73

Fito mianadahy ny zanakao. Samy niteraka roa avy. Ny fanontaniako  dia ity: inona no ataonao raha tianao hikorontana ny zanakao sy ny taranakao?

audio-thumbnail
IV73
0:00
/590

Napoakan’ilay Ohabolandoza ny taolan’ny rantsantanany, nandihy kely teo ambony polipitra izy dia niteny tamin’ny mikro:

Indro àry ilay kilalao: tremalahy ianao, mifalia! Omby 1 637 be izao no anananao, omby tsara tarehy avokoa, matanjaka tsara avokoa sady vaventy rahateo no miaina am-pilaminana eny amina tanety omban’ahitra ombam-bilona tsy taka-maso ny velarany, hekitara tsy hekitara. Niadam-pinaritra ianao sy ny zanakao, niaina nirindra ianao sy ny mpiarabelona aminao. Saingy izao, tonga ny andronao.

Nisokaka ny vavan’ilay Ohabolandoza, nitsiky ratsy sady nokopahany kely ny palitaony dia nitabataba tampoka izy nanohy hoe:

Maty ianao!

Niontana ny fon-dRabe, nigiaka ilay fanamafisampeo, badenina ny sofin’i Lisy.

Ho fanomezam-boninahitra anao, araka ny fombanareo tsy tsaroanareo intsony hoe oviana no nanomboka ary inona no mba tena antony, dia tsy maintsy vonoina avokoa ny antsasaky ny ombinao rehefa maty ianao. Roa lahy sy telo vavy ny zanakao. Hadinonao ny nanao didimpananana. Tsy te hanao mihitsy moa izany ianao e! Niteraka moa ireo omby ka nitombo isa ihany saingy tamy koa ny dorotanety, tsy ankijanona isan-taona isan-taona, nihena ny ahitra, tonga koa ny aretina maro samihafa, ny jirika mpanao tontakely antsoinareo hoe dahalo moa tsy resahana intsony. Niteraka koa ireo zanakao, ka nahatratra dimy amby folo ny zafikelinao. Ny fanontaniako dia ity: firy ny omby sisa tavela ho an’ny zafinkitrokelinao?

Inona àry izany kilalaon’ity rangahy ity izany hoy Rabe anakampony sady very hevitra tanteraka izy niezaka nanao kajy ankandrina ihany na fantampantany hoe tsy ho tonga amina tarehimarika iray mazava na rahoviana raha ny lazaadina azony. Ny hany lofo nangoniny niatrehana ilay kilalao hafahafa dia ny tonga dia namaly fotsiny nanao hoe:

Tsisy valiny akory izany fanontanianao izany, amin’ny fomba ahoana kosa, je ne suis pas devin hein, izay mety ho isan’ny omby any amin’ny zafin-tsy haiko any. Mety ho maro, mety ho vitsy, mety ho zéro. Ça dépend hoe nahay nifanaraka ve ny zanako na dia tsy namela testament aza izaho, dia avy eo ni- entretenir tsara ny héritage ve ry zareo sa nanao la vie tao fotsiny dia tsy nanao testament koa. En plus, nisy feux de brousse, dahalo et tout ça… Nefa si j’étais à sa place, tsy nampamono omby maro be toa izany aho, nofoanako mihitsy aza izay fomba izay fa izay omby suffisant hamoky ny iray tanàna sy ireo mpamangy ihany no nafarako hovonoina. Namela testament koa aho, évidahoazy!

Hentitra ny firesaky Rabe, natoky tena tampoka, variana i Lisy, ilay Ohabolandoza nifantoka, tsy namaly fa nandinika an-dRabe segondra maromaro dia niteny tsy rototra hatrany:

Manana trano ianao. Trano iray tokana monja fa lehibe kosa. 27 no isan’ny efitranonao ary roa be izao ny rihana. Tsy dia tena malalaka be toa inona ny tokotany fa omby fiara maromaro kosa ary antonona olona maro raha hanaovana lanonana tsindraindray. Manao didimpananana ianao. Fito mianadahy ny zanakao. Samy niteraka roa avy. Ny fanontaniako  dia ity: inona no ataonao raha tianao hikorontana ny zanakao sy ny taranakao?

Nisokatra ny vavany, nitsiky nampatahotra.

Tsy hitan-dRabe izay navaly, nitanondrika i Lisy, tsaroany ilay mpanofana niteny taminy fa anisan’ny mampisara-bazana ny fianakaviana ao amin’ilay Madagasikaran-dry zareo ao dia ny resaka ady lova. Rangory fototry ny afo mampiady ny mpianakavy io ary misy tsy mifampiditra an-trano sy tsy mifandevi-maty mihitsy aza noho izany. Maro dia maro ireo nifampitory teny amin’ny tiribonaly ary ho an’ireo izay tsy tonga hatrany, tsy nidika velively izany hoe nilamina tsy nisy raorao.

Nanotany i Lisy hoe inona no mahatonga izany.

Namafa ny solomasony ilay ramatoa mpanofana, nieritreritra kely, avy eo novaliana hoe resaka lalàna no tena mila amboarina, lalàna mikasika ny fizaram-pananana, niaro kokoa ny mpianakavy tsy hifandramatra, ny lalàna mikasika ny vakoka ihany koa mila mifamatotra amin’izay, ny fiantraikan’izany mantsy tonga hatrany amin’ny resaka lovam-pirenena mihitsy satria ny endrika sy ny tantaran’ny tanàna mihitsy no voa, maro ireo trano tranainy tsy voakarakara, nirodana, simba am-pitoerana noho izany ady lova izany.

Saika hiteny zavatra Rabe, tafatsangana mihitsy no notapahan’ilay Ohabolandoza avy hatrany ny teniny:

Tsaroan’ialahy ilay sotro sy forosetin’ny beben’ialahy tsy navelan’ny renin’ialahy nokitihana?

Niverina tampoka tao an-dohan-dRabe ilay izy sy ny reniny nisakafo tao an-dakozia, ilay izy nitaraina taminy hoe fa maninona no tsy azony nampiasaina, ilay valiny boraingina nomen’ny reniny azy, tsy nitombina loatra akory. Maro dia maro ny entana nipetra-potsiny tao an-tranony tsy navela nampiasainy, tsy navela nampiasain’ny hafa, na ny namana na ny havana ary tsy nomena olona mety nila azy kokoa akory fa lanin’ny vovoka sy simba fotsiny ny farany. Ankona Rabe, toa tadidiny. Nanomboka nazavazava taminy ny tian’ilay Ohabolandoza ahatongavana na tsy dia azony tanteraka aza. Ity farany tamin’izay nidiny avy teny ambony polipitra, nijanona elaela teo ambony alitara nitranga lela ilay hazo fijaliana, dia avy eo namakivaky ny dabilio, nanaraka ilay karipetra nidirany teo ihany izay vao niakatra tany ambony rihana, narahin’i Lisy maso avy eny ampita nanatona ilay orgam-piangonana nifanatrika tamin-dRabe, izay efa nitsangana nankeny amin’ny alitara nahafahany nanara-maso ny lalan-kalehan’ilay Ohabolandoza. Tsy nisy pentina ilay orga, tsara kolokolo ary nadio ny kitendriny. Toy ny hoe hitendry darona mampihetsim-po ireny ery ilay Ohabolandoza kinanjo naoty iray tokana monja no nopotseriny.

Beso ilay naoty. Mi nanala ny fanginana tao amin’ilay fiangonana, Mi saika nahafinaritra an-dRabe raha tsy nihoron-koditra ny endriny nahita an’ilay orga niofo tampoka toy ireny orga tsy nisy nampiasa sy tsy nisy nikarakara aman- taonany ireny. Simba ilay orga vao nokitihan’ilay Ohabolandoza tamin’ny rantsan-tanany ary nipimaso an-dRabe izy sady nihogahoga nanao hoe:

Aza manao horirik’Ambohipeno ka aleo ho lo toy izay ho an-kavana e! Ny namako kosa miantso anahy hoe Raleo! Sa tsy izany ry namako isany?

Dia nivanitika izy sady natsipiny teny an-tongotry Rabe ilay gantanana nesoriny talohan’ny nikitihany an’ilay orga. Azon’i Lisy an-tsaina avy hatrany hoe izay zavatra kitihany amin’ny rantsany tsy nisy gantanana dia lo avokoa. Nijery an-dRabe izy, niraikitra tany amin’ilay gantanana tamin’ny gorodona fotsiny ny mason’ity farany nahazo an-tsaina avy hatrany ny loza hahazo izay sendra ny rantsantanan-dRaleo. Nanidina ihany koa ny gantanana ilany, nifotetaka teny amin’ny karipetra teo afovoam-piangonana. Nampandihizin-dRaleo teo anoloany ny rantsan-tanany lavalava kaozatina. Nisefosefo Rabe, navonkiny ny totohondriny, nijery an’i Lisy, samy nahazo an-tsaina fa manomboka ny farany, ho rava tanteraka ity tontolo ity raha tsy Rabe no hanakana azy. Tsapany ny andraikitra goavana loatra niantsorohany.

Niverina nijery an-dRaleo teny amin’ilay orga efa nitsonika niraradraraka tamin’ny tany Rabe nony avy eo. Efa tsy teo intsony izato izy.

Nanjavona.


74
Tsy nisy mpivarotra teny amoron-dalana ary lasa saina Rabe hoe marina tokoa ve ilay teny hoe raha tsy nisy ny mpividy tsy nivarotra teny akory ny mpivarotra ary raha nisy ny tsena voatokana arifomba nahazatra ny mpividy tsy nivoaka nankeny amoron-dalana akory ny mpivarotra
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar