Isaky ny niteny izy tsinona, dia nanondro kely any amin-dRabe, dia nangala-pijery tany aminy ireto namany sady nihivingivina no nanao fijery nanetry no nikakakaka ihany
Somary taitra kely ihany Rabe nahatsikaritra an’i Lisy teny lavitra teny, naka seza teo anoloana sekoly iray lehibe tao Behoririka hatrany.
Nihazakazaka izy hamonjy azy. Nitoetra teo ankavanany. Sorena ny endrik’i Lisy. Sanganehana avy hatrany Rabe. Nihamaloka ny endriny. Saika hitantara mikasika ilay tovovavy sariaka dia sariaka tsara fanahy nanampy azy tamin’ny fandraofam-pako sy ny fanadiovana ny tanàna izy, kinanjo nihemotra. Toa nangatsiaka ny fon’i Lisy, nefa nangotraka ihany koa. Ny masony tsy niala tany amin’ilay tovovavy sariaka dia sariaka. Toy ny tsy teo anilany Rabe, toy ny tsy noraharahiany akory ny hafanam-pon-dRabe nanohitra an-dRazanga, velom-panantenana, namikiviky fatratra. Naniry dokadoka avy amin’i Lisy izy, na iray tanana aza fa tsy iray gony akory na iray sobika na iray kesika. Toraka voninkazo kely no nantenaina, eny, na tsy teny akory aza fa tsiky na fijery mamy dia efa nahadiavolana ny fony. Fa tsy nasian’i Lisy sira mihitsy izy na ny kely aza. Tsapan-dRabe tsy noraharahian’i Lisy ny ezaka tsy kely akory fa ngôda ihany nataony fa naleony nidiridiry hatrany tany amin’ilay tovovavy nanampy azy. Tsy tanan-dRabe fa tafantsangana izy, nivazavaza namoaka ny tao am-pony, sambany izy niteny mahery an’i Lisy, nimenomenona ohatra ny loha tapaka, boramena tsy satry, fa tsy nahoan’i Lisy loatra.
Vao mainka anefa izany tsifiraharahiana izany nampisafoaka an-dRabe. Koa nampiakariny ny feony. Tsy nampihontsina an’i Lisy. Nangina kely Rabe, naka aina, nisefosefo noho ny vazavaza. Teo izy no tonga saina kely, nanontany tena hoe inona loatra no tena dinihan’i Lisy any amin’ilay tovovavy. Dia hitany nitakoritsoka niaraka tamin’ny namany nitovitovy fitafy taminy, samy niraoby zandiana, saingy ny sasany tsy nanao pataloha tao anatiny. Tsy azony aloha tamin’ny voalohany hoe inona loatra izato resaka, inona loatra izato mampikakakaka, mbola jamben’ny hatezerana ny masony. Tsy ela akory anefa dia nisoka-bava izy, tsy te hino akory ny zavatra tazan’ny masony sy ny zavatra ren’ny sofiny. Mifosafosa azy ilay tovovavy sariaka dia sariaka ary nanindrona tampoka ny sofiny ny vanitik’ireto namana nanodidina azy. Vanitiky ny mpaneso.
Tsy te hino Rabe nefa izany no zava-nisy, tsy niafina akory ilay tovovavy sariaka dia sariaka nanasoketa azy ary toy ny hoe nataony hitany sy reny izany. Isaky ny niteny izy tsinona, dia nanondro kely any amin-dRabe, dia nangala-pijery tany aminy ireto namany sady nihivingivina no nanao fijery nanetry no nikakakaka ihany. Izay nanarangana azy dia nangarika avokoa. Ny loza tamin’ilay izy, nankarary ny fon-dRabe ambonin’ilay fitaka sy fivadihana tampoka tsy nampoiziny, dia fijery nanaisotra hatramin’ny fisiany, toy ny hoe tsy olombelona izany izy teo imason’iretsy. Nandiso ny fanantenany ilay tovovavy teo sariaka dia sariaka izao lasa masiaka dia masiaka. Ny fanantenany niboiboika tamin’ny fanampian’ity tovovavy nipitika lavitra tany amparakatsakatsaka, tsy hay hoe aiza, ary nitefoka mafy tamin-dRabe ny fahadisoampanantenana. Nikakakaka farany ilay tovovavy.
Avy eo niparitaka ireo namany. Dia samy nanokon-dresaka tamin’ireo izay sendra azy tsirairay avy, samy sariaka dia sariaka, samy nahay nandangolango, samy nahay naka ny fon’ny olona, dia samy nanondro kely an-dRabe avokoa, dia nisy ny nikakakaka, nisy ny nangarika sy nanamavo. Tsy nahatana Rabe fa nanatona nanaka-dresaka, te hahalala hoe inona loatra izato tantarain’iretsy momba anazy. Tara loatra. Tsy nahare na inona intsony izy, efa niparitaka indray ireo olona rehetra nifosa azy, efa lasa lavitra tany nitady olon-kafa soketaina. Saika nanenjika Rabe, nanenjika azy rehetra hiteny hoe na inona na inona nolazain’iny tovovavy iny anareo, tsy marina izany. Saika nanao izany Rabe fa nandao azy ny heriny. Ilay fanantenana mba niverina mafy teo, toa afo molololo niraraka tamin’ny tany tsy hainy indray hoe ahoana no handraofana azy. Nanampy trotraka ireo fako vao nodioviny dia efa nirarakompana sahady satria izy nanadio nanadio tamin’ny fony manontolo fa ny olona nandoto nandoto hatrany tamin’ny sainy tsy nihevitra intsony. Nangata-maso tany amin’i Lisy izy nony farany. Tsy niteny i Lisy fa nitsangana, nanatona azy, dia nosakambininy fotsiny Rabe. Nosakambininy mafy dia mafy. Dia nasitriny teo an-tratran’i Lisy ny ainy manontolo, tsy voasakany ny tomany efa ela no ambivi-takolany. Nigogogogo nangina izy. Kiaka mangina no nitroatra avy ao am-pony.
Tsy tantin-dRabe loatra ny toky fitak’ilay tovovavy niraoby zandiana. Ny soa tapany tsy mba tapany akory, ny omeko tsy omeko ka ilay tsy omeko no tena nibahana. Nony ritra ny ranomasony, dia nofihininy farany i Lisy, ny hafanan’ny tratrany no nampody ny ainy, ny fanginany no nampody ny herin-tsainy, ny fisiany teo anilany no nampahatsiahy azy fa misy tsara ny olombelona fa tsy mpangarika sy mpanasoketa, mpanao omeko tsy omeko ary mpihatsaravelatsihy avokoa. I Lisy no namelona ny fanantenany fa mbola misy lafy tsarany ny olombelona, namelona ny afo efa saika nipika tao anatiny, nandrehitra ka nampiredareda ny fitiavany. Ny fitiavany an’i Lisy, ny fitiavany ny tontolo manontolo. Ny fitiavany an’i Lisy, indrindra indrindra.
Tamin’izay fotoana izay i Lisy no nibitsibitsika tsimoramora teo an-tsofiny nanao hoe:
Fo tezitra tsy ananan-drariny.
