74

Tsy nisy mpivarotra teny amoron-dalana ary lasa saina Rabe hoe marina tokoa ve ilay teny hoe raha tsy nisy ny mpividy tsy nivarotra teny akory ny mpivarotra ary raha nisy ny tsena voatokana arifomba nahazatra ny mpividy tsy nivoaka nankeny amoron-dalana akory ny mpivarotra.

audio-thumbnail
IV74
0:00
/377.5

Nitaditady an-dRaleo eraky ny fiangonana izy roa, tsy tao.

Eraky ny tokotany, tsy tany. Nivoaka nankany amin’ny arabe, mbola tsy tany ihany koa. Efa saika nilavolefona Rabe, nanongo-bolo very hevitra no nisy mpandalo iray izay, tovolahy namoy ny bisikiletany tsy maika hamonjy izay tany tokony nalehany nahita an’izy roa nipenimpenina dia nijanona ka nikonesa nanatona nanontany raha nisy azo nanampiana. Nisaotra azy i Lisy nahafoy fotoana, nanontany ny fahasalamany, ny vaovao any amin’ny havany aman-tsakaiza, nifanakalo laharan-telefonina, izay no vita, dia anjaran’i Lisy indray ny namaly ny fanontanian’ilay tovolahy nikasika ny fahasalamany, ny havana aman-tsakaizany, efa nila tsy hahandry tantana intsony Rabe vao tonga tamin’ilay votoatiny ilay resaka. Nanondro ny fidinana avy hatrany ilay tovolahy vao reny ilay fanontaniana. Nisaotra i Lisy, nitso-drano ilay tovolahy dia nisosososo izy roa namonjy an’Ambatomitsangana tsy nisy hataka andro hanenjika an-dRaleo. Nony tonga teny amin’ny sampanan’i Ambatomitsangana sy Ankaditapaka izy roa, teo amin’ilay tobindasantsy dia akory ny hatarain-dRabe nahita ilay tetezana nampitohy an’Ambondrona sy Ankadifotsy nifamezivezen’ny fiarakodia teo ambany masony.

Karazana tetezana mihantona toy ny Golden Gate Bridge menamena an’i San Fransisco na toy ilay Tetezan’i Kamoro maintimainty namboarin’ny orinasa Leinekugel tamin’ny 1934 no nirijarija teo anoloany. Vetivety anefa dia tsy tsaroany intsony izay hagagany izay rehefa notairin’i Lisy kely izy fa nisy Ohabolandoza nila nokarohany anie.

Nanontany ilay mpampidin-tsolika teo akaiky teo i Lisy. Namafa hatsembohana kely teo amin’ny handriny ity farany sady nitsako ny siligomany ihany no namaly hoe tsy nahita. Taitra kely Rabe fa tsy nahare fofon-dasantsy izy na ny kely aza ka nodinihany ilay zavatra nampidinin’ilay mpampidin-tsolika teo amin’ny tepan’ilay fiara volomparasy niantsona teo anoloany. Tsy lasantsy no narotsany fa herinanatra. Tobinkerinaratra izato izy fa tsy tobindasantsy. Tsy nahare fofon-dasantsy Rabe fa nahare fofona hafa kosa. Fofona nampiketrona azy, fofona tsy nankafiziny, fofona fantany loatra, fofom-boninkazo hafahafa, fofon-dranomanitra nanaronan-dRaleo ny tena fofony. Gagagaga ilay mpampidin-kerinaratra nahita anazy nampiakatra orona niala ilay tobinkerinaritra. Nesoriny avy tao am-bavany ny siligomany, nariany teo amin’ilay fanariampako teo akaikin’ny tongony, naveriny ilay karabanky nomen’ilay mpamily fiara anazy dia nitsiky izy nahita an’i Lisy nanaraka avy tao aoriana tsy dia nahazo loatra hoe inona ity ataon-dRabe.

Nidina ilay tohatra teo anilan’ilay tetezana nihantona izy roa, nitsororoka nankany Behoririka. Namikiviky. Nony tafidina dia velom-panantenana Rabe sady nanazava an’i Lisy hoe efa akaiky Raleo satria nihanahery ilay fofona. Fiantsonampiarakodia nidadasika no teo an-tongotr’ilay tohatohabato ary kianja ana basikety maromaro nifono fefy vy karakara no teo anilany. Tsy nisy mpivarotra teny amoron-dalana ary lasa saina Rabe hoe marina tokoa ve ilay teny hoe raha tsy nisy ny mpividy tsy nivarotra teny akory ny mpivarotra ary raha nisy ny tsena voatokana arifomba nahazatra ny mpividy tsy nivoaka nankeny amoron-dalana akory ny mpivarotra. Tamin’ny Facebook hatrany izany resaka izany no novakiany, toa feno fahendrena ihany ao amin’ny Facebook ao raha ny fahitan-dRabe azy.

Nisy nanontany ilay olona hoe fa ianao miteny io izany tsy mba mividy amin’ireny mpivarotra an-dalam-be ireny dia tsy hitan-dRabe intsony izay tohiny tao fa naneno ny telefoniny, nahazo hafatra manokana izy. Nihanahery hatrany ilay fofona rehefa tafavoaka ilay fiantsonampiarakodia izy roa ary teo amin’ny fiholanana iray, raha azon-dRabe antoka hoe ao ambadika kely ao Raleo, raha efa vonon-kiantsampy mihitsy izy no akory ny hadisoam-panantenany. Lehilahy tanora be volombava nisolomaso efamira mpivarotra voninkazo mandehandeha no indro saika niantsampazany. Soa fa voatazon’i Lisy ny tanany raha tsy izany voahosiny tamin’ny tany teo ilay tovolahy be volom-bava hipisitera, na hipia moderna izay tsy afa-tsiky ny endriny. Ketraka Rabe, kivy, rera-po, rera-tsaina nijery an’i Lisy, very hevitra indray ny endriny iray manontolo. Nipetraka tamin’ny tany izy sady nitaraina nangetaheta. Tsy lavitra teo, nisy mpivarotra gilasy. Notaritaritin’i Lisy nankeny Rabe, dia novidianany iray. Lavanilina sy kioy no nalainy ary tsy naka iray manokana ho azy i Lisy fa nitsaingoka kosa ny an-dRabe no nataony. Nahafinaritra ity farany ny nahita an’i Lisy nizara gilasy taminy. Vaky hehy ilay ramatoa kely maso nivarotra gilasy nahita azy roa nisangy gilasy toy ny zaza nifanarakaraka.

Namoaka kanovo avy tao anaty kitapony i Lisy nony avy eo, niampita arabe, nanatona paompy, nameno ny kanovony, nanidy ilay paompy, nitodika tany amin-dRabe saika namarana indraim-bava ny fara-gilasiny no niato kely nahita tovolahy nanatona ilay fivarotana gilasy.


75
Tsy rony tsy ventiny teo, natsipin’ilay tovolahy kasikasy nalaky tany amin-dRabe ny gantanany sady niarahaba mpianatra nandalo izy
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar