Dia niketrona izy sady nangina tampoka indray saingy hehy no nasetrin’i Lisy taminy vetivety teo, mahafinaritra azy ny mihaino an-dRabe miteny variaminanana nefa miezaka kosa indraindray tsy mampifangaro teny
Tsy mba mikatona izany ny fiangonana aty! hoy i Lisy somary niteny mora tamin-dRabe. Na vao mangiran-dratsy io na efa alim-be, eny, na amin’izay ora tsy ampoizina, na zovy na zovy, misokatra hatrany ny varavarana ho an’izay rehetra mitady fitsaharana na toerana ialokalofana.
Notaritin’i Lisy hiakatra ny tohatry ny fiangonana anilan’ny sinibendrano teo Ankadifotsy Rabe.
Indray mitoraka na dimampolo metatra niala ilay tanànan’olona nipetrahan’ny angidimby an’i Lisy sy ny fandribaratry Rabe no nisy fiangonana. Variana Rabe nandinika ilay fidiran’ny fiarakodia nitsofoka ambany tany teo anilan’ilay tohatra ho any an-tokotanim-piangonana avy aty amin’ny arabe. Zohy fiantsonan’ny fiara, hoy i Lisy taminy, fipetrahan’ny fiara ambanin’ny tany. Efa fantatra fa hitombo ny isan’ny mpiangonana, efa tsy nisy izay tsy nahafantatra fa hitombo ny isan’ny mponina, mazava ho azy noho izany fa hitombo ny isan’ny fiarakodia ka nanapa-kevitra ny tomponandraikitra hanamboatra fiantsonana ambany tany. Vakoka itony fiangonana itony, vavolombelon’ny Tantara, izany no tsy nikitihana ny endriny, hoy i Lisy, fa rehefa mitombo ny isan’ny mpiangona, dia ny fidirana no natao betsaka, natao fohifohy tsaratsara ihany koa ny fotoana, tsy nasiana filazan-draharaha lavareny fa natao an-gazety izany, nasiana fotoana tamin’ny alina toy ny an’ny katolika moa ny batisa sy ny sisa natao andro hafa mihitsy. Misy fotoana koa aza andro hafa ho an’izay tsy afaka ny alahady. Nitraka Rabe nahare feon-java-manidina nandalo, niahiahy tampoka fandrao ilay diraonina no niverina.
Nisento izy nony nahita fa angidimbin’ny mpamonjivoina ankitelo nifanjohy nifanao aloha sy aoriana izato izy. Asa na nampandry ny sainy ny tenin’i Lisy nahita azy nikoropaka hoe ilay diraonina anie ka tsy re tsaika na vao mainka izy niahiahy hoe rehefa mangina loatra izany dia mety ilay diraonina no tamy, asa loatra fa dia nanao tsy ankihetsika teo an-tokotany teo sy nidiridiry fotsiny izy raha tsy ny tanan’i Lisy no nisintona azy hiditra tao am-piangonana. Dabilio teo afovoany nifanatrika tamin’ny alitara no nipetrahan’izy roa, teo akaikin’ny varavarampidirana havia teo amin’ny sakany. Nangingina ilay fiangonana, tsy nisy afa-tsy izy roa irery rahateo ny olona tao anatiny ary voromailala fotsifotsy vitsivitsy no nipetrapetraka teo amin’ny alitara nanaitra kely ny mason-dRabe. Nangingina ilay fiangonana, babangoana nefa nandrotsirotsy ireo nitady filaminana sy fitoniana.
Tena c’est le monde à l’envers amin’izay rehetra fantatro à propos de Madagasikara ity marina!
Hoy Rabe
Sady… en plus
Dia niato kely izy, nisy zavatra nandalo tampoka tao an-tsainy asa na noho ny fijerin’i Lisy na izy tenany fa nahitsiny ny firesany.
Sady… Sady… Sady…
Dia nanjelatra ny masony nony hitany ny teny tokony ampiasainy
Sady ambonin’izany ohatra ny amin’ny tele ireny, ohatra ny amin’ny seria, ohatra ny any andafy tafiditra ao anaty tele nefa eto ihany, développé ohatra an’i Japon na Corée du Sud nefa eto Madagasikara ihany. Je suis étonné Lisy a, très étonné mais vraiment mba marina e, tena…
Dia niketrona izy sady nangina tampoka indray saingy hehy no nasetrin’i Lisy taminy vetivety teo, mahafinaritra azy ny mihaino an-dRabe miteny variaminanana nefa miezaka kosa indraindray tsy mampifangaro teny. Dia nihomehy koa Rabe, tapa-tsinay mihitsy aza. Dia nifanojo ny mason’izy roa, dia niara-nijanona nihomehy izy roa. Tao anaty fiangonana no nifanojo voalohany ny mason’i Lisy sy Rabe, fotoana tsy hohadinoin’ity farany na rahoviana na rahoviana, dia izao nifanojo indray ny masony, tao anaty fiangonana ihany, saingy fiangonana hafa, Antananarivo hafa, Madagasikara hafa, tontolo hafa. Nifampijery izy roa, nifampidinika, nifampitsidika izay tany am-pon’ny tsirairay tany. Lisy nandady tao am-pon-dRabe moa Rabe nitsilailay tao an-tratran’i Lisy.
Revo loatra angaha izy roa, nanomboka nifanatona ny fijery, nanomboka nifampitady ny tanana, nanomboka nifanatona ny molotra, hany ka tsy henony akory hoe nisy nanokatra tsimoramora ny varavaran’ilay fiangonana.
