92 (Ilay fara dihy, ilay sinemà, ilay hitsabo)

Nahavariana azy kosa ny nahare ny fitaizana azon’i Lisy

audio-thumbnail
V92
0:00
/611.5

MANGA NY LANITRA, SOMARY NANGINA ANTANANARIVO, tsy dia nikorataba.

Nandrotsirotsy ny hiran’ireo voronkely nandravaka ny zaridaina tetsy sy teroa sy ny feon’ny rivotra nilanto fitsoka. Alahady rahateo moa ny andro, tao ireo namonjy fiangonana, tao ireo lasa nitsangantsangana na ny mpianakavy na ny mpifankatia na ny mpinamana na ireo nizaingizaingy fotsiny—mankafy mitsangatsangana irery. Tao ny nanjono teny amorom-parihy rehetra teny, amoron’ony, nananika tendrombohitra, nilasy tany an’ala, nitsidika ireo tranombakoka na valanjavaboary aman’arivorivony nanerana ny nosy, nisintaka kely nandeha lamasinina nankany amoron- dranomasina, tsy lany hatsarana rahateo i Madagasikara, tsy misy izay tsy niaiky volana. Tao koa ny nijanona tao an-trano nilalao karatra, nanao lalaomaro teo ambony latabatra, nanao lalaombideo teo anoloan’ny tele na solosaina, namaky boky teo amorom-patana. Nandihy ny ravin-kazo, nisento ny tontolo sady kanto no by, nikopaka kely nanarona ny tarehin’i Lisy ny lamba fitafiny nandrakotra ny tapany amboniny. Namboariny nalaky sady nasetriny tsiky nilaozan’izay mety ahiahy rehetra. Nampidiriny ilay solomaso mainty niady loko tsara tamin’ny jinina mainty somary niantona teo amin’ny ranjony nisy soratra kely fotsifotsy teo amin’ilay tapa-damba bitika menamena zara raha hita nefa niavaka nanao hoe LEVI’S.

Tsy MADE IN MADAGASCAR ihany no nanaovan’i Lisy tsinona, fa tia zavatra nokaliana sy manendrika fotsiny izy, avy eo, raha misy safidy, samy tiany, aleony mividy MADE IN MADAGASCAR kosa. Notapahan’i Lisy ny volony. Nataony fohifohy, somary bory mihitsy aza. Ravo aoka izany Rabe notantanan’i Lisy hiditra tao anatin’ilay lakana. Toy ny tsy teto an-Tany ny fibaliakan’ny tavany fa toy ny tany ho any lavitra tany, tany amin’ny akany soa andrianin’ny fony tsy nahatsiarovany intsony ilay banga nandrakotra ny andavanandrony isan’andro vaky izao fony izy tsy teo anilan’ny tiana sady tia. Banga tsy tsapany loatra akory raha tsy tojo ilay fitiavana. Na izany aza, mbola tsy tena tonga saina izy namakivaky ireo tanàna naorina teo anivon’ny rano, dibo-drano nefa meva, voahodidin-tanimbary tsy hita pesipesenina nefa nirindra, tsy very elakelan-trano nefa voadinika avokoa, tsy lany trano mariky ny taonjato nifandimby nefa naniry toy ny anana ihany koa ny tranobemanakadanitra. Mbetika nanakaiky an’i Venizy ilay Antananarivo niaraka tamin’ireo lalan-drano solon’arabe, mbetika nanahaka an’i San Fransisco sy ny valim-piakarana fididinany nampitovy ireto tanàna ary ny tiramoay nisosa teny ho eny, nefa nanana ny naha izy azy manokana. Tsy nivoana tokoa tamin’ireo dinika sy endrika tranainy ny fanajariana ny tanàndehibeny nefa nanoroka ny fivoaran’ny vanimpotoana na ara-haitao ihany koa.

Telo volana izay no lasa.

Namoy tsimoramora an’ilay lakana avo loha nanavatsavatsa ny iray tamin’ireo lalandrano maro be an’i Betsimitatatra ilay ramatoa nijoro tao aoriana. I Lisy sy Rabe nankafy nipetraka teny anoloana tsy hamoy, tsy te hitazona afa-tsy ny tanan’ny tiany sady tia.

Telo volana izay no lasa.

Tao anatin’ny ngidin’ny ratra nefa tao anatin’ny mamin’ny fandresena sy—indrindra indrindra—ny fitiavana, ny fifankatiavana. Tao anatin’ny ngidin’ny ratra tokoa satria na dia nihiratra aza ny mason-dRabe tsy moramora ny lalana nankany amin’ny fahasitranana, nampitsako voanjo mihitsy aza satria elaela izy tsy nahazo nihetsika teo am-pandriana teo ary nony vita aza izay fepotoana izay dia sahirana kely vao nahavita namindra araka ny tokony ho izy. Mafy loha moa Rabe tamin’ny voalohany, tsy nihaino loatra ny hafatr’ilay mpitsabo ka tonga dia nandeha, ny nihazakazaka sisa tsy nataony ka raha tsy izy niankarapoka tamin’ny tailan’ny hopitaly tsy niaiky. Soa moa fa tsy irery izy, soa fa teo i Lisy, tsy nandao azy toa nanorim-ponenana tao amin’ny hopitaly mihitsy ary tsindraindray ihany vao nandeha. Tsy nandeha nankaiza akory aza moa izy fa naka akanjo sy izay nety kojakoja nilaina tamin’ny fitsaboany sy ny sisa fotsiny. Indray mandeha fotsiny izy no tsy hita hateloana teo, tsy fantatry Rabe hoe nankaiza fa saika isan’andro ihany koa dia nifandimby nandalo tao, olona maro tsy nisy fantatry Rabe afa-tsy ilay ramatoa bory volo nitelefonina ny ambilantsy sy tamin’ireo vahoaka tsy tompon’ny tenany nanenjika azy roa. Tsy vitan’ny namangy fa mbola tonga tsy tanam-polo ihany koa izy ireo. Nitondra tantely, dite, boky vakiana, voninkazo, kilalao maro samihafa, gazetiboky, revio isan-karazany na ny teo an-toerana na ny tany ivelany, tao koa ireo nitondra iPad sy Nintendo ary karazan-javatra nameno ny efitrano nisy an-dRabe sy nameno ny fony ihany koa.

Nandalo tao koa ny havana aman-tsakaizan’i Lisy. Nandeha tsiefatrefatra na tsidimidimy izy ireo fa tsy nanao rodobe ary tsy tapaka olona tokoa tao amin-dRabe tao rehefa tonga iny ny ora famangiana. Sarotiny dia sarotiny tokoa ny hopitaly amin’ny ora famangiana. Rehefa izay dia izay, misy antony maro fa ilay mamizana ny marary no lehibe indrindra amin’ireo hoy ilay mpitsabo mpanampy tamin-dRabe raha nanontany izy hoe fa nahoana no dia sarotiny loatra. Tamin’izay fotoana izay koa no nahalalan-dRabe fa  mipetra-drery i Lisy. Folaka andry niankinana izy raha noheverin-dRabe fa mbola tany ho any ny rainy, ny reniny moa efa hainy ny tantarany fa ny rainy nitaiza sy nahalehibe azy, nampianatra azy zava-maro no izay vao fantany. Ankona Rabe nahare hoe efa nodimandry ihany koa. Ary tsy dia ela loatra, anisan’ny nahatapa-kevitra an’i Lisy ho any amin’ilay tontolon-dRabe aza izany raha ny tena marina. Tsy sahy nanontany izy hoe inona no nahazo ny rainy. Amin’ny manaraka kokoa.

Nahavariana azy kosa ny nahare ny fitaizana azon’i Lisy. Na dia tamin’ny fahavelon’ny rainy aza, dia tsy ity farany irery no niandraikitra ny fitaizany sy ny fibeazany. Nanao ny adidiny ihany koa ny havana akaiky, ny fianakaviana lavitra, ny mpifanolobodirindrina, ny fokonolona, ny tany an-tsekoly, ny tany am-piangonana, ny fikambanana maro samihafa. Toy izany avokoa hoy izy, toy ny taloha ihany, tsy an’ny raiamandreny irery ny fitaizana fa an’ny fiarahamonina iray manontolo. Tanin-janaka tanin-taranaka ara-bakiteny rahateo, hoy i Lisy nanamafy, no andraisana an’ity Madagasikara ity fa tsy tanindrazana fotsiny ihany. Mitodika amin’ny ho avy, mitsinjo ny ampitso nefa tsy manary ny lasa. Tsikaritry Rabe fa ny Planeta Tany iray manontolo mihitsy fa tsy i Madagasikara ihany no nifampitondra toy izany rehefa nijery tele sy ny nijerijery vaovao tamin’ny Internet izy tsindraindray teny.

Ny nanaitra azy voalohany indrindra ary nabaribarin’ny hagagana mihitsy ny masony nampitokiky kely an’i Lisy dia ny nahita ny governemanta tamin’ny tele. Governemanta maro loko ara-bakiteny. Nisy minisitry ny fahasalamana izay no nanaitra azy. Rakotorapalia no anarany, toa efa henony izany ilay anarana fa tsy hainy hoe taiza… Gina tsy nahateny izy fa ny hagagagana teny an-tavany no solom-panontaniana. Tsy ny volonkoditra na ny fiaviana na ny resaka lehilahy-vehivavy na ny finoana na ny firehankevitra hoy i Lisy no sakana tsy hidirana amin’ny fiainampirenena fa rehefa manana fahaizana, finiavana, vina, rehefa manaja ny Lalàna velona, ny Lalàmpanorenana, rehefa manana tetikasa sy laminasa mazava sy maharesy lahatra, ary indrindra manam-pahendrena dia raisina an-tanàn-droa hanasoa an’i Madagasikara. Nanova ny tele Rabe taorian’izay, tsy nahita navaly loatra, lasa saina, nampisotro rano azy i Lisy dia sady toran’ny hehy no nanampy trotraka hoe:

Na ianao aza afaka miditra raha mahafeno fepetra anie e!

Dia toran’ny hehy koa Rabe. Niara-homehy teo izy roa hany ka tsy tazan-dRabe hoe nanjonitra ny mason’i Lisy, nifararemotra nanisa ny andro sisa hiarahan’izy roa.


93
Ny voalohany, tenin’i Voltaire, tamin’ny 1763
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar