Lanaka ny lohany, ketraka ny fony, ka nanaraka izay onjany fotsiny sisa no hany vitany, nanaradriandrano toy ny nametrapialana ny sainy
NIDOFAKA ERAKY NY 404 NY SETRO-TSIGARAN’ILAY OHABOLANDOZA, lasa saina mihitsy Rabe tamin’izay hoe ndrao mba ataony fanahy iniana mihitsy aza ny mitsoka izany tany amin’ny tavany.
Raho-mivolondavenona tsy manitra mameno ny fiara. Teo anilan’ny mpamily ny nisy an-dRabe izay tonga saina ihany hoe inona no nampitetateta azy hiditra tao anatin’ilay 404 menamena. Natsipin’ilay Ohabolandoza tao amin’ny seza aoriana ilay birike. Narahan-dRabe maso. Lasa kely fotsiny ny sainy toa nisy tsindrimandry nandalo niserana tsy hainy mazava, dia niverina nanatrika ny arabe indray izy. Hadinony sahady indray ilay birike. Niakatra an’i Tsiazotafo ilay fiarakodia. Somary navoakan-dRabe tany ivelany ny lohany dia nampitsiky kely azy ny nahita ireo zazavavy kely kambana be takolaka be nisangisangy tao anaty tiramoay menamena nifanena taminy. Avy eo tazany ny olona teny an-dalana. Nizara roa mazava tsara ireo olona, tao ireo mbola tsy tratran’ny Ohabolandoza, tsy manary fako eny rehetra eny, mahalala madio, tsy mifosafosa olona dia tao ireo manao izay danin’ny kibony, manary izay mety fako eny aminy eny amin’izay andrianin’ny fony hanariana azy, mibitsibitsika mifosafosa sy mangarika olona isak’izay mahatsiaro. Ireto andiany faharoa ireto dia miresaka moramora, mangala-pijery, manondro molotra mangina, mody mitsiky rehefa imaso, manao tarehy ratsy rehefa ivoho, manaratsy fatratra sady manao jery vilana ireo izay tsy mandoto tanàna, toy ny hoe ireo izay tsy manary fako indray no tsy izy mihitsy, no miseho milay.
Asa, isaky ny firin-jato metatra anefa dia nahitana dabampako kely hatrany. Ny ankabeazan’ireo izay mampiasa azy indray no toa sadaikatra, menamenatra hanao ny mety.
Menamaso olona tampoka teo noho ny hagegen’ny hafa. Lasa toy ny efitrano iray lehibe misy tsihy ilay fiarahamonina, ka ny lafin’ny tsihy taza-maso ny mpandoto tanàna, mpanary fako tsy am-piheverana moa ny lafin’ny tsihy afenina, takonana, tsy aseho mivantana, mbola maloto kokoa, tsy inona moa izany fa ireo toetra saronana, manaratsy ny hafa, manimba ambadika. Izany mihitsy angamba no nahatonga an’ilay fiteny hoe fihatsarambelatsihy hoy Rabe nitazam-potsiny ireo mpandalo gagagaga amin’izato rehetra mitranga sy ireo trano nitandahatra nitovy endrika samy nisy tokotany kely sy vavahady tsotsotra avokoa teny Tsiazotafo. Nony tafakatra teny an-tampony ilay 404, efa dify tsy tazana tao amin’ny fitaraboho intsony ilay tiramoay no tonga saina Rabe hoe tsy dia nisy lalan-kombana loatra angamba ilay rangahy kely satria nitodi-doha tampoka ilay fiara. Niverina nidina indray. Naneno mafy ny anjomaran’ilay fiarakodia kely maitsomaitso saika voadonan’ilay 404 nihodina tampoka. Menatra kely Rabe fa akory moa atao, tsy izy no mpamily. Niezaka nanao fijery niala tsiny tany amin’ilay vehivavy mangamanga ranjanana mpamily ilay fiara maitsomaitso izy fa tsy azony antoka hoe tafita ny hafatra. Lasa tampoka ny sainy nony avy eo hoe mba aiza aza no misy an’i Lisy fa tsy nanana hery loatra intsony izy itaintainana sy iasana saina.
Lanaka ny lohany, ketraka ny fony, ka nanaraka izay onjany fotsiny sisa no hany vitany, nanaradriandrano toy ny nametrapialana ny sainy. Ny vatam-beny, teo ihany, nikarenjy tao anaty fiara fa ny sainy tsy hita hoe nankaiza, lasa tany ho any, tany amin’ny toeran-tsy hita, tany amin’ny mangingina lavitra kotaban’ny tontolo.
Toerana izay tsy aiza fa teo ihany fa toy ny takamoa nipika, toy ny tanàna maty gina resy nisidina am-pitoerana nanadino ny tenany, nanary hevitra, nitsoaka ny zava-nisy, nisitrika an-tsaha lavitra ny fiarahamonina, lavitr’izao rehetra izao, nitoka-monina teo anivon’ny rehetra, saingy tsy nisy nahita, tao anaty masontafiotra ary saika tsy niverina intsony angamba ny sainy raha tsy ny antson’ny zava-nisy ihany, ny fitangoronan’ny olona niezaka namonjy azy.
Nivadika tsinona ilay 404.
