68

Nanomboka nipararetra kosa izy nanoloana an’ireo tranobemanakadanitra maromaro niezinezina sahala amin-dRapeto mianakavy nanao tsiankihetsika tetsy sy teroa.

audio-thumbnail
IV68
0:00
/237.5

Maitso.

Maitso toy ny bozaky ny kianjana baolina kitra ny tazan-dRabe avy eny ambony, tsy nisy afa-tsy maitso ny tontolo.

Maitso tanimbary, maitso tanimboly, maitso ala, maitso fanantenana. Nitolagaga izy nilefi-pijery tany amin’ilay faribohitra azony an-tsaina hoe mety ho Ankorondrano na dia hafa mihitsy tsy azony an-tsaina aza ny anarany tao amin’ity Antananarivo iray ity. Ankoatra ny maitso sesehena dia nisy tanàna kely nirindra nitsitokotoko tetsy sy teroa nefa natambatra lalan’ny fiarakodia misampantsampana maromaro niantona ambonimbony tsy nisy nipe-tany raha tsy niditra an-tanàna. Lalamigodana lehibe dia lehibe no teo afovoan’izany rehetra izany nizotra nankany amin’ny tsy taka-mason-dRabe tany izay azony an-tsaina ihany hoe tsy nijanona raha tsy tany Mahajanga. Azony an-tsaina ihany koa fa faribohipandraharahana no nolalovany. Nahitana ozinina, orinasa, birao ary milina an-jatonjatony mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny rivotra niendrika takelaby nisy tangolimihodina ny lohany sy milina mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny masoandro niendrika solaitrabe nitandahatra nandry isan-tafo.

Nanomboka nipararetra kosa izy nanoloana an’ireo tranobemanakadanitra maromaro niezinezina sahala amin-dRapeto mianakavy nanao tsiankihetsika tetsy sy teroa. Avo lavitra noho ilay hotely nialan’i Lisy teo ary nahiany hirefotra tamin’ny iray tamin’ireo ilay diraonina nanafaingam-pandeha tampoka nitsoaka ny angidimby an’i Lisy nisomokotra avy ao aoriana. Gagagaga ny endrik’ireo olona nivory tao anatin’ilay tranobempitaratramanakadanitra teny amin’ny rihana faha 77 nahita an-dRabe notaritina diraonina. Nitalaho ny endriny, toa niantso vonjeo tany amin’ireo mpivory nefa akory atao. Niakatra ambony kokoa ilay diraonina, nasisika teo anelanelan’ireo litera MR teo an-tampon’ilay tranobemanakadanitra. Nikiakiaka Rabe. Raha nisy kely, raha nisy kely fotsiny, ireto MR ireto no nanasonia ny fiafarany. Ka very niaraka taminy ny zava-drehetra. Nisento izy nony lasa lavidavitra ilay diraonina, nitodika ivoho nibanjina ilay trano fitaratra. Tsy fantany moa fa foiben’ny fikambananorinasa anisan’ny natanjaka be tamin’ny faritra Ranomasimbe Indianina sy Afrika Atsinanana ary Azia Atsimo Atsinana izato noseraniny ary fivoriana lehibe nikasika ny fihitaran’ny varotra any amin’ny faritra Afrika Andrefana no nodinihany tamin’io. Mpandraharaha malagasy roa anisan’ny natanjaka indrindra no nitafanatona sy niara-dia ka nahatonga ny MR. Ary tsy inona moa no dikan’ilay MR fa fanafohezana ny anaran’izy roalahy izay samy manomboka tamin’ny M sy R fotsiny. Tsy naka lavitra. Hontsa kely ny fon’i Lisy nahita an-dRabe nifikitra sady nofikirin’ilay tadin’ilay diraonina. Tsy hainy na havotson’ilay diraonina tampoka eo, sanatriavina, na tsia, ny hany nataony dia ny nivavabavaka mba tsy hidona amin’ireo trano be.

Tao anaty angidimby, nitsamboatra i Lisy, nidina tsikelikely ilay diraonina ka tsy tazan’ny masony intsony. Nankany Ambodivona? Nivily ho any Anjanahary? Sa teny Ambatomitsangana fotsiny? Sa nazerany Rabe?


69
Ary voamarina ny eritreriny, tsy ela dia tazany Rabe
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar