Nojereny Rabe sondriana nilalao rano nisangisangy trondro nanatsofoka ny lohany tao anaty rano, ny masony nijerijery ny manodidina ihany vonon-kamoaka sy hampiasa ny basiny avy hatrany raha ilaina.
Nibaliaka ny masoandro.
Tsy dia be rahona loatra teny an-danitra. Nisosa tsimoramora ilay lakana nony napetraky Rabe ny fivoy. Naneno ny famataranandron’i Lisy. Notsapainy avy hatrany ilay poleta teny amin’ny tepany. Nojereny Rabe sondriana nilalao rano nisangisangy trondro nanatsofoka ny lohany tao anaty rano, ny masony nijerijery ny manodidina ihany vonon-kamoaka sy hampiasa ny basiny avy hatrany raha ilaina. Nanongon-tena i Lisy nanapakevitra nitonantonana teo afovoan’ny Farihin’i Anosy nihevitra fa mbola nanam-potoana nigalabinana nanariana eritreritra, nihevitra ny fahavalo mbola any ho any tsy noheveriny loatra hoe taiza. Raha tsy ny nenon’ny famataranandrony, tsy taitra izy, raha tsy ilay aplia kely tamin’ny famatarandrony naneno rehefa misy diraonina manamorona tsy rototra izy. Tsy izay diraonina rehetra nanakaiky azy akory dia nampaneno ny apliany avokoa, raha tsy izany angamba isaky ny dimy minitra dia naneno ny famataranandrony raha ny isan’ny diraonina nivezivezy mpanatitra entana fotsiny no jerena, fa izay diraonina tsy fanta-piaviana, tsy nisoratra ara-dalàna tany amin’ny tompon’andraikitra misahana ny filaminana ana habakabaka ihany.
Dia ity diraonina tao ivohon’i Lisy, nijaikojaiko tsy re tsaika nampidinina tsimoramora tady haka an-dRabe ity dia diraonina tsy fanta-piaviana, tsy fantatry ny tomponandraikitra hatramin’ny fisiany, tsy nisy nahafantatra afa-tsy ireo vitsy an’isa nahalala fa nisy izany tontolo mirazotra izany ary ny nibaiko lavitra ny diraonina. Tsy iza moa izany fa ny Ohabolandoza. Dia nobedainy nalaky Rabe, lasany niakatra toy ny tsy teo. Tafatodika i Lisy, efa tara loatra, koa ny nitsoraka avy hatrany no nataony, ny nivandravandra tany amin’ilay diraonina niporitsaka toy ny ho any amin’ny Rovan’i Manjakamiadana nibeda an-dRabe nikiraviravy tongotra tsy tonga saina tamin’izato nanjo azy. Nivoady anaty i Lisy hoe tsy maintsy ho azoko ianao ry diraonina, tsy maintsy ho avotro ianao ry Rabe, tsy havelako ho levona ianao ry Antananarivoko, ry Madagasikarako, ry Taniko, ry Tontoloko. Ho anao Ilaijao no hanaovako izany, ho anao ry raiko no hanaovako izany, ho anao Rabe no hanaovako izany.
