86

Tsy nisy azon’i Lisy ny zavatra nolazainy fa nasainy niteny milamina izy, naka rivotra dia namoaka, naka rivotra tsimoramora dia namoaka tsimoramora, nony tonitony izy izay vao navelany niteny.

audio-thumbnail
IV86
0:00
/379.5

Raha saika lasa avokoa ireo vahoaka tao aorian’ilay lehilahy somary kibotaina nitam-basy dia nipoitra avy aoriany kosa ireo Ohabolandoza rehetra nampidi-kizo sy nampikolay an-dRabe sy ny tanàna.

Raleo, nampandihy ny tanany mandrava sy mahalo izay kitihany.

Razanga, mbola kasikasy sy jefitra izaitsizy nefa mampandoto tanàna sy tsy mampihevitra izay ampitso intsony an’ireo izay kitihany.

Ravanda, mody sariaka dia sariaka hatrany, nanamboatra kely ny raoby zandiana nitaritarika tamin’ny tany, mampihatsaravelatsihy sy mamindra ny aretin’ny fosafosa vandana ivoho, tsiky ivelany, fa mamely ambadika.

Ramitsy, rangahy kely toa ankizy raha jerena lavitra nefa antitra ihany rehefa hita akaiky, mampanao fihetsika hahasolafaka ny hafa sy ny tenany ihany koa ny olona izay kitihany, mpampandrora mitsilany, mbola nipololotra sigara hatrany hatrany.

Ankoatra izay, nisy olona vitsivitsy mbola tavela teo, am-polony na nihoatra, tsy hain-dRabe na Ohabolandoza hafa koa na olon-tsotra lasa gaigy fa ilay ramatoa kaodikaody bory volo nanifinify izay no nanaitra ny masony. Nijorojoro tao aorian’ireo Ohabolandoza izy, toy ny niafina tao ambadik’ilay kabinintelefonina. Efa tsikaritry Rabe ihany izy io, toa menamenatra nampalahelo izany ny bikabikany nefa nisy zavatra tsy matiny lolo ny tao anaty masony izay tsy fantany mazava raha tsy teo. Zavatra tsy inona fa fialonana tsy omby tratra tsy hitan’izay tsy nijery sy nandinika tsara. Niravaka tsiky avokoa ny tarehin’ireo Ohabolandoza. Ilay lehilahy teo anoloana nanambana basy no tsy azon-dRabe loatra hoe inona.

Ohabolandoza ve?

Sa olon-tsotra tsy lasa gaigy loatra toy ny hafa nefa lasa gaigy tamin’ny fomba hafa tokoa naka ny lohan’iretsy hafa? Tsy azony loatra, nangata-maso an’i Lisy ihany izy fa hitany kizitina dia kizitina ity farany fa tsy afa-nanao na inona. Nihamaizina ny tontolo, saron-draho-ngerona ny lanitra ary difotra tsy tazana intsony hoe nisy masoandro ihany anie tao ambony tao.

Dia naneno ny trompetra.

Nitsamboatra izy roa, niandrandra avy hatrany nijery raha hisy vain’afo nihoson-dra na poti-kintana hafa nirotsaka. Niandry ka niandry. Tsy nisy. Maizina fotsiny ny tontolo. Nihomehezan’ireo Ohabolandoza izy roa nijery lanitra. Na tsy nisy niraraka aza avy any an-danitra, fanatr’i Lisy sy Rabe tsara ny dikan’ilay trompetra naneno teo. Tonga soamantsara ny Farandro, na hafa aza ny fitrangany fa tsy toy ny tany amin’ny tontolon- dRabe, fantany tsara hoe tonga ny Farandro. Nitodika tany amin’i Lisy Rabe dia nibaradaka teo. Tsy nisy azon’i Lisy ny zavatra nolazainy fa nasainy niteny milamina izy, naka rivotra dia namoaka, naka rivotra tsimoramora dia namoaka tsimoramora, nony tonitony izy izay vao navelany niteny.

Lisy a! Tsy azoko… Raha hifarana koa ny andro, inona no nilana ahy, inona no…?

Te hanohy izy nefa tsy nahaloabava intsony. Fa azon’i Lisy tamin’ny fijeriny ny tiany nambara hoe tontolo rava no nialany tany, tao anatin’ny indray mipimaso monja, maty ny reniny sy ny olom-pantany rehetra, potika tanteraka ilay tanàna izay na dia nahakivy azy aza tanànany ihany, tanànany hatrany. Dia nahita an’ity tontolo lafatra raitra noho ny tany anatin’ny nofy sahisahy indrindra izy, niraiki-pitia taminy, niraiki-pitia tamin’i Lisy nefa dia izao. Ho rava ihany koa. Niraraka ny ranomason-dRabe. Toa niteny zavatra ihany izy fa tsy nisy na inona re fa toy ny antsoantson’olona tao anaty zohy lalina.

Saika hiteny zavatra i Lisy, saika hankahery azy no namonkina ny totohondriny Rabe nahita angovo tampoka teo. Gaga hatrany i Lisy hoe hafa mihitsy ity Rabe ity, vetivety trotraka, vetivety mitroatra, tsy mba diso mihitsy Ilaijao nisafidy azy na dia tsy hitany loatra aza hoe inona no azon-dRabe hatao hanavotana tokoa ny tontolo. Tsy taiza moa no nahitan-dRabe angovo fa tao anaty mason’i Lisy tao ihany, tsy zakan’ny sainy ny namisavisa akory izany tontolo tsy ho eo anilany izany koa na ho any na tsy ho any, tsy maintsy hiady izy, na Farandro na tsy Farandro, tsy maintsy manao zavatra izy. Inona? Tsy hainy loatra fa ny fahavononana aloha dia tao dia tao.

I Lisy tamin’izay nahalala fa ny trompetra fanindiminy no naneno teo, ary ny Farandro nanomboka tany amin’ny tontolon-dRabe dia mifarana any amin’ny tontolony. Ny endriny fotsiny no samy hafa.


87
Nijery an’i Lisy izy sady nipe-kandrina nidanaka sy tonga saina toy ireny olona vao nahalala ireny hoe boribory anie ny Tany ary Nosy anie i Madagasikara
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar