Boky maro mikasika lafin-javatra samihafa, fikarohana, ezaka fampivoarana sy fandrindrana kokoa ny fiarahamonina, hira manaitra ny fo amam-panahy, horonantsary manaitra, fampiroboroboina ny siantsa
Satria Rabe tsy ory hava-manana.
Tsy niteny betsaka Ilaijao, izay fotsiny no noteneniny. Izay no antony nisafidianany an-dRabe. Dia nangina izy. Nesoriny ny satrony, napetrany teo ambony latabatra teo anilan’ilay tavoahangina Coca. Nangirana ny lohany. Tsy namaly Rabe. Tsy namaly avy hatrany. Nangina ihany koa izy. Dia nanohy Ilaijao.
Mandrara omagna kara fody lahy mena.
Izany hoy Ilaijao mantsy no betsaka any amin’ny Madagasikaran-dRabe. Indrisy. Toy ilay fody lahy mena, tsy mizara, maka ho azy, samy maka ho azy, tsy mamela ny hafa homana, dia mialona raha tsy izy no mihinana, no mahazo, no faly, fa ny hafa.
Dia notohizan’Ilaijao ihany ny resany hoe maromaro ihany rizareo no iraka nankany amin’i Madagasikaran-dRabe, nivoaka teo amin’ny Farihin’i Anosy, niparitaka naneran-tany nitady olona tsy ory hava-manana sy tsy mivarambasy. Niketrona Rabe, tsinjon’Ilaijao, niato kely izy, nieritreritra, nangirana ny masony, nopehiny kely ny latabatra, dia nazavainy ilay teny. Ny atao hoe mivarambasy, dia ny zaza notezaina ihany, nefa nankany amin’ny tsy izy.
Ok!
Hoy Rabe.
Maromaro kosa anefa naneran-tany no nosafidiany fa tsy Rabe ihany, na erak’i Madagasikara aza nisinisy mihitsy no nifanandrify tamin’ny zavatra notadiaviny saingy ningadona aloha loatra ny Farandro, tsy nampoizina mihitsy izany, ka Rabe no teo akaiky indrindra teo, ny hafa rehetra tsy nisy tafaverina. Nanjombona ny masony.
Dia nahitan-tsiky vantany vao niteny izy hoe soa fa i Lisy no niambina an-dRabe.
Nilaza izy nony avy eo fa mino ny lahatra, tsy kisendrasendra hoy izy izany rehetra izany fa Rabe mihitsy ilay izy. Tsy namaly Rabe tamin’izay fa azony an-tsaina ihany hoe raha ny tena fanirian-drizareo, indrindra ny an’i Lisy, dia olon-kafa no tonga taty nanavotra ny tontolony fa tsy izy loatra saingy tsy nanan-tsafidy loatra ka tsy maintsy miainga amin’izay am-pelatanana. Dia izy ilay am-pelatanana. Ary raha tsy mahavita ny miandry azy izy dia rava koa ity tontolo ity. Ny hany tonga tao an-tsainy tamin’izay dia ny nanontany hoe ahoana no nisafidianan-drizareo azy.
Indray mandeha izay
Hoy Ilaijao
Tazako ianao avy nianatra, nitazana ireo mpiara-mianatra taminao niara-nilalao lavitra anao teny. Nisy nahazo kiraro vaovao ny iray tamin’izy ireo, ngengegny—mibitaka tia sehoseho toy ny zaza—ka tamy ny hafa nifandimby nanitsaka ilay kiraro, ny sasany aza nanongo sady niteny zavatra tsy henoko tsara hoe inona, “tantanta a!” angamba izy izay, tsy henoko tsara. Ny masonao tamin’izay no nanaitra ahy, sady nalahelo kely ilay nahazo kiraro vaovao ianao, no te ho tamin’ny toerany ihany koa, mba te hana-namana, nefa tsy te hanitsaka ilay kiraro, tsy te hanongo satria tsy azonao loatra ilay fomba hoe fa nahoana tokoa moa. Nanontany tena ianao, nanontany tena ny zava-misy fa tsy nanarak’efa fotsiny. Nametra-panontaniana ny masonao, tsy nanara-drian-drano fotsiny, nefa tsy nitsara ireo izay nanao izany ihany koa ianao. Izay no tsapako, izay no antony nametrahako ny safidiko tany aminao. Sarotra ny nandresy lahatra an’i Lisy, nagnifika avy hatrany izy, nagnobonkobogno—nahetsiny ny lohany, nandà mafy. Nandinika anao ihany koa manko izy fa nidrikina aho. Tsapako tamin’ny fijerinao fa ianao ilay hanavotra ny tontolonay, dia tsy diso aho, ianao irery no tonganay taty.
Niverimberina tao an-dohan-dRabe ny valintenin’Ilaijao taminy farany raha nanontany izy hoe fa maninona no tsy rizareo ihany no manakana ireo Ohabolandoza.
Satria tsy maintsy olona avy amin’ny tontolo mirazotra hatrany vao afaka manavotra ny tontolo mirazotra aminy rehefa tamy ny Ohabolandoza ary tsy afaka manampy anao mihitsy izahay rehefa hifanandrina ianareo. Tsy isika no manao ny fitsipidalao. Toy ny kintana eny an-danitra, toy ny ranomasina masira, toy ny saka manenji-boalavo, izay no zava-misy, lalàna ataontsika hoe voajanahary angaha…
Nitandrina Ilaijao nampiasa an’ilay teny hoe voajanahary , tsy dia azon-dRabe loatra hoe nahoana, fa tsapany nisy tahotra sy fanajana ary fahamalinana toy ny hoe manao tanisa amin’ny atody izany na miditra ao anaty efitra misy bibidia matory.
Nisinisy ihany izahay taty no nankany aminareo, nahavita nanakana kely ny Farandro, ary ny tany aminareo nankaty koa taloha ela be tany, nisinisy ihany, nisinisy mihitsy. Malaza dia malaza tany aminareo ny sasany amin’izy ireo na dia zatozato arivorivo taona aty aoriana aza…
Nivoaka ilay efitranofisakafoana i Lisy sy Rabe, nanontany tena ity farany hoe mba iza àry ireo olona noresahan’Ilaijao hoe niampita tontolo nanakana ny Farandro taloha sady tsy misy izay tsy mahalala na dia zatozato arivorivo taona aty aoriana aza. Hadinodinony anefa izany rehefa nisy masera nandona kely anazy, latsaka ny sapileny, niala tsiny, noraofin’i Lisy, dia nomeny azy, nisaotra ilay masera, narahiny tsiky dia notohizany ny diany. Nahita tanora vitsivitsy nitsilailay namaky boky sy nitafa momba ny bodisima teo amorom-parihin’i Anosy i Lisy nony avy eo dia niteny tamin-dRabe hoe anisan’ny ezaka nataon-drizareo nanavotana ny tontolon-dRabe dia ny nanaitra azy ireo. Na dia tokony tany aza no tena nifantohan-drizareo fa tsy tany amin’ireo mpitarika, mpitondra, mpanao politika sy lehibem-pivavahana, nanao izay tratrany ihany rizareo tamin’ny fampanenoana lakolosy fanairana tamin’ny fomba samihafa. Boky maro mikasika lafin-javatra samihafa, fikarohana, ezaka fampivoarana sy fandrindrana kokoa ny fiarahamonina, hira manaitra ny fo amam-panahy, horonantsary manaitra, fampiroboroboina ny siantsa. Nisy ihany ny nihaino, nahazo ny hafatra, niezaka nanova sy nampivoatra ny manodidina fa, indrindra ny tao Madagasikaranareo, nandeha ny andro, ny volana, ny taona, nihena toy ny fen’antitra ny tandindon’izany ary zavatra tsy dia misy dikany loatra mampandihy sy manintona ny olona handrotsa-drakitra misimisy kokoa hatrany hatrany sisa no nandrakotra ny hainoamanjerinareo.
Tsy hoe tsy ilaina ny mandihy, tena ilaina tokoa, saingy tsy izany kosa no handrakotra ny radio sy ny tele maraina antoandro hariva, sady nisendoatra i Lisy. Hainoamanjery izay tokony hanabe voho ny fanabeazana aman-kolontsaina ho tonga olom-banona sy lian- karokaroka hatrany sady mampiala voly ihany mazava ho azy. Tsy hitan-dRabe izay navaly. Nijery ny manodidina izy, ny farihy madio mangatsakatsaka, ireo tanora mamaky boky teo amin’ny bozaka sy maka saina tsy manahy hoe sao dia misy maloto, ny endrik’i Lisy mankafy ny masoandro tsy mandoro sy ny tsio-drivotra tsy narahim-pofo-masiso dia lasa saina izy hoe noho ny faharavan’ny fiarahamonina tao aminy izany no hahapotika ihany koa ity tontolo meva dia meva ity raha tsy vitany ny hanavotra azy.
Mino tokoa ve ianao fa izaho no hanavotra an’ity tontolonareo ity?
Nitodika tany amin’ i Lisy Rabe, namoaka poti-mofo tao anaty kitapony izy dia nanipy izany tany amin’ireo voromailala vitsivitsy tsy lavitra azy roa dia namaly. Hentitra ny firesany.
Tamin’Ilaijao niteny tamiko voalohany hoe ianao ilay izy, dia tsy nino aho, nifamaly mihitsy aza izahay tamin’izany fa nidrikina izy, dia nilefitra aho ny farany na dia tsy ninoako loatra aza izay resahany. Tsy hitako loatra izay tena nampiavaka anao tamin’ny hafa tamin’izany.
Nitanondrika kely Rabe, izay vao tonga saina hoe nofaranan’i Lisy tamin’ny hoe tamin’izany ny teniny. Izany hoe, taty aoriana izany hitany ihany hoe nisy nampiavaka azy tokoa tamin’ny hafa. Dia velombolo izy.
Ny tena marina samy hafa daholo isika rehetra ireto na dia mitovy daholo ihany koa aza. Samy manana ny maha izy azy samy tokana samy manana ny hanitra ho azy. Raha tsy izany na ny endrika aza ve tsy natao nitovy raha ohatra koa mitovy daholo isika?
Dia nanao sarina faribolana tamin’ny rivotra teo anoloan’ny tarehin-dRabe ny fanondron’i Lisy.
Samy manana ny tarehy mampiavaka antsika isika, na ny endrika ivelany, na ny endrika anatiny, na ny ADN aza tsy misy mitovy, misy dikany avokoa izany fa tsy hoe tsy misy dikany tsy akory fa anjaran’ny tsirairay kosa avy eo ny mampiseho toetra sy fihetsika mendrika, ny manaporofo amin’ny alalan’ny zavatra atao sy apetraka hoe manana ny maha izy azy ihany anie aho.
Nodonin’i Lisy ny totohondry kely ny sandrin-dRabe sady nampiany hoe amin’ny lafiny iray, na dia tsy nino loatra aza aho tamin’ny voalohany hoe ianao ilay izy, tsy manan-tsafidy isika izao fa tsy maintsy ianao ilay izy. Nitaraina narary Rabe tamin’ilay totohondry. Ary tena ianao ilay izy hoy izy namarana ny teniny sady nikakakaka ihany izy no niditra tao anaty lakana niantsona teo ambany kelin’ilay tranofisakafoana. Nalainy ny elo mena tao anaty kitapony dia novelariny nony nahazo toerany izy sy Rabe.
