Namoaka telefonina avy ao anaty poketrany ilay ramatoa bory volo, nanindry bokotra roa, dia niresaka zavatra tsy henon’i Lisy tsara.
Valaketraka i Lisy, trotraka aoka izany.
Taraina isafatsiroa aman-tany no nameno an’i Antaninomena iray manontolo. Feno ra ny felatanany, ny kihony, ny volony, eny, ny akanjony aza tanteraka mihitsy ka mety lenan’ny ra hatramin’ny fony tao an-tratrany tao. Ny hanavotra an-dRabe ny tanjony, ny hanao sorona ny tenany hanolo-tena ho ilay iray hotifirina tsy ho tafavoaka velona. Efa notifiriny komondro Rabe, avy dia torana saingy… Tsy torana tsara. Na Rakoly nitifitra an-dRabe na i Lisy nanao ampinga ny tenany tsy nanampo velively ny fivadihan’ilay Ohabolandoza tamin’ny teniny, dia samy taitra tamin’ny fandehan-javatra. Iny Rakoly nivadidela ka nikendry tampoka an-dRabe iny no nitsoraka avy hatrany i Lisy haka ny bala ho azy no indro koa Rabe tsisy nanam-po fa niarina sy nandroso nanao karazana tsingolobatita tampoka ary tafatsangana teo anoloan’i Lisy tsy afa-nanao na inona na inona intsony afa-tsy ny nitazam-potsiny indray. Nivelatra ny tanan-dRabe toy ny nanakana olona tsy handeha, toy ny tanàn’ilay Kristy teo amin’ny hazofijaliana. Tsy tonga izy dia nitolefika fa nijanona elaela kely teo am-pitsanganana.
Nitsiky farany.
Nikimpy maso.
Dia avy eo nidaboka.
Tsy tapitapitr’izay i Lisy dia teo aminy. Ranomaso tsy ranomaso. Ra tsy ra. Tsy ren’ny sofiny akory ny kakakakan’iretsy Ohabolandoza, nanao tsindrio fa resy, tsindrio fa kely, tsindrio fa lavo, nanenji-dresy. Nony avy eo nefa… Nony avy eo… Nitsahatra ny kakakakany. Nitsahatra ny kanikaniny. Hagagana aloha ny nandravaka ny endrik’ireo Ohabolandoza, avy eo tahotra. Dogaga i Lisy sendra niherika mbola nihoson-dra sy kotsan-dranomaso nahita an’ireo fahavalony nipararetra nihovitrovitra izaitsizy vaka tsy nahaloabava latsaka hatramin’ny poleta. Tsy nivoaramena izy ireo fa fotsy hatsatra. Nivolom-balala.
Nihinjihinjy teo am-pitsanganana—nihenjam-batana. Nidiridiry tany amin’izy roa. Tsy azon’i Lisy hoe inona loatra ity nanjo teo ambany masony fa nirifatra nandositra daholo ireo Ohabolandoza ary tsy lasa lavitra akory dia nitsonika toy ny dibera ao anaty lapoaly, nanjavona tsikelikely toy ny siramamy haroina ao anaty dite. Fa na dia tsy azony aza tsy nahoany loatra, tsy noraharahiany firy, ny namihina mafy an-dRabe no nimatimatesany, ny nitazona izay sisa fofon’aina raha mbola nisy koa, tsy nisy afa-tsy izay, tsy nisy afa-tsy izay. Tsy nahoany ihany koa ireo vahoaka maro be nanenjika azy teo niverina sy nanatona azy tsikelikely, nandrakotra indray azy roroa, notarihan’ilay ramatoa bory volo niafina tao ambadik’ilay kabinintelefonina feno fialonana ny masony rehefa jerena tsara. Tsy nahoany izany. Rabe irery ihany no nahoany. Efa teo amin’izy roa ireo vahoaka, efa nanarona tanteraka ny anjara masoandrony vao niandrandra kely i Lisy, nahatsikaritra fa nisinda ilay raho-ngerona be nanarona ny lanitra, nijanona ihany koa ilay rivotra nifofofofo, tsy nahare feon-trompetra intsony izy ary nisinda avokoa izay mety fialonana tao anaty mason’ilay ramatoa bory volo. Niverina nitafy lamba rahateo izy—tsy nanary lamba intsony. Namoaka telefonina avy ao anaty poketrany ilay ramatoa bory volo, nanindry bokotra roa, dia niresaka zavatra tsy henon’i Lisy tsara.
Niteny ireo hafa izy nony avy eo hoe mihemora ianareo fa mila rivotra ilay olona. Minitra vitsy monja dia re nanakoako ny anjomaran’ilay fiarakodia ary nikisaka avokoa ireo vahoaka maro be nanome lalana ilay fiara fotsifotsy nisy soratra AMBILANTSY manga teo amin’ny lohany rehefa jerena amin’ny fitaraboho, ary nahitana vokovoko mena midorehitra teo amin’ny tepany. Tsy ela tamin’ny zavatra hainy ireo mpamonjiaina, tovolahy sy tovovavy navitrika niakanjo fotsy nibata avy hatrany an-dRabe teo ambony bolakara rehefa avy notiliany kely ny ratrany, ny fofonaina ary notsikiloviny tamin’ny jiro kely ny masony. Niera sy niangavy i Lisy hiaraka amin-drizareo tao anaty ambilantsy hitazona ny tanan-dRabe.
Tsy nandà ireto mpamonjiaina sady nampiditra an’ilay bolakara avy ao amin’ny varavarana aorian’ilay fiarakodia ihany.
Nikopa-kelatra avo dia avo ireo goaika sady nitazana an’ilay ambilantsy voahodidina olona maro be nanavatsava ny arabe nampaneno anjomara.
