Mbetika nipetraka izy tao an-dalantsara, mbetika nitsangana, mbetika nitsilailay teo amin’ilay sezalava, mbetika nisotro rano teo amin’ilay robine nangirangirana tsy lavitra azy, mbetika nitomany
Soa ihany koa fa tsy ory hopitaly ilay Antananarivon’i Lisy. Tsy lavitra akory, teo antenantenan’ilay fiakarana ho any Tsiazotafo sy ny trano famakiam-boky goavan’Andravoahangy dia nisy hopitaly lehibe iray.
Tsy hitahita teo dia nisoka-tratra tao anaty tambatrefitrano fandidiana Rabe. I Lisy tsy nahatombintsiraka niasadia—nandroso niverina—tao an-dalantsara nahatsiaro ny tenin’ilay tovovavy mpamonjiaina tao anaty ambilantsy. Nanondro ilay efijery kely nisy tsipitsipika maitso nipipika ilay tovovavy sady nitady ny fomba hitenenana tamin’i Lisy hoe taiza ilay bala no nilentika. Tsy mbola voatondrony tsara akory ilay izy dia efa nifararemotra i Lisy, nivarahontsana, nanahy ny loza indrindra hoe sanatria ny fony no voatrobaka. Niketrona kely ilay tovovavy mpamonjiaina bebe takolaka, dia nofihinina i Lisy. Rehefa tsapany fa tonitony kokoa i Lisy dia noteneniny tsimoramora hoe tsy ny fony tsy akory no voa. Nihiratra ny mason’i Lisy. Na dia mbola tsy nisioka azy izy satria mbola tsy tafavoaka ny ala, nampisento azy ihany ny nahare hoe tsy nahatratra ny fon-dRabe ilay bala.
Mbetika nipetraka izy tao an-dalantsara, mbetika nitsangana, mbetika nitsilailay teo amin’ilay sezalava, mbetika nisotro rano teo amin’ilay robine nangirangirana tsy lavitra azy, mbetika nitomany, mbetika namafa ny ranomasony nanamafy fo, mbetika nanontany izay mety niendrika mpitsabo rehetra tazany sao nisy vaovao. Ora efatra taty aoriana, nivoaka ny tambatrefitrano fandidiana ny dokotera mpandidy mbola tanora iray nitablie maitso. Nitsangana avy hatrany i Lisy, nanatona azy. Vao nahita ny endrik’ity mpandidy tsy nahitan-tsiky izy dia efa saika nitambotsotra teo amin’ny tailan’ilay hopitaly. Somary nangirana anefa ny mason’ilay dokotera ka akory ny hafalian’i Lisy nahare fa voatazona ny ain-dRabe sady nosakambininy ilay dokotera tsy dia zatra an’izany loatra, gagagaga fotsiny, tsy nahahetsika firy. Nony navotsitr’i Lisy izy dia afa-niteny fa na izany aza mbola tsy taitra Rabe ary tsy fantatra aloha hatreto hoe rahoviana izy no ho taitra. Dia nampiany kely rehefa naka bahana izy:
Raha ho taitra…
Nataon’i Lisy toy ny tsy niteny ilay dokotera fa ilay hoe voatazona ny ainy no nofikiriny mafy tao am-pony. Na dia azony an-tsaina aza hoe vitsy dia vitsy ihany ny olona tafafoha rehefa tafatsoboka tao anaty tsifahatsiarovantena, tsy nahoany izany. Nino izy fa tsy ho voatelin’ny doria Rabe. Nino izy fa tsy ho ela dia hiarina Rabe.
