Lisy Mianjoria de Mose Njo - Illustration de Catmouse

88 (Toko V - Saiky Disney)

Illustration - Catmouse

Alaim-panahy kosa aho hanombana fa tsy mba nangoraka loatra ireto goaika ireto. Manahy mihitsy aza aho hoe tsy mba manana fo akory izy ireo. Tsaroako etoana ny Lalàna Telon’i Isaac Asimov momba ny sololona 🤖.

audio-thumbnail
V88
0:00
/516

TOKO V - BOKY LENA


TSY TOY NY VORONA REHETRA TAZANA ETSY SY EROA ireto goaika ankiroa.

Samy eny ambany rahona fa tsy mangalapihinana ny voankazo eny an-jaridaina ireto goaika fa fromazy any an-dakozia kosa. Tsy dia mahafatifaty loatra koa, tsy afaka hifaninana amin’ny saka eny amin’ny Facebook velively fa mahaliana dia mahaliana kosa na izany aza. Tsy toy ny vorona rehetra tazana etsy sy eroa manidintsidina lavitra olombelona, lavi-drotoroto, lavitra ilay andavanandro toa manahirana fa nisy zavatra tena nampiavaka azy manokana mihitsy. Na ireo goaika hafa namany aza nitovitovy taminy fotsiny ihany fa tsy mba sahala velively. Ho an’izay nahatazana, mety hoe vorona toy ny vorona fotsiny, ho an’izay nahita, mety hoe goaika toy ny goaika rehetra fotsiny, fa ho an’izay nandinika sy nibanjina kosa, dia nahatsapa fa ambonin’ny habeny salasalany, ambonin’ny volony saika mainty ngaly avokoa afa-tsy ny sorony sy ny tratrany fotsifotsy, ambonin’ny vavany fohifohy, ambonin’ny maha vorondia azy, ambonin’izany rehetra izany, nisy zavatra nampiavaka an’ireto goaika roa ireto.

Izy ireto mitsakotsako zavatra hatrany aloha dia efa tsy dia mahazatra. Ny vorona ve moa tsy hisakafo hoy ianao saingy izao, tsy mihinana raha tsy fromazy ireto goaika ireto ary omeo voanjo anie izy fa halany bika tsy tiany tarehy mandrakizay ianao.

Aiza no ahitany fromazy lava izao?

Mistery izany anaka, hoy mompera fa na izany aza mandeha ihany ny siosiondresaka fa any an-dakozia ana hotely lehibe any izy ireo no manao halaboty mampisarango-bolo ny chef sy mampianjera vilany aman-dovia mihitsy aza indraindray. Raha tsy nanana an’izay fahazarandratsy izay kosa anefa ireto goaika ireto, solafaka ry Lisy sy ry Rabe tany Nosy Be, tsy nanam-potoana hanavotana azy akory Ilaijao izay, indrisy, lavo ihany na izany aza. Ny olana kely fotsiny—raha azo atao hoe kely fotsiny izany olana izany—dia raha tsy mitsako fromazy ireto goaika ireto dia mitady fromazy izay no ataony. Ary tsy maintsy mahita hatrany, na aiza na aiza, raha mbola Tany koa ny Tany. Izay angamba no tsy ahafoizany an’ity Tany ity, nandinihany ny anjorian’i Lisy hatramin’ny voalohany, nitsirahany an-dRabe hatreny am- piandohany.

Tsy hoe ilay Tany no tsy foiny ho rava, fa ilay fromazy no tsy foiny ho rava miaraka aminy. Asa aloha, mety tiany ihany ilay Tany fa tsy ny fromazy ihany kosa no tsy foiny rehefa tena dinihana satria efa elaela ihany ireto goiaka ireto no nihaodihaody teny. Nisy fotoana aza fantatra fa nanavotra mihitsy ka namoahana Didy tany aloha tany hoe raha mbola ny goiakan’Ambohimanga tsy azo vonoina, tsy azo ravana akany, tsy azo alaina atody. Zava-dehibe loatra izany, nanavotra ny tanàna tsinona ny goaika, nanavotra ny mpanjaka tamin’izany. Toy ny gisa nanaitra ny Romanina ihany 390 taona talohan’i JK rehefa nanani-dapa ny mpanafika. Na ny alika aza tsy nivovo fa ny gisa no nahoraka izaitsizy. Nanavotra ny tanàna ny gisa tany, nanavotra ny tanàna ny goaika taty.

Ny tsy voalazan’ny Tantara dia hoe mainty ve ilay gisa tao anatin’izay alina somary nazava volana izay sa tsia fa ireto goaika ireto kosa aloha fatra-mpifoha maraina miala any an’izay misy azy ihany dia efa eo izy. Mandinika ny zava-misy toy ny hoe hitatitra eo am-poto-tsofin’iza loatra izay hitany ety. Fa dia teo foana ireo goaika na dia tsy tsikaritr’i Lisy sy Rabe aza, na tamin’ny Farandro dingana voalohany nanoram-bain’afo, na tamin’ny Farandro dingana faharoa olombelona lasa gaigy, teo foana ireo goaika nitazana.

Dia mbola teo ihany koa izy ireo, nanahy elatra tsy nisy masoandro teo ambony hazo tsy lavitra an’i Lisy sy Rabe nijery an’ireo Ohabolandoza lonky sy nandatsa an’i Lisy nanolo-tena hotifirina. Raha natonina akaiky ny maso baholin’ireto vorona ankiroa ireto dia sarotra ny hamantatra hoe nankafy ny zavatra nobanjinina ve izy sa onena kosa nahita an’i Lisy nanao sorona ny tenany sa nahatsikaiky azy ny zava-nitranga. Saro-pantarina izany ary ankamantatra saro-baliana. Alaim-panahy kosa aho hanombana fa tsy mba nangoraka loatra ireto goaika ireto. Manahy mihitsy aza aho hoe tsy mba manana fo akory izy ireo. Tsaroako etoana ny Lalàna Telon’i Isaac Asimov momba ny sololona 🤖

— Lalàna Voalohany: ny sololona dia tsy afaka mandratra olombelona na, amin’ny alalan’ny tsifanaovana na inona na inona, mamela olombelona ho potraka.

— Lalàna Faharoa: ny sololona dia tsy maintsy manantanteraka ny baikon’ny olombelona raha tsy hoe angaha hoe mifanipaka amin’ny Lalàna Voalohany izany baiko izany.

— Lalàna Fahatelo: ny sololona dia tsy maintsy miaro ny tenany raha mbola tsy mifanipaka amin’ny Lalàna Voalohany sy ny Lalàna Faharoa izany.

Asa ireto goaika raha mba manaja lalàna manokana na fitsipipitondrantena manokana fa ny anton’ny ahiahiko dia izao: nony nipoaka ny poletan-dRakoly, nandrora bala tsy nisy antra nampifalihavanja an’ireo Ohabolandoza sakaizany dia nisy tranga nampiketrona ahy tokoa ary nahalasa ny saiko lavitra dia lavitra ny momba an’ireto goaika ireto. Eny tokoa, tsy nitovy tamin’ireo vorona hafa ireto goaika ireto ary tsy nitovy tamin’ny goaika hafa ihany koa. Ankamantatra iray izay no tonga tamy tato an-tsaiko tsaroako tampoka teo ka indro zaraiko aminao.

Izao àry:

Misy vorona dimy mitandahatra eo amin’ny taribin’ny JIRAMA iray. Tifiranao amin’ny basy ny iray amin’izy ireo. Firy sisa tavela?

Ho an’izay mailamailaka loatra dia hamaly avy hatrany hoe izany koa ve dia tsy hay. Kajiankandrina vita eo no ho eo, tsy mila mieritreritra firy akory. Dimy analana iray mira efatra. Ho an’izay naka fotoana kely kosa, tsy dia maika loatra, dia tsy nila nikajy akory. Ary nitsiky sy nihomehy kely mihitsy aza. Satria vao nipoaka ny basinao dia lasa nisidina nanavotra ny ainy avokoa ireo vorona hafa fa tsy nisy nijanona teo na ny iray aza. Dia inona hoy ianao? Tsy toy izany velively mihitsy ireto goaika ireto rehefa nipoaka ny basy. Tsy taitra akory izy ireo naka toerana teo ambonin’ilay omby nitsirara teo ambony bozaka tsy indray mitoraka akory niala ny nisy an’i Lisy sy Rabe ary tsy nanidina akory izy ireo, tsy natahotra nahare ny feom-poleta efa nandrora fahafatesana. Ireo voromailala sy fody maromaro nanodidina teo anefa toy ny tsy teo vao nipoaka ny poleta. Tsy nisy hita izay nanjavonana fa samy nanidina nanavotra ny ainy avokoa. Ireto goaika ireto ihany no nitoetra toy ny tsy nisy na inona na inona, nandinika ny zava-nitranga, nitsako ny fromaziny.

Dia tazany tsara ilay vatana nihoson-dra ny tratrany. Dia tazany tsara ilay tarehy kotsan-dranomaso nandohalika namihina ilay nitsirara tamin’ny tany. Dia tazany tsara Rabe, tsy niteny tsy nivolana, tsy nihiratra ny masony, itetevan-dranomaso, fihinin’i Lisy mafy dia mafy.


89
Namoaka telefonina avy ao anaty poketrany ilay ramatoa bory volo, nanindry bokotra roa, dia niresaka zavatra tsy henon’i Lisy tsara.
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar