Nihirahira toy ireny any am-piangonana ireny na toy ny hira eny am-pasana somary zafindraony
Nahitan-tsiky kely ny endriky Rabe nankafy ny tokotanin-tarehin’i Lisy.
Tao aorian’izy roa, fitaratra vaky, boky aman’arivony teny ambony talantalan’ilay fivarotamboky lehibe. Nifampijery izy roa, dia samy nitsiky, samy very hevitra, samy tsy nahita izay natao fa samy faly ihany anefa hoe na dia miharava haingana aza ny manodidina mba tafaraka izy roa. Nisavoritaka ny volon’i Lisy, efa ela tsy nahita fihogo, ela tsy niditra mpanao volo, tsy nahoan-dRabe, vao mainka tiany. Niforiporitra ny akanjony, nihosom-bovoka fa tsy nahoany koa izany, naneva azy aza. Na ireo mpandalo aza tsikaritry Rabe fa tsy nahatana fa niherika tany amin’i Lisy avokoa. Tsy nampaninona an-dRabe izany tamin’ny voalohany fa nony elaela, tsikariny fa tsy olona vitsy no niherika sy nijery an’i Lisy fa ireo mpandalo rehetra. Maso be dia be dia be dia be. Ary tsy i Lisy no nojeren’ireo olona fa izy roa. Nanantena fitsaharana Rabe kinanjo tsy nomena azy izany na ny iray segondra aza. Nampaneno lakolosy ny ainy iray manontolo nanoloana ireo maso be dia be nibaribary sy nivandravandra hoe mila mitsoaka.
Ary tsy mangataka andro fa izao dia izao. Tsy hainy loatra izay zava-nitranga hoe inona loatra na inona mihitsy fa fitsiriritana no nameno ny endrik’ireo olona, fitsiriritana niampy fankahalana, fankahalana niampy fikasana maloto. Tsy azony an-tsaina loatra hoe inona no dia notsiriritin’ireo olona fa dia ny nandositra ny tao an-tsainy. Tsy nisy afa-tsy izay. Raha mbola nijaridina teo izy dia efa nisy nisintona ny tanany. Nisintona mafy, nisintona azy hiala teo. Nitsamboatra kely ny fony. Nentin’i Lisy nirifatra nandositra izy, namakivaky ny arabe, niala ireo olona maro be tsy nanala ny masony teny amin’izy roa. Sady nihazakazaka toy ny adala Rabe no nahajery ireto olona ihany. Tsy vitan’ny fitsiriritana no tsapany fa fialonana mahery vaika mihitsy no nandravaka ny endrik’ireo olona. Dia nisy feon’olona niara-miredona tao an-tsainy.
Nihirahira toy ireny any am-piangonana ireny na toy ny hira eny am-pasana somary zafindraony nanao hoe:
Ory hava-manana! Ory hava-manana!
