Tsy rony tsy ventiny teo, natsipin’ilay tovolahy kasikasy nalaky tany amin-dRabe ny gantanany sady niarahaba mpianatra nandalo izy
Nanifinify ilay tovolahy, kasikasy fatratra nanao jinina manga sy tisaoritra nanara-batana nisy soratsoratra nangirana ary solomaso mainty.
Efa nanala gantanana izato izy vao taitra Rabe. Nangirana ny kavin’ilany ary tsy nifankaiza tamin’ny fijerin-dRaleo ny fijeriny. Samy gaigy, samy feno sangy ratsy. Ohabolandoza iray no nokarohany ka Ohabolandoza hafa tsy nampoizina tsy fantatra hatramin’ny fisiany no nifanehatra. Tsy rony tsy ventiny teo, natsipin’ilay tovolahy kasikasy nalaky tany amin-dRabe ny gantanany sady niarahaba mpianatra nandalo izy. Votsotra ny gilasin-dRabe nodonin’ilay gan-tanana, niraraka tamin’ny tany. Nivarahontsana ny fon-dRabe nahita ny tanan’ilay Ohabolandoza nandray ny tanan’ilay mpianatra. Hitsonika, ho lo, tsy hisy azo horaisina intsony ity mpianatra. Nakimpin-dRabe ny masony.
Tsy nitranga anefa izany.
Lasa toy ny tsy naninona ilay mpianatra, namoaka tsy taitra tavoahangy plasitika avy tao amin’ny kitapo nobabeny, dia nisotro rano. Tsy azon-dRabe loatra hoe fa nahoana no tsy lo ilay mpianatra. Nijery an’ilay Ohabolandoza izy, dia nijery an’ilay mpianatra namarana ny ranony, dia niverina nijery ilay Ohabolandoza nitsiky taminy sady nanondro molotra ilay mpianatra.
Nitodika haingana Rabe. Azony avy hatrany hoe fa nahoana no tsy lo ilay mpianatra ary azony avy hatrany hoe misy karazany ny Ohabolandoza fa tsy iray ihany. Nony lanin’ilay mpianatra mantsy ilay tavoahangy pilasitika nisy ny ranony dia tsy nariany tao amin’ilay fanariampako tsy lavitra azy teo ilay tavoahangy na naveriny tao an-kitapony fa natsipiny tamin’ny tany. Taitra avokoa ny manodidina, tsy mba misy izany manary fako amin’ny tany izany manko amin’ity Madagasikara iray ity fa madio mangatsakatsaka ny tanàna ary mahalala madio noho izany ny mponiny. Namoaka taratasy avy tao am-paosiny ilay Ohabolandoza—karazana petadrindrina—dia nosarihiny ny mason-dRabe handinika izany. Kisarisarin-javatra maromaro nisy ny anarany tsirairay avy sy tsipika nanondro tarehimarika no teo amin’ilay petadrindrina. Nony voavakin-dRabe ilay izy dia natsipin’ilay Ohabolandoza avy hatrany. Mbola tsy nahahetsika Rabe, tsy hitany loatra izay hatao, notsakotsakoin’ny atidohany ilay kisarisary tamin’ilay peta-drindrina.
Taratasy ➡️ 3 volana
Hodi-boankazo ➡️ 6 volana
Gazety ➡️ 1 taona
Vodin-tsigara ➡️ 2 taona
Siligoma ➡️ 5 taona
Kanety ➡️ 10 ka hatramin’ny 100 taona
Plasitika ➡️ 100 ka hatramin’ny 1 000 taona
Karabanky ➡️ 1 000 taona
Vera ➡️ 4 000 taona
Tsaroan-dRabe ireo karazam-pako aman-tsase plasitika nameno sy nandoto ny Farihin’i Anosin’ilay Antananarivony tamin’izy roa nitsoboka tao. Firifiry ny tavoahangy vera tao anatin’ilay farihy? Teny rehetra teny? Firifiry ny sase nanentsina izay tatatra teny rehetra teny? Ny vodin-tsigara nameno ny arabe zara raha voafafa? Ny siligoma tany ambany seza sy latabatra sy faladian-kirarao rehetra tany? Ramatoa lehibe nitafy lamba, nandoko volo mavo kely no namerina ny sain-dRabe. Niteny mora ilay mpianatra izy niangavy azy hitsimpona ilay tavoahangy nariany teo afovoan-dalana. Nanatona azy ilay mpianatra, nitsiky, nandray ny tanany dia teo no ho eo ihany dia natsipin’ilay ramatoa lehibe tamin’ny tany ny lamba notafiany. Nanary lamba izy. Nitodika tany amin’ilay Ohabolandoza kasikasy avy hatrany ny mason-dRabe. Nifanombana, nifampijery, nifampiandry. Poatoizay. Nirifatra ilay Ohabolandoza. Saingy tsy nirifatra nandositra tsy akory fa nirifatra nikitika izay olona rehetra sendra azy. Ankizivavy kely nilalao saribakoly, lahy antitra roalahy nifanandrina tamin’ny fanorona, mpivady vao niriorio, mpizahatany roboka tao anaty telefonina. Nokitihany avokoa na ilay natavy na ilay nahia na ilay bitika na ilay vaventy na ilay mpanana na ilay nahantra. Tsy nisy nodinganiny fa nokitihany tamin’ny tanany feno peratra nanjelatra avokoa. Sahiran-tsaina i Lisy tafaverina haingana nivatsy kanovo feno rano ho an-dRabe.
Ny olona nanodidina azy rehetra efa nanomboka nanary izay rehetra azo nariana tamin’ny tany avokoa. Ilay ankizivavy kely nilalao saribakoly nanary fonona vatomamy, ireo lahy antitra roalahy nanary ny hodi-boanjony avy hatrany tamin’ny tany fa tsy tao amin’ilay vilia kely teo ambony latabatra intsony, ireo mpivady vao niriorio nanary ny dina nifanaovany, nanary ny valopy nisy ny taratasin’ny dina nifanaovany teo afovoan’ny arabe, nampigiaka ny kodiaran’ilay BMW nandalo ka nampifatratra izany teny amin’ny lohan’ilay DS nanatrika azy izay efa nanarian’ilay mpizahatany boatina fanafody avy eo amin’ilay fitaratra tsy nihidy. Ilay natavy nanary ny sisana mofontsesika tsy tiany nolaniany teny amin’ny lalan’ny bisikileta, ilay nahia nanary ny gazety vinakiny, ilay bitika nanary ny kasikety efa ela no tsy tiany, ilay vaventy nanary hoditrakondro tany aoriany, ilay mpanana nanary ny mofovolantsinana vao natombony ary ilay mahantra nanary ilay zavatra tao am-paosiny efa ela no tsy novangiam-bola. Tsy nisy nifankahitana intsony Behoririka iray manontolo fa izay nokitahan’ilay Ohabolandoza kasikasy rehetra dia lasa manary fako tsy am-piheverana avokoa ary izay kitihan’ireo voakitiny ireo dia manao toy izany ka hatrany hatrany toy ny aretimifindra mahery fihanaka, toy ny virosy mahery vaika mifindra amin’ny alalan’ny fikitihan’ny hoditra samy hoditra. Niezaka nitsimpona ireo fako Rabe, nanentana ireo tsy mbola voakitika. Tsy ela dia nanampy ny ambiny, niara- nifarimbona naka ny fako teny an-dalana dia nanao izany tao anaty daba rehetra teny saingy herim-po very maina izany.
Nihanaka izaitsizy ireo olona manary fako ary efa nihoatra an’i Behoririka mihitsy aza. Tsy ela intsony dia hihitatra erak’Antananarivo ary tsy ela dia hahazo an’i Madagasikara iray manontolo. Ohabolandoza iray tokana monja. Nanatona tsimoramora avy taorian-dRabe i Lisy, nibitsika.
Hadinointsika manary fako eny an-dalana tsindraindray eny hoe ny fitambaran’ireny fako rehetra ariantsika tsindraindray ireny ihany anie no mitambatra, mivangongo ka lasa dabampako mibahan-dalana manimba maso mahamantsina ny tanàna, indrindra rehefa tsy ampy vola iny ny fivondronana haka azy.
Napetrany teo an-tsoroky Rabe ny tanany.
Jereo fa maro dia maro ny fanariam-pako aty, tsy hoe tsy misy ary tsy hoe tsy vitsy, nefa rehefa ny mponina mihitsy no minia tsy hanaja ny fahadiovana, akory atao?
Nitabataba ilay mpivaro-gilasy kely maso, niakatra teo ambony latabatra fivarotany, nikiakiaka tany amin’ireo olona hoe ianareo ve adala e, mba mahalalà menatra, raofy ireo fako ireo. Tsy vitan’ny tsy nisy nihaino izy fa ambonin’izany, nanakoako ny feon’ilay Ohabolandoza kasikasy nanao hoe:
Izaho angaha handova an’io?
Dia nikakakaka mafy dia mafy. Nandinika ny tisaoritra nanara-batana nanaovany Rabe, novakiany ilay soratra nangirana teo. Ny anaran’ilay Ohabolandoza ihany no nisoratra teo, nangirana:
RAZANGA
