Henoy anie ity e, indray andro, may ny ala, nidedaka tanteraka. Nivarahontsana avokoa ny biby rehetra, tsy nahita izay natao fa nitsoaka nandositra avokoa
TOY NY AMBOARAMPEON’OLONA GAIGY, korontam-pehezantenin’olona very mpitarika, dihy mirindra tsisy lohany tsisy vodiny fa samy nanao izay danin’ny kibony avokoa ireo olona teny an-dalana.
Zary lasa tranon’adala tsy nisy tafo tsy nisy fefy ny tany tontolo. Ny fako nameno ny tanàna, ny dabampako tetsy sy teroa tsy nisy nahatadidy intsony hoe inona moa ny antom-pisiany sady tsy nisy niraharaha tsotra izao ary ireo izay mba nitory ny tenin’ny fahadiovana indray no nahazo teny mahery avy hatrany hoe miseho milay, tsy handova an’io akory, etsetra. Tsy nahahetsika Rabe. Tabataba no nandrakotra. Nangorovitsika ny tongony. I Lisy lasa saina tsy nahita loatra izay natao afa-tsy ny niezaka nanentana ny olona hatrany, sao mba ho tonga saina ihany, sao mba hiverin-tsaina ihany. Izany tsinona azony natao fa ny nifanandrina tamina Ohabolandoza no tsy nety. Marina fa tsy ianareo no handova an’io, hoy i Lisy, niakatra teo amin’ilay latabatr’ilay mpivaro-gilasy nanampy ity farany, marina izany, saingy ny zanakareo, ny zafikelinareo, ny zafimpaladianareo, ny zafindohalikareo, ny zafinkitrokelinareo, mba hevero kely fotsiny ny tontolo rako-pako lavi-pahadiovana sy fahendrena ho lovany.
Eny, na tsy ahoanareo indray àry ny taranakareo, satria efa any ambany rangolahy any avokoa ianareo, rahampitso dieny rahampitso ihany dia hihosom-pako ianareo, rahampitso dieny rahampitso ihany dia ho simba ny andavanandronareo, ny fahasalamanareo, ny masonareo ho kivy amin’izao haratsiana ka hiloloha izay hitanareo ao amin’ny tele ianareo, hiloloha ny any ivelany, hankahala ny tanànareo, hankahala ny mpiarabelona aminareo satria tsy tsaroanareo intsony hoe ianareo ihany anie no nandoto ny tanàna, no nanimba ny tanàna fa tsy ny hafa lava izao, ary rehefa hankahala ny hafa ianareo dia hankahala ho azy ny tenanareo satria ianareo ihany ireo, isika ihany ireo. Tsy hoe tsy nisy nihaino tsy akory i Lisy. Tena nisy nihaino izy, olona vitsivitsy, nisy ny nivangongo teo anoloany teo, nisy kosa no nihaino avy lavitra. Dia ireo indray no niezaka nanentana ny nanodidina azy avy eo. Na dia tsy nahery fihanaka noho ilay virosin’ny tsifiraharahiana ny fananana iombonana sy ny hoavin’ny taranaka sy ny ampitson’ny tanàna aza izy ireo, tsy nampilavo lefona azy izany fa nofikiriny mafy tao am-pony kosa ilay Ohabolana namaran’i Lisy ny teniny nanao hoe:
Ataovy fitian-dranon’erika: madini-pihavy fa mahatondra-drano.
Raha misy ny virosy tsy maintsy misy ny fanefitra, hoy ilay tovovavy nirandram-bolo nanao tisaoritra maintimainty nisy sarina karandoha nandalo teo anoloan-dRabe sady hoy izy nankahery ilay namany hoe:
Henoy anie ity e, indray andro, may ny ala, nidedaka tanteraka. Nivarahontsana avokoa ny biby rehetra, tsy nahita izay natao fa nitsoaka nandositra avokoa. Voronkely iray tokana monja no nihetsika, nitatitra izay rano omby ny vavany ary nanipy izany tao anatin’ilay afo nilelalela. Nony kelikely, tsy aritr’ilay sokina ny nahita anazy ka ho izy hoe ianao ve adala ry soimanga, tsy izay rano kely zakan’ny vavakelinao iny no hamono io afo io. Fantatro izany, hoy ilay soimanga… Manao ny anjarako fotsiny aho.
Nisy feon’olona toa niresaka taminy tao aorian-dRabe. Nitodika izy. Tovovavy sariaka dia sariaka no nanatona azy. Namerovero aoka izay ny endriny indrindra moa fa tao anatin’ilay savorovoro sy tabataba tsy nisy azo noraisiny. Raoby zandiana sy pataloha niantona teo amin’ny ranjony no nanaovan’ilay tovovavy. Nanontany fanindroany izy hoe fa maninona ianao no tsy manary fako toy ny maro. Tsy hitan-dRabe izay navaly. Dia nihomehy ilay tovovavy sady niteny hoe mananihany izy. Nisotro kafe tery ampita tery amin’ilay trano fitaratra iry aho hoy izy nanohy sady notondroiny ilay latabatra boribory kely nipetrahany teny amin’ny rihana voalohany. Mbola tavela teo ny kaopiny ary nisy namany vehivavy hafa vitsivitsy nanarangarana an-dry zareo sady nikopakopaka teo. Hitany avokoa, hoy ihany izy, ny zava-nitranga saingy izao izy vao sahy nivoaka, sahy hanampy handroaka fako sady noraisiny kely ny tanan-dRabe. Somary sempontsempotra ilay tovovavy, angamba nihazakazaka nidina ny tohatra, hoy Rabe anakampony. Namelona ny fanantenany efa ambivitra ihany ilay tovovavy nanolo-tanana azy. Hadinodinony hatramin’ny fisian’i Lisy niketrona nibanjina azy roa avy eny ambony latabatra nikabariany. Dia nanomboka niara-nitsimpona Rabe sy ilay tovovavy. Kinga ilay tovovavy. Fotoana fohy dia nadio ny nanodidina azy. Nanezaka ihany koa Rabe nanenjika azy fa kinga loatra ilay tovovavy ka niaiky izy.
Variana Rabe nandinika ilay tovovavy. Niboiboika ny fanantenany handresy ireo Ohabolandoza. Na dia handoto eto indray aza ireo olona raha hisy hatrany ny hanadio, dia tsy hahomby ny tetidratsin’ireo. Dingana lehibe izany. Izany no nataony tao an-doha. Maloka ny endrik’i Lisy nipetraka teo ambony latabatra.
