Vao nahare ny loza nitranga taorian’ny 29 Martsa tany Madagasikaranao ny taty Madagasikaranay dia nanomana ny dia, somary maimaika ihany hany ka nisy kajy nilatsaka dia nianjera ny sambondanitra
Ny nahatonga anay niditra teny amin’ny Volana? 🌝
Nahetsiky Rabe kely ny lohany.
Lavitra tokoa ny Volana ka mampanontany tena hoe fa naninona loatra no nankeny fa tsy teny amin’ny Telozorin’i Berimioda na teny amin’ny Farihin’i Anosy e?
Sady nananihahany kely i Lisy.
Ny teny amin’ny Telozoron’i Berimioda aloha dia tena ady saritaka tokoa, efa tsara ambina, efa nisy andian’Ohabolandoza nandritsianafo niandry kendry tohina fotsiny tao ka toy ny afokasoka nivoaka ny boatiny ny avy aty aminay izay nivoaka tao. Izay nivoaka iray, may, izay nivoaka iray, lavo, izay nivoaka iray, maty. Izany no nahatonga ireny tantara henonao ireny hoe sambo rendrika e, ropilanina nitsingidina tsy hita popoka e, manketsy mankeroa e. Misy fahamarinany ihany ireny fa fandrebireben-tsaina sy fanakonana ny tena zava-nitranga no betsaka. Adisaritaka ny teny no tena marina. Ady tsy hahatafavoaka mpandresy ka nanapa-kevitra ny taty hoe andao eny amin’ny Volana no hiditra. Fa nahoana indray no tsy teny amin’ny Farihin’i Anosy aloha? Nahoana no naleonay nankeny amin’ny Volana aloha vao nankeny? Azonao an-tsaina tsara angamba… Nataon’ireo Ohabolandoza izay rehetra azony natao hampasiso io farihy io. Ny avy aty aminay manko, hitanao fa sarotiny amin’ny fahadiovana ihany. Ka nahomby tsara ny teti-dratsin’ireo Ohabolandoza. Nahomby tsara. Tsy nisy nety niditra avy tao Anosy ny taty aminay. Tsy nisy nety raha tsy efa tsy nanan-tsafidy intsony.
Menatra Rabe nahare hoe naleon-dry zareo nanodidina nankeny amin’ny Volana toy izay nivoaka avy eo amin’ny Farihin’i Anosiny.
Ny tany aminareo, izy roa amby folo lahy fa ny avy aty aminay nankany aminareo kosa nisinisy ihany, anisan’izany ny tany Raozioelina tany Etazonia tamin’ny 1947. Vao nahare ny loza nitranga taorian’ny 29 Martsa tany Madagasikaranao ny taty Madagasikaranay dia nanomana ny dia, somary maimaika ihany hany ka nisy kajy nilatsaka dia nianjera ny sambondanitra. Ireny antsoinareo hoe OVNI ireny na viliandanitra nisy nahazo sary dia tsy hoe Ivelantany tsy akory, tsy hoe mponina tsy avy eto amin’ny Planeta Tany, fa izahay ihany ireny. Ny ankabeazan’ireo sary miparitaka etsy sy eroa kosa dia sandoka. Misy vitsivitsy ihany aloha tena izy e, iray na roa amin’ireny, tena izahay, tena nisy nahazo sary tokoa. Tototry ny sandoka moa ireny ka tsy hay intsony ny manavaka azy. Tamin’ny 1954 tao Antananarivonareo, nisy zavatra nampisavoritaka ny iray tanàna, nampihogahoga ny biby, na ny alika teny an-tokotany na ny omby aman-kisoa tany am-bala ary nahatonga ny Jeneraly De Gaulle nanokatra fanadihadiana mihitsy. Nafenin’ny mpitondranareo araka izay tratra moa ireny raharaha ireny fa nisy nibirioka ihany hoe nisy viliandanitra nandalo. Tena nisy tokoa. Tao aorian’ny 1972 kosa, araka ny efa notantaraiko taminao teo ihany, voailika tsy ho lasa filoha i Jack, nakatona ny NASA tao Imerintsiatosika, tsy nisy nankany amin’ny Volana intsony ny olombelona. Tampina ny daomy. Nilavo lefona avokoa ny taty aminay hoe tsy nisy na inona na inona azonay natao intsony ho anareo afa-tsy ny nanisa andro sisa.
Dia niverina tao an-tsain-dRabe ilay horonantsary kely hitany tamin’ny Facebook nidradradradra hoe ity no porofo fa tena misy ny Ivelantany. Raha izay hitany izay aloha dia tsy naharesy lahatra azy mihitsy, hita hoe petatoko. Tena nisy tokoa izany ireo viliandanitra ary tsy Ivelantany fa olombelona ihany, saingy olona avy any amina tontolo hafa, tontolo mirazotra, nikasa ny hanavotra azy. Nefa dia indrisy.
Vao haingana moa, vao taona vitsivitsy lasa izay, no tonga saina ny mpandinika taty aminay hoe tsy vitan’ny tontolonareo fotsiny no ho rava fa ny faharavany dia hitarika ny faharavan’ny aty aminay ihany koa. Izay vao nikoropaka ambony ambany avokoa ny rehetra.
Efa notenenin’i Lisy tany Nosy Be ihany izay faharavana manambana izay fa mbola mafy tamin-dRabe hatrany ny nahare azy, mbola tiany hadinoina hatrany hoe efa mby ho rava ihany koa ity tontolo ity, mby ho rava raha tsy izy tenany, izy Rabe no hanavotra azy. Hanavotra azy amin’ny fomba ahoana? Mbola tsy azony veroka mihitsy.
Nitady vahaolana haingana dia haingana. Ny hany hita dia ny nandefa solontena isam-paritra nanao sesimontotra avy teo amin’ny Telozoron’i Berimioda, efa fantatra fa maro no ho ripaka, fa tsy maintsy natao ilay izy, dia ny rain’Ilaijao sy ny reniko no anisan’ireo lany taty amin’ny faritra Ranomasimbe Indianina. Taona maro taorian’ny nahalany azy ireo nankeny amin’ny Volana nifampidinika tamin-dry Jack, dia lasa indray rizareo namita iraka hanavotra ny tontolo. Raha ny tontolonareo no nokasain-kavotana teo aloha, tamin’izay kosa, dia anjaran’ny tontolonay.
Nilatsaka kely ny feon’i Lisy, sady nitana tomany izy, nanohy.
Vao teraka kelikely aho no lasa ny reniko. Na ny rain’Ilaijao lasa na ny vadiny niambin-trano kosa dia samy tsy nisy nahalala hoe valo volana aty aoriana hahazo zazalahy rizareo. Tsy nisy na ny iray aza tafody tamin’ireo iraka nalefa, nataon’iretsy vonomoka, notsenainy tamin’ny tafondro maro vava. Tsy nahalala akory ny rain’Ilaijao hoe hahazo zaza mahiratra sy mora toetra fatratra… Namela fara hafatra ny reniko talohan’ny niaingany. Efa fantany hoe tsy hiverina intsony izy, folo hafatra ny raiko sy ny renin’Ilaijao izy ny hanomana anay hamita ny tsy vitany, ho sahy hitsoboka ny Farihin’i Anosinareo. Naleony mantsy niatrika ny vonomoka teny amin’ny Telozoron’i Berimioda toy izay namisavisa akory ny Farihin’i Anosinareo.
Nihivingivina kely i Lisy.
Ny antony nisafidianana anao moa efa ireny noresahan’Ilaijao taminao tany Nosy Be ireny ihany.
Dia nitamberina tao an-tsain-dRabe ny resaka nifanaovan-drizareo teny amin’ny terasy.
