Indro olona iray nisongadina, loham-bahoaka nandroso tsy taitra
DIA NIFAMIHINA IZY ROA. Nakimpin-dRabe ny masony. Nakimpin’i Lisy koa ny azy. Sahala an-dRabe sy ny reniny niandry an’ilay takisiabe haka ny ainy.
Rindrina biriky ny tao aoriany, biriky tany masaka tsy dia nifanalavitra tamin’ny tanimanga ny lokony ary nisy pentina volontany sy simenitra nolalorina maimaika. Azon’i Lisy an-tsaina fa efa matipaika ny tetik’ireo fahavalo. Na taiza ny nalehany na taiza efa nakatony avokoa ka tsy maintsy ho tratran’ireto vahoaka be.
Nifamihina izy roa.
Nisinisy ihany izay nanjo azy roa izay, tafavoaka hatrany, tafavoaka foana, saingy tamin’ity indray mitoraka ity, tsy nisy ny fanafany. Ren’i Lisy ny sefosefon’ireo vahoaka maro nanakaiky, nanatona. Tsimoramora, tsy maika akory, toy ny andian-kary tsy rototra intsony fa efa mahazo antoka hoe laniny ny anaran’ireto voronkely ka milalao hanina, misangy, manararaotra kely faramparany avy eo hiantsampy, hisambotra sy hanao teli-moka.
Nidobodoboka izaitsizy ny fon-dRabe. Nangovitra ny ranjony. Ary teo indrindra no nijanona tampoka ny godongondon’ny faladian-kiraron’ireo vahoaka maro sy ny sefosefony. Gina tampoka ny tontolo. Toy ny hoe izy roa irery sisa ny zava-manana aina tao Antaninomena, Antananarivo, Madagasikara, Ranomasimbe Indianina, Afrika sy ny manodidina, ny Ilabolantany Atsimo, nanerana ny Planeta, nanodidina ny Masoandro, tao anatin’ny Vahindanitra, teo anivon’Izaotontoloizao sy nihoatra mihitsy aza angamba.
Nahatsapa tena hafa kely i Lisy, toy ny tao anatina kibola iray mangarahara, toy ny tsy nipe-tany akory ny tongony fa nitsingevana teny anivon’ny tontolo mainty tsy niloko raha tsy ireo kintana amam-planeta samihafa sy ireo tainkintana mampahatsiahy fa tsy hosodoko izato izy. Dia Rabe ilay kibolany. Tony i Lisy tao anaty kibolany saingy poatoizay dia niverina teto an-tany sy ny hadalany izy. Tsy nanaiky ny sainy hilavolefona tsotra izao, na dia tsy hita aza izay hahatafavoaka azy roa, tsy maintsy nitady izay fomba rehetra izy na dia hiady amin’ireto vahoaka be aza tsy nahoany. Ka feo namaky fanginana no lakolosy nanaitra azy. Nisy fiafarany tokoa manko ny zava-rehetra. Diavolan-ko lava, kilalao mbola ela, tsy maintsy hiakatra ny soratra na mamy na nampatahotra ny sarimihetsika ary tsy maintsy teboka ny farany raha sorabaventy koa no nanombohana ny fehezanteny. Teboka tokana indray manindry penina, indray manindry bokotry ny telefonina, ny solosaina, toy ny baolina maintimainty, toy ny maizim-bolana sarom-pantarina. Dia injay feo iray nandrava ny gina, feo nanatona niavaka nivoaka ny maro. Feon-tongotra nanatona azy roa. Dia nanoka-maso i Lisy. Nanoka-maso koa Rabe. Nifampijery kely nifamboraka sy nifampitory tsy ankiteny, dia niara-nitodika tany amin’ilay feon-tongotra.
Indro olona iray nisongadina, loham-bahoaka nandroso tsy taitra. Tsy gaigy akory ny fijery, tsy nahitana fitsiriritana sy fankahalana lalim-paka dingana fara-tampon’ny ory hava-manana. Tsy nahitana an’izany na ny kely aza ny tavan’ilay lehilahy raha ny hafa rehetra dia tsy nisy afa-tsy izany no nivandravandra na ny maha olona azy aza tsy hay intsony hoe nariany taiza. Ny fitafiany indray, tsy dia nifankaiza tamin’ny hafa, tsotra, tsy dia nisy nampiavaka azy loatra. Pataloha velondrirana, lobaka, palitao. Somary kibotaina izy, efa nitady ho sola tanteraka ny lohany na dia nezahiny nosaronana tamin’ny volony sisa niangana aza. Eny, tsy nisy nampiavaka azy tamin’ireo mpiasampanjakana na mpiasabirao hafa mihitsy raha tsy izy namoaka ny poleta tany am-paosiny. Nihorakoraka ny vahoaka nahita azy nampiakatra sy nampandihy ny poletany teo ambony lohany sady nandrangitra an’ireto farany tamin’ny feo mahery. Nambanany avy hatrany tsy nisy kabary Rabe. Dia nangina tampoka ireo vahoaka. Taitra izy roa. Tampoka teo anefa, dia nambanany indray i Lisy. Nikoropaka Rabe. Dia naveriny tany amin-dRabe ny ambam- basiny. Niontana i Lisy. Lonky ilay lehilahy. Dia niara-nikakakaka niaraka taminy ihany koa ireo vahoaka. Toy ny nilalao ny fon’izy roa izany. Tampoka teo, niteny mafy izy.
Aza mihetsika mahery! Basy mifahana ity an- tanako ity! Komisera Ratandra no anarako!
