Dia nikopa-kelatra tsy taitra tsy maika nefa tsy tara ireto goaika namonjy ny varavarankelin’ny efitrano nisy an-dRabe. Naka toerana, dia nitsakotsako ny firomazy
Nibanaka ny lalana raha ny fahitan’ireto goiaka ankiroa avy teny ambony nanaraka an’ilay ambilantsy ka hatrany amin’ny hopitaly.
Tsy nikatso rahateo ny fifamoivoizana na dia variana nanadio tanàna avokoa aza ny mponina. Nalalaka koa ny lalana, ny trano sy ny tanàna narindra tsara moa rehefa nandalo ilay ambilantsy dia naka sisiny avokoa izay fiara sendra azy. Niara-nanjavona niaraka tamin’ireo Ohabolandoza izay virosin’ny hadalana nihanaka sy nahazo vahana rehetra ka tsy nahitana olona nandoto tanàna intsony tetsy sy teroa, tsy nahitana olona nandoto sy nanasoketa ary nifosafosa olona ihany koa sady nitsahatra ny gafigafy rehetra mety hahasolafaka ny mpiarabelona moa efa nanomboka nijery akaiky ireo trano sy fananana lo sy rava tetsy sy teroa ireo injeniera sy manampahaizana maro samihafa. Niverina tamin’ny laoniny ilay tanàna, tsy hoe lafatra tsy akory, tsy hoe tsy nisy ny mpanao ratsy ka madio fo avokoa ny rehetra saingy tsy nahazo vahana fotsiny ny Ohabolandoza ka nahay nisafidy ny mety kokoa ny tsirairay, ary hita taratra tamin’ny fiarahamonina niezaka hatrany ny hirindra izany toe-javatra izany.
Raha teo mantsy variana nitsiriritra ny fananan’ny hafa ny maro ary nifaly mihitsy aza rehefa trotraka ny hafa raha tsy ny hanao izay hahasolafaka azy mihitsy aza no hataony, izao kosa niravo rehefa tafita na nahazo zava-tsoa ny mpiarabelona, mpifanolobodirindrina, mpiaramianatra, mpiaramiasa, mpiaramiangona, etsetra. Tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja no tazan’ireo goaika erak’i Antananarivo ary raha nahita ny tany amin’ny faritra hafa rehetra izy ireo dia nahatsikaritra fa samy nanarina izay potraka avokoa, samy nandamina ny tanàna toy ny nandalovan-drivodoza izany ka samy varimbariana namerina tamin’ny laoniny araka izay hainy, sy araka izay toro-lalana azony. Niezaka nametraka zavatra maharitra. Dia nikopa-kelatra tsy taitra tsy maika nefa tsy tara ireto goaika namonjy ny varavarankelin’ny efitrano nisy an-dRabe. Naka toerana, dia nitsakotsako ny firomazy nobedainy teny am-bava teny am-panididina. Nibitsibitsika tao an-tsofin-dRabe i Lisy, tsy ren’ireo vorona izay nolazaina fa tazany fotsiny ny vavany nihetsika. Hoy i Lisy hoe:
Tiako ianao Rabe!
Taitra kely i Lisy nanontany tena hoe nangoritsina ve Rabe izany. Raha teo an-tsofiny manko izy no nibitsika mangina teny vitsy nefa nahery, dia tao am-pony izany no nilentika. Koa nihiratra ny mason-dRabe. Nihiratra toy ireny andriambavikely Disney norohana tovolahy ireny saingy tamin’ity indray mitoraka ity nitsimbadika ny rasa. Ilay tovovavy no nibitsika teny mamy tao am-pototsofin’ilay tovolahy dia nisokatra ny mason’ilay tovolahy. Toy ireny tranga tsy hiseho ireny raha tsy any anaty filma vokarin’i Hollywood ireny nefa izay mihitsy ny zava-nitranga. Ary betsaka tsy tamby isaina ny zava-mahagaga toy izany mitranga eto amin’ity Tany ity, tsy mila mandeha lavitra akory aza fa manodidina anao ao ihany, misy fahagagana isan’andro na dia tsy taterin’ny hainoamanjery firy aza. Tsy mila mandeha lavitra akory. Nifampijery i Lisy sy Rabe. Nifampijery fotsiny. Tsy ankiteny. Tondra-karavoana tsy ankivolana. Dia norohan’i Lisy Rabe. Norohany elaela sady nosakambininy. Dia nibitsika moramora taminy Rabe nanao hoe:
Tiaka ianao ry Lisy!
