Koa nitalaho izy nitodika tany amin’i Lisy, niangavy fitsaharana kely, na vetivety monja aza. Tsy hoe hilavolefona izy tsy akory, fa haka fotoana handinihana sy hakana saina manoloana izany rehetra izany
Avy nananika ilay fiakarana ilay 404 dia nitodi-doha tany amin’ny niaingany.
Revo izy nanaikitra ny sigarany, namoaka setroka teo amin’ny orony, ary tsy niraharaha akory izay mety ho fitsipika nifehy ny fifamoivoizana fa nisosososo toy ny soavaly tapa-kofehy ary izay fiara nifanena taminy romotra sady nampaneno anjomara avokoa. Tsy ela nefa dia tra-doza ilay 404, tojo tatatra tsy nisarona ka dia nivadika ambony ambany avy hatrany sady nirefotra teo amin’ny fidiran’ilay trano fivarotamboky lehibe iray ny vatambeny. Niandrandra lanitra ny kodiarana efatra ary ny fitaratra saika vaky avokoa. Soa Rabe fa nahalala nampiditra ny fehikiboaronaina vantany vao nipetraka tao anatin’ilay fiara fa raha tsy izany angamba nifamonjena teny amin’ny hopitaly ny ainy. Fanimpanina kely fotsiny izy, badenindenin’ny loza, ary ratra tsy dia nankaiza no teny amin’ny sandriny moa folaka kely ny kitrokeliny. Nosokafany ny fehikiboaronaina, nipitika ilay varavarana efa nihelakelaka rehefa nodakany tamin’ny tongony roa dia nandady izy nivoaka ny sisan’ilay 404.
Nitangorona ny olona, nanontany hoe sao misy anampiana, tsy namaly Rabe nanavatsava azy ireo sady nanatona ilay tatatra tsy nisarona nahavanon-doza. Teo anoloany ilay rangahy kely, ny sigara tsy niala teny am-bavany ary nisy zavatra nolalaoviny teny an-tanany tsy tazan-dRabe tsara raha tsy efa nanakaiky izy—bolao vitsivitsy. Nitsiky izy nahatsikaritra fa azon-dRabe hoe ity tatatra ity ihany ilay tatatra nesoriny sarony teo.
Nisendroatra Rabe, niverin-tsaina tampoka sady nivazavaza hoe noho ny hadalanao no nahatonga an’izao, raha tsy nesorinao ny sarony, raha nihaino ahy ianao hoe avereno amin’ny laoniny farafaharatsiny, tsy nivadika ny fiara, tsy saika maty tao isika, tsy simba ny fivarotan’olona, tsy… Dia tankina tampoka ny feon-dRabe nahita an’ilay rangahy kely tsy rototra tsy afa- tsiky nikitika lehilahy lehibe nipalitao nanontany azy hoe sao misy anampiana. Niontana kely ilay lehilahy lehibe vao sendran’ny tanan’ilay rangahy kely ary raha saika hitazona ny hoditr’ilay akondro nohaniny tao anaty paosin’ny kitapony natokana ho an’ny fakofako kely izy mialohan’ny ahitany fanariampako toy ny fanaony mahazatra dia avy hatrany dia natsipiny tamin’ny tany fotsiny ilay hodiny. Menatra ny tenany Rabe hoe ity izy dia nitonantonana niditra tsy hainy intsony hoe fa nahoana moa tao anaty fiaran’ity rangahy izay azony an-tsaina amin’izay fa Ohabolandoza ity.
Ramitsy no anarany. Ohabolandozan’ny mandrora mitsilany!
Hoy i Lisy nipoitra tampoka tao ivohony rehefa avy nivezika nizaha ny fiantraikan’ny loza tsy roa an-tany naterak’ireo Ohabolandoza samihafa tao anatin’ny fotoana vitsy monja.
Ilay hoditr’akondro narian’ilay lehilahy lehibe,mety tsy ho izy loatra no hianjera eo fa tsy ho tonga saina akory izy rehefa voan’ny hadalana sy tsifiheveran’ny hafa hoe izy koa anie nanampy trotraka izany. Dia raikitra ny fanaon’ny Ohabolandoza, nokitihany izay sendra azy sady nipitsika izy ary ireo izay voany dia nikitika olon-kafa ary samy nandavaka ny fasana hilevenany sy namelatra ny fandrika hamotraka sy handavo azy avokoa izato izy.
Fantatry Rabe tamin’izay hoe tsy nisy na inona na inona azony hatao intsony fa na inona ezaka nataony tamin’ireo Ohabolandoza, efa tara loatra izany. Tsy afaka hanarina ireo lo sy potika izay sendran-dRaleo izy, amam-bolana, aman-taonany, aman-taonjatony ireo potika vao tafajoro indray. Tsy afaka hanadio hatrany hatrany ireo loto eny rehetra eny na maro aza ny hanampy azy fa tsy maintsy ny hanentana an’ireo olona tsy hanary sy haka fepetra amin’izany no hataony raha te hanarina ny loza nentin-dRazanga izy. Tsy azony atao koa ny hisambotra ireo fosafosa naelin-dRavanda sy hanova tampotampoka eo ny toetsaina mandrora mitsilany naparitaky Ramitsy fa tsy maintsy miainga any amin’ny fanabeazana. Satria azony tsara hoe ny toetsaina anie tsy antony fa vokatra. Vokatry ny fanabeazana tsy misy na tsizarizary ka mitarika toetsaina tsy mahalala ny mety sy ny tsy mety, mampikorontana ny fiarahamonina.
Koa nitalaho izy nitodika tany amin’i Lisy, niangavy fitsaharana kely, na vetivety monja aza. Tsy hoe hilavolefona izy tsy akory, fa haka fotoana handinihana sy hakana saina manoloana izany rehetra izany. Ny tontolo nanodidina azy kosa, nihapotika nihapotika.
Ny toetsaina anie tsy antony fa vokatra.
Sambany izy vao nandinika an’izay lafiny izay.
