85

Tamin’ny nanjakan’io mpanjaka io tokoa hono dia resiny ny mosary raha tany Eoropa tany tamin’izany fotoana izany aza mbola betsaka tokoa ny mosary

audio-thumbnail
IV85
0:00
/366

Dia nataony ny feon-kiran’ilay fandaharana Sary Indray Mipika tamin’ny RNM tsy nanavao an-dRabe loatra ny feony saingy tsy fantatr’i Lisy kosa. Dia nikakakaka indray izy sady nahetsiketsiny tsy hay loatra hoe ahoana izany ny basiny. Dia nihira izy.

Aucun danger ne l’impressionne

Les coups durs, il les affectionne

Et la justice le passionne

Nicky Larson ne craint personne

Lorsque les coups de feu résonnent

Comme un éclair il…

Dia nijanona izy. Toy ny nitady hoe inona ny tohiny. Teo am-bavan-dRabe ny tohiny, sarimiaina anisan’ny nankafiziny indrindra ary fijeriny tamin’ny YouTube rehefa lany atao tao amin’ny Facebook izy, saingy sarotra taminy ny nanampy ilay olona vonon-kitifitra azy. Hain’i Lisy ihany koa ny tohiny satria nisy tao amin’ny tontolony ihany koa ilay izy saingy, toa an-dRabe ihany, tsy hanampy an’ilay olon-dratsy izy.

Lorsque les coups de feu résonnent…

Niverimberina toy ny kapila goaka, tsy nety tadidiny ny tohiny. Dia lonky indray izy, tapa-tsinay niforitra roa hatramin’ny vatany ka ny tanany ilany nitana ny valahany moa ny lohany kely sisa dia nidona tamin’ny tany. Dia vao nitraka izy—nitraka tampoka dia tampoka—nijanona tsy nihomehy intsony, dia nitifitra. Tsy nisy fisalasalana akory na ny kely aza. Tampoka loatra izany hany ka na ireo vahoaka gaigy aza taitra, sanganehana ary nihemotra kely mihitsy. Nitambotsotra ilay tovolahy teo akaikiny, nidiridiry lany aina ny fijeriny, goakan’ny bala ny tisaoritra tsy nisoratra nanaovany.

Voatrobaka ny fony, niankarapoka tamin’ny tany ny vatany.

Nidona-tsetroka ilay poleta, tsy azon’i Lisy loatra ny zava-nitranga, tsy azon-dRabe an-tsaina rahateo hoe inona loatra no ataon’ity lehilahy ity. Nifampijery izy roa, nanontany tena hoe inona no paika. Ankoatra ny hagagana dia hakiviana ny nandrakotra ny endriky Rabe, i Lisy te hanantena nefa tsy hitany loatra izay natao. Tampotampoka teo, mbola nifampijery izy roa, nipoaka indray ny basy. Nimà ilay omby nandini-bilona teo amin’ilay bozaka anilan’ilay fiantsonana maro rihana dia nidoboka. Nitrena tokana lavon’ny bala teo amin’ny handriny nisy fotsifotsy ilay omby vaventy dia nilefitra ny tongony, tototry ny vatany ny lohatongony fotsy, ary nikopaka farany ny rambony nisy tendrony fotsy dia niala ny ainy. Maty tsy tra-drano ilay omby tsara tarehy.

Na dia nipararetra aza Rabe variana ihany izy tamin’ilay omby tokana teo afovoantanàna tsy tsikariny akory ny fisiany raha tsy izy lavon’ny bala. Nandalo toa an-tsainy ireo omby tsy voaisa intsony nameno ny vohitra aman-tanety aman-tany lemaka rehetra. Nanontany tena mihitsy izy tamin’izay hoe iza no betsaka eto amin’ity Madagasikara ity, ny omby sa ny olona.

Ny Madagasikarany kosa, ny omby efa ripaka, efa zara raha nisy raha oharina tamin’ny taloha, ary mbola an-tapitrisany no olona mosarena. Taloha nefa nisy niteny tamin-dRabe tsy tsaroany hoe taiza na iza, hoe tsy nisy izany mosary izany satria nisy mpanjaka nanangana izany ho fahavalo mihitsy. Tamin’ny nanjakan’io mpanjaka io tokoa hono dia resiny ny mosary raha tany Eoropa tany tamin’izany fotoana izany aza mbola betsaka tokoa ny mosary. An-jato taona lasa, dia efa nisy karazana sosialisma napetrak’io mpanjaka io ihany, karazana haitontoloiainana ihany koa tamin’ny fandraràna mafy ny tavy sy ny famotehana ny ala ka nahafahan’ny omby sy ny olona nigalabina sy niaina am-pilaminana.

Nandeha ny fotoana, nivalona ny taona, nifandimby ny taonjato dia nihena am-pitoerana ny omby, lasa niverina ny fandrobana ombin’olona toy ny tamin’ny vanimpotoana talohan’io mpanjaka io, ary taty aorian’ny taona 1960 izany no niverina tena nahazo vahana. Nitrena indray mandeha farany ilay omby izay mbola tsy maty indray, nampitodika an-dRabe, saika niarin doha toa hamela hafatra angaha dia nivoaka ny lelany. Izay vao tena maty. Nanomboka nikorontana ireo vahoaka, nimonomonona, tsy nahatombintsiraka, nikoropadropaka tsy hay hoe nahoana na maimbo ra na natahotra ny ainy tonga saina tampoka angaha hoe ny iray tamin-dry zareo anie no notifirin’ity nitarika azy ity ka toa samy naka ho azy izany.

Tsy azon-dRabe loatra hoe inona no lojikan’ireo vahoaka fa toy ny nahatongavany ny nandehanany. Niparitaka ireo vahoaka, samy nandeha tany amin’izay lalana nalehany. Nisento i Lisy sy Rabe nahita izany na dia mbola tsy afa-bela aza nanoloana ilay poleta nanondro azy roa indray.


86
Tsy nisy azon’i Lisy ny zavatra nolazainy fa nasainy niteny milamina izy, naka rivotra dia namoaka, naka rivotra tsimoramora dia namoaka tsimoramora, nony tonitony izy izay vao navelany niteny.
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar