Raha mora raofina ny fako, omby tanana, omby borety, ny tsaho sy ny lainga aely kosa toy ny rano raraka amin’ny tany, tsy azo raofina intsony
Niarina nalaky Rabe. Kotsan-dranomaso ny lobaka nanaovan’i Lisy, nitaraina kely izy sady nivazivazy hoe sasanao ity.
Nitsiky kely Rabe nahare izany dia tampotampoka teo, lasa izy nirohotra nankeny amin’ilay tovovavy nandiso ny fanantenany. Tsy nandeha lavitra ito farany fa teo toa niandry azy mihitsy aza angamba. Vao tazany Rabe dia nisolo an’ilay endrika sariaka dia sariaka ilay tavany mpifosa.
Ary nankaiza foana ianao?
Sady tonga hatreny amin’ny sofiny ny fivelatry ny tsikiny.
Tsy nampoizin-dRabe. Niato kely izy, namerina tamin’ny laoniny ny tiany nolazaina. Tsy tsaroany hoe inona raha tsy elaela kely. Nony tsaroany kosa dia nanontany izy, hentitra, hoe inona ny tsaho naelin’ilay tovovavy momba anazy. Tohina avy hatrany ny endrik’ilay tovovavy. Tohina tanteraka nilaza fa tsy azony hoe inona izany iampangan-dRabe azy izany sady nasisiny ihany hoe sao iry tovovavy iray iry no nampiditra an’izany tao an-dohanao, sao dia romotry ny fahasarotampiaro izy. Dia nitodika tsy nahy tany amin’i Lisy Rabe sady tonga saina ihany hoe misy tsy mety ihany izany ataony izany fa mbola manaiky rebireben’olona efa hita izao fa manao ny tsy izy. Mbola ren-dRabe navesatra ny mason’ireo olona nifosafosa azy, tsy hainy intsony na olom-bitsy na olo-maro na ny olon-drehetra mihitsy aza ka nahatsapa tena ho irery tao an-tsaha nidadasika feno ahidratsin-tsoketa izy ary ilay tovovavy niraoby zandiana no namelana indrindra teo afovoany. Raha mora raofina ny fako, omby tanana, omby borety, ny tsaho sy ny lainga aely kosa toy ny rano raraka amin’ny tany, tsy azo raofina intsony. Nitodika tampoka tany amin’i Lisy Rabe toa nanontany nanao baiko moana tamin’ny masony. Namaly tamin’ny endriny i Lisy hoe eny tokoa, Ohabolandoza io tovovavy manoloana azy io. Ravanda no anarany.
Romotra tsy afa-naninona i Lisy nahita an’ity Ohabolandozan’ny fihatsarambelatsihy naningotra petadrindrindra nisy soratra hoe:
Aleo vandana imaso, toy izay vandana ivoho.
