Variana ireo mpifankatia lalan’ny nody avy nifampitory fitiavana tamin’ny alalan’ny tononkalona poeta tsy hain-dRabe anarana nahita tovovavy olioly volo kotsan-drano nisosososo teo ambony kodiarana roa tsy azony veroka hoe ho aiza
POATOIZAY NO NANGALAN’ILAY DIRAONINA AN-DRABE TEO AMBONY LAKANA.
Sendra variana kely fotsiny i Lisy, sendra nitodika tany amin’ny tsy tokony ho izy kandrefa tao ivohony ny loza no nijoko. Fotoana fohy vidian-dafo, segondra vitsy nahadiso fiambina, nenina handrakotra raha tsy maila-panarina. Dia nitsoraka avy hatrany i Lisy, nilomano namonjy ny sisim-piantsonana, nijanona kely, nanambana, nitifi-basy ilay diraonina. Tsy voa ilay diraonina. Rabe kosa nikonaina. Voa ny feny. Niantso lanitra izy, niantso mama, niantso valala, niantso vonjeo fa maharary. Binala Rabe fa tsy nandeha ra. Satria tsy basy poleta mandrora bala amin’ilay raha tsy mamono dia mandratra kosa no nahavoa azy fa irony basy fitifirana bibidia tian-ko dinihana fampiasan’ny mpahaisiantsa irony. Maranitra sy manify sahala ny loham-panjaitra kely ny balany ary milentika ao ambany hoditra sarotra esorina na dia niezaka aza Rabe hanaisotra izany tamin’ny feny. Tsy afaka. Dila nandigana ny Rovan’i Manjakamiadana ilay diraonina, i Lisy tafalomano teny amin’ny sisim-piantsonana. Nijery ny famataranandrony izy, telozoro menamena eo ambony sarintanin’Antananarivo no maribolan-dRabe ka izay no fomba hanarahany an-dRabe. Tsy ela izy dia namelona moto ana ramatoa variana tao an- dadosin’ilay trano fisakafoana—ilay nandroan’izy roa tamin’ny vao tonga—ary sady lasa i Lisy no nitodika kely tany amin’ilay fakantsarimihetsika andrimaso niantona teo amina tsatobinjiro tsy lavitra azy.
Tsy inona moa ny antony nanaovany an’izay fa hahatsotsotra kokoa ny asan’ny polisy rehefa hipenimpenina hitady ny motony ilay ramatoa afaka kelikely. Raha simba eny an-dalana eny ilay zavatr’olona, dia hosoloin’i Lisy moa raha tsy maninon-tsy maninona dia honerany ny herinaratra lany sy ny fanelingelenana. Raha tsy tonga alohan’izay ny Farandro, mazava ho azy. Nitrerona tokana ilay moto dia lasa. Variana ireo mpifankatia lalan’ny nody avy nifampitory fitiavana tamin’ny alalan’ny tononkalona poeta tsy hain-dRabe anarana nahita tovovavy olioly volo kotsan-drano nisosososo teo ambony kodiarana roa tsy azony veroka hoe ho aiza. Lalankely teo anilan’ny lalan-kelin’ny bisikileta ihany no lalan’ny moto teo anilan’ny lalan’ny mpandeha tongotra teo ambony fefiloha ary lalan’ny sambo no nanodidina.
Nirifatra ilay moto, teo amin’ny toerana misy ny tiribonaly sy ny RNM sy ny sisa izay tao amin’ny tokony ho faribohipitantanandraharaha nahafantaran-dRabe azy tany amin’i Antananarivony dia tsy nisy afa-tsy hotely maro be sy sahantanàna hafa kely nisy soratra hoe DISNEY teo amin’ny fidirany, teo antenantenan’ny Kianjan’i Mahamasina, ny Gara, ary hotely iray nisy soratra HOLIDAY INN no nitoetra teo amin’ilay hotely CARLTON saingy avo sy nivelatra lavitra. Nitsofoka tao amin’ny tobimpiarakodia tao ambany tanin’ity hotely ity i Lisy. Vao tafajanona ilay moto dia nitsambikina izy sady nijery kely ny toerana nisy an-dRabe teo amin’ny efijerin’ny famataranandrony ihany no nanapotsipotsitra ny bokotry ny solotohatra teo anoloany.
Nony nisokatra ilay varavarana dia niditra izy, nopotsiriny ny bokotra 32, dia niverina nijery ilay telozoro menamena nipipika teo amin’ny efijery izy. Nofafany kely ny rano niangona teo amin’ny famatarandrony, nakopany ny volony, somary naolany, nitete kely tamin’ny gorodona ny rano. Feonkira nandrotsirotsy no nanala fanginana nandritra ny fiakaran’ilay solotohatra, nangaraharaha ny rindriny ka mbola tazan’i Lisy teo afovoam- parihy ilay lakana nisy azy roa teo. Ambanidia, izany no anaran-tanàna nisoratra teo amin’ilay saritany mavo tanora nisy an’ilay telozoro menamena. Avy eo Tsiadana, Antanimora, dia nivily tampoka, Ambaranjana, Antsakaviro, Ambodiroatra, Ampandrana, Antaninandro, Faravohitra, Ambondrona. Naneno tokana ilay solotohatra, nijanona ilay feonkira, nisokatra ny varavarana, nalan’i Lisy tao amin’ny famataranandrony ny masony dia nirohotra nankany amin’ilay varavaramby nisy soratra hoe tsy azon’ny olona ivelan’ny mpiasa idirina izy. Nosokafany. Tohatra no teo ankaviany. Niakarany. Nisy varavaramby hafa indray. Nosokafany. Vava rivotra no nitsena azy teny amin’ny faratampon’ilay hotely. Tandrifin-drahona vetivety ny andro tamin’izay, sarona vetivety ny masoandro, notsofin’ny rivotra ny volon’i Lisy, nikopakopaka ny akanjony rebareba ary tsy taiza tsy taiza ilay zavatra notadiaviny fa teo afovoan’ilay tokotany lehibe, teo ambonin’ilay soratra hoe H, niantsona teo toy ny hoe niandry azy izany.
Manga ny lokon’ilay angidimby. Isaky ny nandalo teny Anosy izy taloha, rehefa haka lamasinina teny Mahamasina handeha hianatra, dia tazany hatrany io angidimby nandravaka ny tampon’ny HOLIDAY INN toy ny satroboninahitra hafa kely nololohavin’izato trano be nierinerina. Naka toerana avy hatrany i Lisy, tsy nihidy ilay angidimby. Efa fantany izany, mpanamory rahateo ny reniny tamin’ny fahavelony, na fiaramanidina io, na angidimby na balafomanga nankeny amin’ny Volana, tsy namelany raha tsy nianatra nanamory karazam-piaramanidina tamin’ny vao niditra Lise. Nandà mafy ny rainy tamin’ny voalohany, natahotra sao sanatria hanara-dia ny reniny ity zanany vavy ka handao azy, hamela azy irery. Tsy ela anefa dia tsapany fa herim-po very maina ny azy, mafy loha toa an-dreniny ny zanany. Nampitsiky azy ihany izany eritreritra izany. Nisy finoana rahateo tao aminy hoe mety ho vitan’ity zanako ity tokoa ny hanavotra ny tontolo.
Nikopakopaka ny tangolimihodin’ilay angidimby, nanoritra faribolana raha jerena avy any ambony, nikorontana ny fitsokan’ny rivotra, dia niakatra i Lisy, niakatra, nony tonga ambonimbony, dia niridana.
