa amby folo lahy?

Sady nampiaka-peo tampoka Rabe nitodihan’ireo olona tao amin’ilay efitrano lehibe fisakafoana, izay vao namerina ny fanontaniana, niteny mora kokoa, nibitsibitsika mihitsy aza.

Roa amby folo lahy comm… ? Roa amby folo lahy amin’ny ahoana?
Neil, Buzz, Pete, Alan ankiroa, Edgar, David, James, John, Charles, Eugene ary Jack. Roa amby folo!

Ohatra ny hoe zavatra tokony tsy nanontaniana akory raha ny filazan’i Lisy an’ilay izy vao tonga saina izy hoe tsy nampianarina tany an-tsekoly tokoa izany zavatra izany tokoa moa ry Rabe, na ny tele aza zara raha mandefa zavatra toy izany, ny boky moa zara raha nisy, zara raha natosika ka izay mba nisy teo, rendrika tsikelikely, ka nahitsiny haingana ny firesany.

Izy roa amby folo lahy no fiantsonay ireo mpiantsambondanitra avy any aminareo. Ilay izahay resahako eto dia izahay mahalala ny fisian’ny tontolonareo. Ny ankabetsahan’ny olona aty izany tsy mahafantatra an’izany na ny kely aza. Ny tena anton-dian’izy roa amby folo lahy ireo teny amin’ny Volana, raha ny tena marina, dia ny namaly ny antsonay taty. Efa tamin’ny 1914, tamin’ny nanomboka ny Ady Lehibe Voalohany tany aminareo no fantatray hoe hifarana ny andro any aminareo. Nisavovona loatra ny tahan’ny fankahalana sy toetra tsy mendrika tany nanomboka teo ka tsy hay nosakanana intsony. Niezaka ihany izahay, mazava ho azy, tena niezaka fa tsy hoe tsy niezaka ary tamin’ny fomba maro samihafa. Nandefa olona nampidina ny tahan’ny ratsy, nifanatona tamin’ny manampahefana tany aminareo fa (nisento kely i Lisy) herim-po very maina izany, indrisy. Nisy hadisoanay ihany ilay izy, tsoriko ary ekeko izany, ary elaela taty aoriana izahay vao tonga saina fa tsy tokony ny mpitondra velively no natoninay mialoha fa olon-kafa. Tokony ny mpahaisiantsa, ny mpikaroka, ny mpanabe, ny mpanakanto, ny mpanoratra, ny filozofy, ny mpandala ny arapanahy sy izay olonkendry sy malalatanana rehetra. Nohatoninay ihany ireo, nanao izay tratranay izahay fa raha nifantoka kokoa tany izahay dieny tany am-boalohany, mety nahomby kokoa.

Nangina i Lisy, nandefa eritreritra, nitodika teny am-baravarankely. Mpifankatia Nijerianina nanao selifia no tazany, dia goaika ankiroa nipetrapetraka teo, nitsakotsako fromazy.

Angamba, hoy izy nanohy, angamba tamin’ny 1972 no nisy ny, azo atao hoe, fialana nenina farany, roampolo ora nahery kely ny fikaonandoha nifanaovana tamin-dry Jack sy ny namany teny amin’ny Volana. Ny reniko sy ny rain’Ilaijao dia anisan’ireo mpiantsambondanitra nankeny. Velom-panantenana tokoa tao aorian’ny dinika, nilanona nangina mihitsy aza ny raiko, ny reninao sy ireo nahalala, saingy tsy ela dia voasakana ny tetikay. Tany Etazonianareo mantsy, tokony hoe lasa Filoham-pirenena i Jack, raha izay no nitranga, hafa mihitsy ny Tantara… Indrisy, tsy nahomby izany noho ny harinkarena latsaka ankaterena tampoka, ka eson-teny no nahazo azy hoe mba inona koa no vitan’izay io ho an’ny Tany fa izay Volana any no mba hainy. Ny tany Madagasikaranareo indray, ny NASA tao Imerintsiatosika izay vao navaozina tamin’ny 1971 ny fifanarahana… Nakatona.

Nisy hatezerana nihoapampana niserana ny endrik’i Lisy. Nandalo vetivety monja, nanao tsidipahitra dia nisinda.

Efa nandrakotra tsikelikely an’izao tontolo izao, tsy nisy nahasakana intsony ireo Ohabolandoza ary mora tamin’izy ireo koa mantsy ny nahazo ny fon’ireo mpitondra sy mpanao politika sy mpitondra fivavahana liam-pahefana sy voninahitra ary harena. Tsy lafo vidiana.

Kofona Rabe, niporitika avy ao am-bavany ny Coca, niparitaka eraky ny latabatra teo anoloany, sady tafateny mafy indray izy no nikopapapapa am-pitoerana.

Ohabolandoza? Hein? Je veux dire… Ahoana tsara hoe e?

Eny, hoy i Lisy, nanohy tsy rototra. Ohabolandoza… Efa niresaka kely an’izay isika teny amin’ny terasy fa tsy tonga lavitra moa ilay resaka noho ilay baomba nipoaka, hoy izy sady nisento. Ohabolandoza, na—raha tianao—ny Ratsy, manana anarana maro manko izy ireny, miankina amin’ny toerana misy azy, ny vanimpotoana sy ny vondrompinoana misy ny tsirairay. Ny mety mahazatra anao angamba dia ny teny hoe Devoly. Dia nangina i Lisy. Nangina vetivety namela an-dRabe hitsakotsako ny teniny. Dia nitsakotsako Rabe. Tena misy izany ny Devoly, hoy izy anakampony. Tsy nirediredy i pasitera. Dia tsaroany tampoka teo no ho eo ihany koa ilay fehezantenin’i Charles Baudelaire nozarain’ny namana iray tao amin’ny Facebook taminy nanao hoe:

LA PLUS BELLE DES RUSES DU DIABLE EST DE VOUS PERSUADER QU’IL N’EXISTE PAS !

Dia nanohy i Lisy, niteny miadana kokoa, nalefaka kokoa, tsy maintsy nanongilan-tsofina tsara Rabe, nifantoka kokoa.

Fa tsy tena ilay hoe Devoly araka ny eritreritry ny maro ilay izy, ilay hoe maniry tandroka etsetra. Ny mponina rehetra, na eto Madagasikara, na any an-kafa, dia manana ny Ohabolany avokoa, mety samihafa ny filazany azy, fa ny fahendrena fonosiny, raha mandinika ianao, tsy mifankaiza fa iray ihany, ary fahendrena tsotra nefa lalimpaka antoky ny lamina sy ny fiarahamonina mirindra sy fahaizamiana, fahaizamiaramiaina no sady lalana mankany amin’ny fahasambarana rahateo. Ny antony mampivoana ny fiarahamonina iray dia tsotra: tsy mihaino intsony ireny Ohabolana ireny izy. Dia mahazo vahana ny karazan’Ohabolana hafa, ny Ohabolana mampikororosy fahana, mampihidi-kizo, mampizarazara, mampanaotao foana, mampanimba hatramin’ny Tany onenana. Tsy inona moa izany fa ny Ohabolandoza.

Saika nitsatsaingoka Rabe fa tonga dia nanohy avy hatrany i Lisy.

Mety manontany tena ianao hoe fa ohatra ny inona loatra izany Ohabolandoza resahako izany. Tonga dia valiako: tsy inona no ra mikoriana sy angovo mamelona ny Ohabolandoza fa ny toetra tsy vahalara tsy vanona tsy mendrika ny maha olona mandrendrika fianakaviana, finamanana, fiarahamonina, firenena. Toetra ratsy niavosa loatra, nihombo, nihalehibe ka tonga nofo ny farany, lasa toy ny olona mihitsy ny endriny, saingy mahavita ny tsy vitan’ny olon-tsotra iray. Ilay Zavatra iny izao dia tsy inona fa irak’ireo Ohabolandoza hanakana anao tsy ho aty.

Nangorintsina Rabe.

Rehefa tsara ny Ohabolana, manasoa, mitondra fahendrena sy fananarana enti-miaina, enti-mampirindra ny fiarahamonina eny amin’ny mpiara-belona rehetra eny ary isaky ny ambaratongam-piarahamonina rehetra eny, amin’ny sehatra rehetra eny. Efa talohan’ny fahagolantany no nisy ny Ohabolana, talohan’ny andron’ny Razandrazana tany, na taiza na taiza teto ambony Tany raha mbola olona koa ny olona dia efa nisy ny Ohabolana sy ny fahendrena entiny tsy mety lany daty fa mivoatra raha ilaina. Ny Ohabolandoza no tsy dia fantatry ny olona loatra ny fisiany nefa toy ny fisian’ny andro sy ny alina, ny aotra sy ny iray, ny velona sy ny maty, ny fisian’ny misy sy ny tsy misy ny fisian’ny Ohabolana sy ny Ohabolandoza. Raha mbola tsy mahazo vahana be loatra fotsiny ny Ohabolandoza dia mitampify ao anatin’ny haizina izy, mandrapaka mangina ny fon’izay sendra azy, manakorontana izay tratrany, mandrangitra ny vanginy, ary indrindra indrindra, mitady mpamahana azy hihombo hery. Rehefa matanjaka tsara izy, rehefa voafahana tsara, dia maka endrika olombelona amin’izay dia… Haka ohatra iray aho. Hitanao tamin’ny 1914 tany aminareo? Ohabolandoza no nibitsika an’i Gavrilo Princip tao ambadika tao hitifitra ny Arsidioka François-Ferdinand. Fantatsika fa izany no nandrehatra ny afon’ilay ho lasa Ady Lehibe Voalohany, iray tamin’izy ireo ihany koa no nandrangitra ny fon’ilay mpanaohosodoka nolavin’ny Sekolin’ny Hay-Kanto ny fidirany tao aminy ka nanoratany boky mihitsy taty aoriana, boky mitondra ny lohateny hoe Ny Adiko. Nony avy eo, nitarika olona maro dia maro izy, nanangana tafika, naka ny lohan’ny fireneny ary nandripaka mponina izay nosokajiany ho ambany, fanetribe sy tsy olona mihitsy azy. Tsy inona moa izany resahako izany fa i Adolf Hitler, ilay mpanaohosodoko, ary ny Jiosy, anisan’ireo naripany. Isaky ny tranga mampidi-doza sy mampikororosy fahana ny maha olona dia misy bitsika sy dian-tanan’ny Ohabolandoza hatrany. Raha haka ohatra akaiky aminao aho, ny Raharaha 1947, ny Ohabalandoza no nanao fampielezankevitra nafonja tao amin’ny Antenimierampirenena sy ny Governemanta frantsay tamin’izany hamotika ny demokrasianareo vao nitsiry. Mbola ny Ohabolandoza ihany koa no nanao tsinontsinona ny fitsarana tany aminareo, nanao karazana Raharaha Dreyfus kisarintsarim-pitsarana saingy tsy teo intsony moa i Zola nanameloka. Dia mbola Ohabolandoza ihany koa ny nitifitra nahafaty ny Filohampirenenareo tamin’ny 1975, ny nandoro ny Rovan’i Manjakamiadana roampolo taona taty aoriana sy ny sisa tsy voatanisa mety efa manomboka azonao an-tsaina.

Nihaino Rabe. Tsy niteny. Vaka. Nivandravandra tsy nahita ambara. Nitombina taminy ny resak’i Lisy na dia sarotra aza tamin’ny voalohany.

Ianao ve tsy nahatsikaritra fa raha ny fahalalana sy ny fitaovana teo am-pelatananareo tamin’ny taonjato faha XX, azonareo natao tsara ny nampitsahatra ny ady rehetra, ny nampisakafo sy nampisotro ny mponina rehetra, ny nandringana ny aretimandoza rehetra? Saingy tsy izany no nitranga, tsy nanontany tena ve ianao hoe fa dia nahoana loatra? Tsy nanontany tena ve ianao fa raha tian’ireo firenena natanjaka nofaranana ny asa fampihorohoroana tsy nandefasany tafika goavam-be sy natanjaka be tamin’ny toerana vitsy monja dia vita vetivety ny momba azy ireny? Tsy nanontany tena ve ianao hoe raha tian’ny tremalahy tao amin’i Madagasikaranareo tokoa ny nampitraka ny firenenareo dia tsy mba niray hina izy ireo, nampiasa ny volany sy ny fahaizany ary ny fahefany nampiroborobo ny fanabeazana miara-dia amin’ny fahendrena hatrany izay fototry ny fampandrosoana raha tsy hiresaka afa-tsy izay fotsiny? Tsy hoe tsy nisy nanana fikasana tamin’izany koa anefa izy ireo, tena nisy, ary mbola misy saingy saingy saingy… Ny Ohabolandoza Rabe a!

Tsy hitan-dRabe izay navaly fa sady nalahelo izy no romotra nahare fa tao ambadiky ny vaovao rehetra hita amin’ny tele, heno amin’ny radio, vinaky an-gazety, mandalo amin’ny Facebook dia nisy ny dian-tanan’ny Ohabolandoza avokoa.

Nanoro vohony, nampiady, nitari-bato vilam-bava, namingana, nanangana ady, nametraka olona lian-dra tamin’ny seza tokony nipetrahan’ny olona nampihavana, nametraka olona tia kely tamin’ny toerana mendrika kokoa ny mikasaka ny soa iombonana sy ny mijery lavitra. Dia toy ny homamiadana avy eo, miditra tsikelikely, mandoto ny fony, ny sainy, ny vatany, maka ny fanahiny, dia avy eo manimba ny manodidina, ny ao an-trano, ny any an-tsekoly, ny any am-piangonana, ny iray tanàna, ny fiarahamonina, ny firenena, dia any amin’ny farany, rehefa simbany avokoa ny rehetra, dia ny Tany mihitsy no kendreny, ny velominy ny Farandro, faranany ny fotoana.

Mety efa nahita Ohabolandoza àry ianao, hoy i Lisy, na tamin’ny tele na tamin’ny sary, saingy tsy fantatrao fotsiny, ny endriny tsinona mitovy amintsika izao ihany, toy ny olombelona nofo aman-dra ihany.


63
Vao nahare ny loza nitranga taorian’ny 29 Martsa tany Madagasikaranao ny taty Madagasikaranay dia nanomana ny dia, somary maimaika ihany hany ka nisy kajy nilatsaka dia nianjera ny sambondanitra
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar