Nitsipalotra tany amin’ny polipitra dia nitalaho tany amin’i Lisy nanara-maso ireo voromailala nanidina izy ka nibitaka kely nahita an’i Lisy hoe mbola tao fa tsy hoe nipitsika tsy akory
Nitaintaina izaitsizy i Lisy teny ambony rihan’ilay fiangonana nibanjina an’ilay rangahy nipetraka, tsy taitra tsy rototra, teo anilan-dRabe.
Na dia efa nafaran’Ilaijao aza i Lisy hoe olona avy any amin’ny tontolo mirazotra ankilany ihany no afaka mifanandrina amin’ny Ohabolandoza, ny fony te hanampy mafy saingy tsy afaka tsotra izao. Ny hany nataony, nandrandrana ny volony, nanao tananivoho, niezaka nanao tananivoho. Fahazaran’i Lisy hatry ny kely io mandrandram-bolo io rehefa tsy avelan’ny rainy manao zavatra tsapany fa tokony ataony izy. Toy ilay indray mandeha, tamin’izy vao efa-taona, tsy navelan-drainy nihani-kazo fa natahotra ny rainy sao ho solafaka ka ho very anaka izy efa very vady. Tsy nanaiky i Lisy, nikiakiaka, nitomany, nisintom-bolo. Tsy nilefitra mihitsy ny rainy, dia tany amin’ny volony no nanalan’i Lisy ny fony sady nifantohany. Nony varimbariana anefa ity farany, niverina teo amin’ilay hazo i Lisy, dia niakatra irery, dia tsy hoe tsy nianjera i Lisy. Nianjera izy, naratra, naratra kely. Tazan’ny rainy izy niarina, tsinjon’ny rainy tamin’izay ny toetrany, baibo, mafy loha, toy ny reniny tamin’ny fahavelony ihany, tsy mba mihemotra izany na inon-kidona na inon-kitranga koa ny fahatsapan’ny rainy azy, izany no nahafantarany fa herim-po very maina fotsiny ny hanakana an-janany amin’ny hevitra ijoroany koa navelany taty aoriana rehefa hitany fa rariny ary rehefa hitany fa nahay nitaky fa tsy nanao be loha fotsiny toy ny tamin’izy efa-taona. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa tsy afaka nanampy an-dRabe i Lisy na nandeha mbamin’ny lohany aza, nampijaly ny fony izany fa akory atao.
Dia nitazam-potsiny fotsiny izy, somokotra nandrandrana ny volony. Nangovitra ny lohaliky Rabe. Fantany hoe Ohabolandoza ny teo anilany. Tsapany avy hatrany. Tsy hitany izay natao afa-tsy ny nanatrika ny alitara, nitalaho ka nitalaho, nivavabavaka nangata-maso ilay hazo fijaliana nijoro gina niahy izay nino teny anoloana nampahatsiahy lalandava ny sorona nataony roa arivo taona lasa teo ho eo. Nakombony teo anoloana ny tanany roa, avy eo nataony teo amin’ny lohaliny hanakana azy tsy hangovitra, avy eo teo am-bavany. Kofona izy. Nidofaka loatra ny ranomanitr’ilay rangahy. Fofon’inona loatra angaha izany, tsy azony an-tsaina, fofom-boninkazo no nanakaiky azy nefa toa nanimbolo fofom-paty ihany koa izy. Tsy nanao afa-tsy ny nampihombo ny horohorony efa tsy hita izay nanaovany azy izany.
Nipelipelika am-pitoerana i Lisy teny ambony rihana, efa ho vita ny tananivohony ary tsy niala tany amin-dRabe sy ilay antidahy tsy fanta-taona ny masony. Navotsony ny volony nony hitany fa nitsangana ilay rangahy. Tazany nitsamboatra kely Rabe tsy nahazo veroka izay antony nitsanganan’ity rangahy be ranomanitra ity. Narahan’i Lisy maso ka hatreny amin’ny alitara toy ny olona hanambady nilantolanto famindra izato izy. Nanidina niparitaka ireo voromailala, ny sasany tsy hita izay nalehany, ny sasany nipetraka teo anilan’i Lisy gagagaga nandinika an’ilay rangahy nanakotaba ny filaminany niakatra tsy rototra teny ambony polipitra. Notsipindiany ilay mikro. Nidobodoboka kely, nigiaka, nandeha tsara.
Isa! Isa!
Naverimberiny indroa intelo, naninefatra farany dia nikakakaka izy. Nanakoako eraky ny fiangonana ny hehiny ary tazan-dRabe ireo nifiny, mbola teo avokoa, tsy nisy nihintsana na ny singa aza, dia lasa saina indray izy hoe firy taona marina àry ity rangahy gaigy ity. Toy ny tsapan’ilay Ohabolandoza fa nibanjina azy Rabe dia naatony tampoka ny kakakakany dia nobanjininy ihany koa Rabe. Navilin’ity farany haingana ny fijeriny.
Fantatrao moa Rabe hoe (nitranga lela izy) inona izany atao hoe ankamantatra izany?
Tsy nampozin-dRabe ilay fanontaniana. Nitsipalotra tany amin’ny polipitra dia nitalaho tany amin’i Lisy nanara-maso ireo voromailala nanidina izy ka nibitaka kely nahita an’i Lisy hoe mbola tao fa tsy hoe nipitsika tsy akory. Inona no hataoko hoy ny baiko moanan-dRabe tamin’i Lisy. Novalian’ity farany tamin’ny baiko moana ihany koa hoe valio valio. Dia nahetsiny ny lohany.
Inona àry izany, enjehi-mandositra, andosira-manenjika? Aloka. Inona àry izany, hano aho hihinanako anao? Sakay. Inona àry izany, tsofina maty, tsofina velona? Afo… Mbola fantatrao marina hoe inona izany ankamantatra izany.
Notsindrian’ilay antidahy tsy fanta-taona tsara ilay teny hoe mbola. Dia narahiny eso nanindrona ny fon-dRabe. Voadona ihany ny hambompony, tsy hainy, tsy te hanaiky fa efa very any amparakatsakatsaka ny fomba fanao fahiny, eny, hatramin’ireo kilalaon-tsaina aza mihavery andro aman’alina. Tamin’i Lisy nitsikilo an-dRabe taloha kelin’ny Farandro dia tsaroiny tsara fa rehefa misy resaka hoe Ntaolo nifanaovan’ireo mpiara-mianatra taminy teny an-tokotany rehefa nirava iny, dia saika zava-dratsy sy hoe lany andro hatrany no resaka mivoaka. Nihevitra mihitsy aza moa ireto ankizy hoe tsy nipataloha, tsy nanao mozika, tsy nahay nanoratra sy namaky teny, tsy nisy fahendrena amam-pahaizana akory ny olona taloha raha tsy tonga ny fanjanahantany. Nanamarika azy manokana ilay ankizilahy nitratrevatreva avo vava nanao hoe:
Raha mitahy tokoa ny Razana, nahoana no sous-développés sy pauvres kely ohatra izao isika e?
Dia niaiky avokoa ireo namany hoe izany mihitsy. I Lisy kosa tamin’izay tafateny hoe izany moa no fihevitrareo aiza ny Razana no hitahy anareo, aiza ianareo no tsy hikororosy fahana, na ny Andriamanitra nentin’ny Tandrefana taty aminareo lasa zary fahazarana fotsiny fa tsy iainanareo amin’ny andavanandro ny fahendreny. Vandana ivoho fotsiny ianareo, mivavaka alahady, alatsinainy mangalatra akoho, nirindra kokoa ny fiarahamonina, niadam-pinaritra sady nandroso kokoa raha tena nanaraka izany ianareo toy ny nataon’ireo teo aloha. Ny fahendren’ny Ntaolo nofikirina, ny fivavahana nentin’ny Tandrefana tsy nariany. Jereo ny sary, vakio ny tantara fa nilamina lavitra ny taloha noho ny amin’izao, nadio sady nahay kokoa ny mponina, maro dia maro ny olomanga, izay marihako fa tsy maintsy olo-marina foana fa diso ilay fomba fiteny hoe “Tsy lany olomanga Madagasikara fa lany olo-marina.” Tsy gaga aho raha hifarana ny andronareo. Nidanaka fotsiny ireto ankizy tsy nahazo na inona na inona ny tenin’ilay tovovavy. Nanongo tena avy hatrany i Lisy. Dia lasa nitsoaka. Sady tsy tokony niresaka toy izany tamin’ny olon’ilay tontolo mirazotra taminy izy afa-tsy Rabe irery ihany no tsy tokony nentim-po sy nitsara toy izany satria fantany fa noho ny tsifahalalalana ny tantara no mahatonga an’ireto ankizy nihevidravina sy tsy dia lalintsalosina toy izany.
Ny boky rahateo efa zara raha nisy, ny tranomboky nihidy tsikelikely, izay sisa boky efa lanin’ny vovoka tsy dia noraharahian’ny tomponandraikitra nifandimby fa ny nanao ankilabao sy ambanin-javatra azy mihitsy aza no nifanosehana moa ny olon-dehibe zoky, raiamandreny tokony hampianatra an’izany tsy manao afa-tsy ny mandatsa an’ireo zandry sy zanaka sendra nandiso na tsy nahay. Nihomehezan’ilay ankizilahy iray izy sady nampiany hoe adala iny, dia nanaraka azy nihomehy koa ireo namany no nanaraby an’i Lisy efa lasa lavitra.
Ary moa hainao Rabe izany ankifidy?
Nisokatra nanao boribory be ny mason’ilay Ohabolandoza nidiridiry tany amin-dRabe toy ny saka hisambo-boalavo tapi-dalan-kaleha vao vita ny fanontaniany. Fantany tsara hoe tsy hain-dRabe izany atao hoe ankifidy izany. Te hivazavaza i Lisy tafatsangana mihitsy, te hiteny hoe ahoana àry no hahaizany an’izany, te hidradradradra hoe mba tsy rariny kosa izany fa ny any amin-dry zareo anie ny sekoly ka tsy mba mampianatra an’izany intsony, tsy ao anaty fandaharampianarana akory àry izany moa ny tele izay sisa nantenaina tokony hanabe voho, nahakivy an’i Lisy.
Taloha ny tele iray ihany, dia ny telem-panjakana izany, nefa, na tsy lafatra aza, voafantina tsara ny fandaharana nalefany, nanabe voho lavitra noho ny telen-dry zareo amin’izao izay maro dia maro nefa, indrisy…
Izany no tenin’ilay mpanofana an’i Lisy talohan’ny niampitany tany amin’ilay tontolo mirazotra. Ramatoa botabota nanao solomaso matevim-be izay no nanofana an’i Lisy hahafantatra ny tantaran’ilay Madagasikara iray hafa, nanomana anazy mba tsy ho very mandeha, hahalala ny lasa mba hahazo tsara ny ankehitriny.
Ireo milaza ny tenany ho mpandala ny fomba, ny riba sy ny kolontsaina indray, miady an-trano ka vao mainka mahakivy ny olona, mandranitra fankahalana ireo tsy mitovy hevitra aminy, vahiny, mampiady kokoa noho ny manambatra toy ny ankabeazan’ny fiangonana. Saingy tsy toy izany hatrizay kosa anefa, fa taty aoriana vao tena nirongatra izany rehefa niha nahazo vahana ireo Ohabolandoza.
Maro ny zavatra noresahan’ilay mpanofana tamin’i Lisy fa hafa ilay mahare, maka sary an-tsaina, ary hafa mihitsy ilay mahita sy miaina izany firenena tsy mandala intsony ny maha izy azy izany, manadino ny tantarany, tsy miraharaha ny bokiny, tsy manabe voho ny vahoaka entiny, tsy mitsinjo na ny lasany, na ny hoaviny, na ny ankehitrininy. Sarotra tamin’i Lisy ny nahazaka izany tamin’ny voalohany, toy ireny mpizahatany ireny ihany izy, nahare resaka fa te hifikitra kokoa amin’ny hatsaran’ilay Madagasikara hitany tamin’ny sary ary mbola tao ilay hatsarana, mbola tao mihitsy saingy honena nanoloana ny zavatra hitan’ny masony. Nosy tsara dia tsara, namoaka olomanga maro dia maro kinanjo…
Dia nangina fotsiny no azon’i Lisy natao, niverina nipetraka teo ambony dabilio. Rabe nangata-maso, tsy nahita navaly, ilay ankifidy efa henony ihany fa tsy tsaroany hoe taiza moa izany. Ny fitadidiany rahateo efa voafafa. Fantatr’ilay Ohabolandoza tsara izany. Anisan’ny vaindohandraharahany rahateo ny naningotra ny kolontsainy sy ny tontolon’ny boky tao aminy ary ny fitadidian’ny mponina. Fantany loatra fa ny firenena mandroso indrindra eran-tany dia tsy iza fa ny firenena mamaky sy mamokatra boky indrindra ihany koa ary ny firenena gisitra indrindra dia tsy iza fa ny firenena tsy mamaky boky sy tsy mamokatra boky indrindra. Fantany loatra izany. Namafa ny tantara ihany koa ny Ohabolandoza, nanoro vohony ny tomponandraikitra tsy hahafahan’ny olona haka lesona ny tantara ka hamerenany hatrany hatrany ny hadisoany, tsy ankijanona, tsy hisy fiafarana. Nibitabitaka teny ambony polipitra ilay Ohabolandoza. Nidobodoboka mafy ny fon-dRabe ary niezaka mafy izy hampitony ny fony tsy hidobodoboka toy ny omby zato arivo miara-mirona, miara-migodongodona miditra am-piangonana.
Izao indray àry e
Sady namboariny kely ny palitaony
Ity misy kilalao kely, karazana ankamantatra, saingy amin’ny endriny hafa, raha tsy mahavaly ny marina ianao dia...
Tonga hatrany amin’ny sofin’ilay Ohabolandoza ny fitsikiny, Rabe tera-tsemboka tsy nahatombintsiraka teo ambony dabilio, i Lisy romotra tsy afa-nanampy, voatery nitazam-potsiny.
