67

Sahantanàna goavana nampahatsiaro azy ny Central Park any New York hitany tamin’ny sarimihetsika nanomboka tany Ambohijatovo ka tsy nifarana raha tsy teny amin’ilay voavinavinan-dRabe hoe toerana nisy ny Garan’i Soarano saingy tsy gara no hitan’ny masony

audio-thumbnail
IV67
0:00
/221.5

Nikofokofoka Rabe. Tsy nikofokofoka te hiala ny fatorany tsy akory ka hitsingidina amin’ny tany zato metatra tery ambaniny tery fa nakofokofoky ny fikoropahana sy ny tahotra kokoa.

Ambondrona no hihoson-dra raha sanatria izy hidaraboka ary aotra ny fanantenana hoe ho tafavoaka velona izy raha tsy hoe angaha dobofilomanosan’ilay sekoly lehibe arifomba tazany nandrakotra ny teo ambanin’ilay fiangonana katolika. Tany ho any, teny ambony tanàna, vao nahitana toerana tsy dibo-drano fa vinakin’arabe. Tsikaritry Rabe na dia nikoropaka àry izy fa nivelatra avokoa ny arabe, omby fiara roa nandroso, roa niverina. Ny sisinarabe nalalaka mbola nahitana lalankelim-bisikileta sy olona. Nitodi-doha tampoka ilay diraonina. Nitsamboatra Rabe, nofikirina mafy ilay tady sady nakimpiny ny masony. Nony nahirany afaka kelikely dia akory ny hagagany nahatazana ala nandrakotra ilay tanàna izay azony an-tsaina hoe Analakely. Sahantanàna goavana nampahatsiaro azy ny Central Park any New York hitany tamin’ny sarimihetsika nanomboka tany Ambohijatovo ka tsy nifarana raha tsy teny amin’ilay voavinavinan-dRabe hoe toerana nisy ny Garan’i Soarano saingy tsy gara no hitan’ny masony fa sisim-piantsonana sy sambo kely vitsivitsy ary rano no nanjaka tao amin’ilay sahantanàna. Toy ilay tany Anosy ihany, lakana no solom-piara, fefiloha andehanan’ny bisikileta.

Vary sy rano no ain-dehiben’ity tanànan’Antananarivo ity ka ny olona no mamola-tena hiara-hiaina mirindra eo anivony fa tsy terena totofana tsy am-piheverana sy sesefan’olona mihoatra lavitra izay dinika fanajariana tany am-boalohany…

Hoy Rabe anakampony sady nisento no natahotra ihany.

Niherika Rabe, nahare feo hafahafa tao aoriany, tazany ilay angidimby manga, nifanojo ny masony sy ny mason’i Lisy. Nitsiky izy. Tsy dia hainy loatra ny namaritra ny zavatra tsapany tamin’izay fotoana izay, nibitaka ny fony nahita an’i Lisy. Tsisy izay tsy hain’ity tovovavy ity marina. Variana koa izy nitazana avy any ambony ilay Antananarivo hafa kely, meva ery, zendana tanteraka nefa notsidihin’alahelo ihany koa ny fony nahatsiaro ilay Antananarivony nentin’ny mpitantana nifanesy nankany amin’ny kizo tanteraka. Teo ihany koa no tazan-dRabe ilay fakantsarimihetsika teo ankibon’ilay diraonina nibanjina anazy. Kibolampitaratra nangirangirana nisy faribolana nihetsiketsika tao anatiny. Azon-dRabe an-tsaina avy hatrany fa tany aho any nisy efijery lehibe nisy ny tarehiny, tany ho any nisy tanan’olona nanamory ilay diraonina, tany ho any nisy tsikin-gaigy nankafy ny fahoriany. Tsikin’Ohabolandoza.


68
Nanomboka nipararetra kosa izy nanoloana an’ireo tranobemanakadanitra maromaro niezinezina sahala amin-dRapeto mianakavy nanao tsiankihetsika tetsy sy teroa
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar