69

Ary voamarina ny eritreriny, tsy ela dia tazany Rabe

audio-thumbnail
IV69
0:00
/263.75

Nijery ny famataranandrony nalaky i Lisy.

Ankadifotsy. Teny Ankadifotsy ilay telozoro menamena. Ary tsy nihetsika. Vao mainka i Lisy nikoropaka. Dia nazeran’ilay diraonina tokoa ve? Tera-tsemboka sady nidobodoboka mafy ny fony. Tsy azony antoka anefa, tsy tokony hanao an’izany ireo Ohabolandoza. Tokony hafa ny fitrangan-javatra. Ary voamarina ny eritreriny, tsy ela dia tazany Rabe. Teo ambony tafo tanimanga, namikitra fandribaratra sady nanala ny fatorany. Ilay diraonina tsy hita izay nalehany, nametraka an-dRabe teo fotsiny dia dila. Tsy hain-dRabe hoe fa naninona loatra fa dia faly fotsiny izy. Tena faly. Vetivety foana anefa izany. Nahare feo nidoboka izy, nipoaka. Dia tazany. Iray tamin’ireo tranobemanakadanitra nidona-tsetroka, nivoaka afo, dia natodiny tany an-kafa ny lohany, tsy te hahita izy. Nivoaka ilay angidimby napetrany teo an-tokotanin’ilay trano nitafo tanimanga nisy an-dRabe i Lisy. Lasa kely ny sainy. Kajikajin’ireo Ohabolandoza mihitsy ny nitondra azy teo amin’ilay toerana, voadinika tsara hatramin’ny hoe tokotany malalaka azo ipetrahana angidimby, ny tompontrano koa tsy tao fa lasa niala sasatra, ny alika nanaraka ny tompony, ilay fandribaratra nahafahan-dRabe nifikitra, ny antony no tsy takatry ny sainy loatra. Efa akaiky ny Ohabolandoza.

Nefa Rabe ity toa tsy vonona mihitsy. Tafidina avy teny ambony tafo tanimanga vetivety teo ilay tovolahy, nisefosefo ravoravo nanatona an’i Lisy na dia tsy nisinda tanteraka aza ny alahelony nahita ilay tranobe potraka. Nanenoneno ny anjomaran’ny kamiaon’ny mpamonjivoina, ny ambilantsy sy ny polisy eraky ny tanàna, nivoaka teny ivelany nifampitazana sy nijery hoe misy inona ny manodidina, ny telefonina teny an-tanana, nivarahontsana ny tava. Nanontany ny antony namotsoran’ilay diraonina azy Rabe. Lany herinaratra angamba hoy i Lisy tsy te hampikoropaka azy loatra sady nosakambininy Rabe. Tampoka dia tampoka. Tsy ankiteny tsy ankivolana fa nosakambininy fotsiny. Nitaintaina fatratra izy hoe tsy hifankahita intsony. Soa fa tsy nitrosina ilay nahiany hitsingidina, soa fa tsy solafaka ilay nahiany hifotetaka, soa fa tsy potraka ilay nahiany hironjina, soa fa tsy nikodingy ilay nahiany hitsirara. Nosakambininy mafy Rabe, nakimpiny ny masony efa nanomboka mando, nohenoiny ny fidoboky ny fony tsy nahazatra azy nanambara fa tsy fitiava-namana fotsiny no tsapany ary raha tsy ambavahoana ny loza, raha tsy nihevitra izy tao anatin’ny indray nipimaso hoe maty Rabe, tsy tsapany marimarina tokoa izany fihetseham-pony izany. Tonga amin’ilay hoe ao anatin’ny mangidy no ahitana ny mamy angaha ka saika maty Rabe vao fantany fa malalany. Tsy fitiava-namana fotsiny fa fitiavana hafa mihitsy. Taitra Rabe. Tsy nampoiziny ilay fihetsika. Dia nohazoniny mafy tamin’ny sandriny koa i Lisy. Nofihininy niaraka tamin’izay ny fotoana nantenainy tsy hihetsika fa hiato mandrakizay, tsy hikisaka intsony, hifantsika eo.

Nefa azony an-tsaina hoe hifarana tsy ho ela izany rehetra izany raha tsy izy tenany, izy Rabe, no hanavotra ny tontolo. No hanavotra an’i Lisy. No hanavotra ny fitiavany.


70
Dia niketrona izy sady nangina tampoka indray saingy hehy no nasetrin’i Lisy taminy vetivety teo, mahafinaritra azy ny mihaino an-dRabe miteny variaminanana nefa miezaka kosa indraindray tsy mampifangaro teny
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar