71 (Injàny àry ny Ohabolandoza)

Dia mba niherika koa Rabe, nitodika niadana dia niadana toy ireny amin’ny sarimihetsika atao midanesaka ireny mba ahitana tsara izay tena fandehany

audio-thumbnail
IV71
0:00
/208

ANDEHA HIFANOROKA MIHITSY IZY ROA no nisy tsio-drivotra nitsoka nampiherika tampoka an’i Lisy ka maina teo fotsiny ny molotry Rabe mandimandina efa nanantena paradisa an-tany velom-pinaritra aoka izany.

Vaky afero izy nahita an’i Lisy nihemotra tampoka, menatra, tsy nahita izay nasiana ny tenany ary raha tsy nahita an’i Lisy nivandravandra tany aoriana, hendratra izaitsizy angamba asa fotsiny, niempo teo ny fony, nitsonika tsy nisy azo noraisiny toy ny gilasy tratra masoandro midanika loatra mampigogo zaza tsy hay atao na inona na inona. Dia mba niherika koa Rabe, nitodika niadana dia niadana toy ireny amin’ny sarimihetsika atao midanesaka ireny mba ahitana tsara izay tena fandehany, mba ho araka ny maso ny zava-mitranga mandeha haingana loatra raha tsy natao an’izay. Na ny sokatra aza angamba mbola dary noho ny fitodiky Rabe tamin’io fotoana io. Tsy te hahita izy tsinona ny tena marina, tsy te hahalala akory izay tao aoriany tao vato nisakana ny oroka efa mby niolotra.

Fa tsy maintsy nitodika ihany izy na izany aza dia indro tazany lehilahy lehibe iray. Sahabo fitopolo taona ilay antidahy vao sendran’ny maso nefa rehefa dinihana mety ho dimampolo taona teo nefa indray raha hiverenana jerena toa efa zato taona mahery mihitsy. Tsy hay intsony izay taonan’ilay antidahy, ny endriny hita hoe efa antitra, tsy dia nalama intsony ny hoditavany fa voafendrotra toy ny lamba tsy voapasoka tsara ary ny volony izay tsy saron’ny satrony efa fotsy avokoa kanefa ny masony, mbola tanora dia tanora toa mason-jaza bodo be sangy mihoatra ny loha. Nandroso tsy taitra ilay antidahy tsy fanta-taona, niady loko tamin’ny lobaka landiny ilay karipetra nitsahany. Samy mena midorehitra. Babantany ny fiakanjony, nianjaika fatratra toy ireny hamonjy alimpandihizana makotrokotroka na Lanonan’ny Oscar any Los Angeles ireny. Fotsy manjopiaka ny palitaony, mainty velondrirana ny patalohany, ny kirarony, Richelieu nangirana dia nangirana toy tsy mba nahalala akory ny fisian’izany vovoka sy lotoloto izany. Ny nahataitra an-dRabe dia toa tranainy dia tranainy ireto fitafiana rehefa tena nandinika izy. Tsy naloto, tsy drodroka fa tranainy fotsiny sahala ireny fiarakodia lasa vakoka ireny ka na dia efa zokinjokiny aza tsy lany manja na rahoviana ary izany indrindra aza no voa mainka maha lafatra sy lafo vidy azy. Toy ny divay ihany koa, antitra vao mainka mampilela-molotra. Nony teo anilan’ny dabilio nisy an’izy roa ilay rangahy dia nitsipalotra tany amin’i Lisy ny mason-dRabe.

Akory ny hatarainy, tsy teo intsony i Lisy, tsy hita izay nanjavonany nefa ilay Ohabolandoza ity efa nipetraka teo anilany.


72
Nitsipalotra tany amin’ny polipitra dia nitalaho tany amin’i Lisy nanara-maso ireo voromailala nanidina izy ka nibitaka kely nahita an’i Lisy hoe mbola tao fa tsy hoe nipitsika tsy akory
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar