79

Nibanjina sarona tatatra vy teo amin’ny sisinarabe izy dia tsy nisalasala na ny kely aza, nesoriny

audio-thumbnail
IV79
0:00
/191.5

Nihemotra avy hatrany Rabe. Torovana tampoka, tsy nahita izay tokony ho fihetsika ka tafapetraka teo amin’ny vodim-piarakodia fotsifotsy sendra niantsona teo.

Naneno ny anjomaran’ity fiara, nitsamboatra Rabe niala avy hatrany. Nipoitra avy teo amin’ny varavarankely ny lohan’ilay mpamily—ankizilahy kely tsy ampy taona raha ny tombamason-dRabe, tsy nifankaiza taona taminy.

Mirehitra ve ilay jiro mitsitapitapy havia ao?

Hoy izy tamin-dRabe somary nibetroka.

Nihataka kely Rabe, nijery ny bikabikan’ilay 404. Fiarakodia frantsay nivoaka voalohany tamin’ny taona 1960. Tsara karakara izato izy, nangirana ny lokony ary azon-dRabe antoka avy hatrany fa tsy ambaka noho ny ivelany hatrany anatiny. Tsy diso mihitsy izy. Namerina fanindroany ny fanontaniana ilay ankizilahy kely vao namaly nibadabada Rabe hoe mandeha tsara tsy nisy olana. Efa tsy tsaroany intsony hatramin’ilay Ohabolandozan’ny fihatsarambelatsihy lasa nitakoritsoka tsy hainy intsony koa hoe aiza. Nivoaka ilay ankizilahy. Toa tsy ankizilahy tampoka ny fahitan-dRabe azy fa rangahy sahabo 40 taona tany. Nibanjina sarona tatatra vy teo amin’ny sisinarabe izy dia tsy nisalasala na ny kely aza, nesoriny. Namoaka sokodrevo avy tao am-paosin’ny lobany somary nalalaka loatra raha noharina tamin’ny toe-batany izy dia nesoriny tsirairay ny bolaon’ilay sarona tatatra vy boribory. Variana Rabe nandinika sady niezaka namantatra hoe inona no ataon’ity rangahy kely ity. Nony niala avokoa ireo bolao dia natsipiny ilay sarona tatatra, nolalaoviny tamin’ny tanany ireo bolao dia niverina tao anaty 404 izy. Niteny Rabe hoe tsy aleo ve haverina amin’ny laoniny ilay sarona tatatra sao sanatria hahasolafaka olona. Mandratra io, mety hahafaty mihitsy aza. Nisitra ilay rangahy kely, nandrehitra sigara izay vao namaly hoe:

Koa raha tsy vendrana koa tsy hahita an’io dalina misokatra midanadana be io!

Dia nibaiko an-dRabe izy hiditra tao anatin’ny fiarany. Dia niditra Rabe. Tsy tsikariny akory tamin’izay—ary tsy ho fantany akory na tsikariny aza—fa mitovy an’ilay biriken’ilay mpamily takisiabe saika nandona azy sy ny reniny tany amin’ilay Antananarivony ny biriken’ity rangahy kely ity ary tsy zoviana aminao intsony fa Ohabolandoza indray ity sendra an-dRabe ity.


80 (Arivo lasa alina, alina lasa hetsy)
Lanaka ny lohany, ketraka ny fony, ka nanaraka izay onjany fotsiny sisa no hany vitany, nanaradriandrano toy ny nametrapialana ny sainy
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar