Ny voalohany, tenin’i Voltaire, tamin’ny 1763
Na dia efa nikatona tsara aza ny ferin-dRabe, mbola marary kely eny ihany tsindraindray, na dia efa sitrana aza izy, mbola tsy tena azo atao hoe niverina tanteraka ny tanjany iray manontolo koa somary nijaikojaiko ihany izy niala an’ilay lakana avo loha dia nadalain’i Lisy hoe tsy hijanona tampoka eo izany anie ny fonao raha mbola anahy koa io midobodoboka ao an-tratranao io fa be sinemà eo.
Tsy nahatana hehy Rabe sady nody sorena sy nanao tarehy ratsy ihany noho ilay narary kely teo amin’ny feriny rehefa mihomehy iny. Narahany avy tao aoriana i Lisy niditra tao amin’ilay sahantanàna lehibe dia lehibe teo afovoan’i Betsimitatatra. Tafajanona kely izy niandrandra, variana namaky ilay soratra gomabe nanao hoe VALAN’ANDRIANAMPOINA teo amin’ny vavahady fidirana. Zaridaina anisan’ny lehibe indrindra raha samy zaridaina ary maro dia maro ny mpitsidika tao anatiny nefa tsy nifanitsakitro kosa na izany aza ka tsy nananosarotra an’izy roa ny nahita sezalava nipetrapetrahany. Maro ireo olona nifamezivezy. Maro loko ihany koa izy ireo. Nitsotra Rabe, napetrany teo ambony fen’i Lisy ny lohany ary napetrany ilay fanontaniana notsakotsakoiny tao amin’ny hopitaly tsy sahiny napetraka raha tsy tamin’izay. Tsy hitany rahateo hoe ahoana no hilazana azy.
Hono ho’aho ry Lisy…
Farimparina ny feony.
Tsy azoko loatra… Izay Ohabolandoza rehetra nandalo, tsy nisy resiko na ny iray aza, tsy nisy voasakako ny loza nentiny, nefa…
Nesoriny avy teo amin’ny fen’i Lisy ny lohany, dia naankiny teo amin’ny sorony indray sady nanaraka an’ilay tantely hamonjy voninkazo ny masony.
Pourquoi… Fa nahoana no resy ireo Ohabolandoza? Fa naninona no voasakana ny Farandro? Tena tsy azoko…
Nitsiky fotsiny i Lisy. Nobanjininy Rabe. Dia norohany malefaka ny molony. Nihiratra ny mason-dRabe, nazava ny tao an-tsainy. Azony tsara hoe tamin’ny fomba ahoana no nandrombahany ny fandresena efa teo am-pelatanan’ny fahavalo. Izao tokoa manko, efa ela no re tetsy sy teroa, hatrany an-dalam-be ka hatrany anaty sarimihetsika ka hatrany am-piangonana rehetra any fa misy zavatra iray, misy hery iray, mahagaga ambonin’ny mahagaga. Tatatataina lava izao, saika re isak’izao hira rehetra mandeha amin’ny radio izao, torian’izao sakanjaza rehetra izao hatramin’izay naha olona ny olona ka mameno ny tsiambaratelo tsy hita mason’ny Facebook rehetra any anaty MP any. Ny tsy nampoizin-dRabe fotsiny, dia tena hoe ara-bakiteny mihitsy ny heriny ka haharava ny fahavalo, hahalavo Ohabolandoza. Nefa rehefa nandinika izy, notorontoronina tamin’ny fihetsehampo ireo Ohabolandoza, nateraky ny toetsaina sy ny toetra tsy mendrika, toetra ratsy, tamin’ny fialonan-dray aman-dreny nampitaina tamin’ny zanany, tamin’ny fankahalana nody tsy naseho masoandro nefa nokobonin-kipoaka vao mahita hirika aman-kendry tohina, tamin’ny mamifovelona—be fialonana—tsy te hahita ny hafa ankoatra ny tena ho faly, tsy te hahita ny hafa ankoatra ny tena hisandratra, tsy te hahita ny hafa ankoatra ny tena hanana ny soa, eny, na dia ny namana aza, na dia ny havana aza, na dia ny vady aza, na dia ny zanaka nateraka aza. Fihetsehampo no niandohan’izany rehetra izany, fihetsehampo ihany koa no mibaiko ny tsirairay isan’ambaratonga eny hanao ny tokony ataony, na ny hanao ny tsy tokony ataony. Indrindra moa fa ireo izay manana fahefana hanova ny lalàna sy ny rafitra izay lasitra lehibe hampijotso na hampisonga, hahavanona sa hahasaozanina, hanarina sa hamarina, hitondra any amin’ny izy sa hampidi-kizo ny fiarahamonina sy ny hoavy iray manontolo. Fihetsehampo avokoa no tena mibaiko an’ireny fa ny saina tsy hoe tsy mihevitra tsy akory, tsy hoe tsy mandanjalanja, tsy hoe tsy mamakafaka, tsy hoe tsy mitsakotsako ny zava-misy miankina amin’ny zava-pantany sy niainany, tsy hoe izany, fa ny teny voalohany sy ny teny farany dia an’ny fo. Indrindra moa ho ana vahoaka iray mitonon-tena ho olon’ny fo. Fo no lasa toetra, toetra no lasa lalàna, lalàna no dikain’ny fo, fo no manefy ny rafitra, ny rafitra no zimbain’ny fo. Indrindra moa rehefa ny Ohabolandoza no manjaka izato fo.
Tsaroanao ilay resaka amboadia ankiroa niady any amin’ny fiantombohan’ity boky ity? Rehefa ilay amboadian’ny tahotra no mandresy, rehefa ny fitsiriritana ary ny fankahalana no nofahanan’ny manodidina ka natanjaka lavitra noho ilay amboadian’ny fitoniana, fitiavana ary fitsinjovana ny hafa. Ka tsy inona loatra tsy akory no nandresen-dRabe an’ireo Ohabolandoza ireo fa ny tao am-pony tao ihany koa. Na toetra inona heverina ho raikitampisaka ao anaty ao aza, rehefa misy zavatra foinao ho an’ny hafa noho ianao, rehefa mikatsaka ny soa ho an’ny manodidina ianao, ho an’ny akaikin’ny fonao, ho an’ny mpiarabelona aminao, ho an’ireo izay taranaka amam-para handova an’ity Planeta ity, rehefa misy ao anatinao ao, haravoana, fifaliana, na dia kely aza mahita ny hafa misandratra, tojo fahasoavana, fandresena, rehefa mamelana ny fitiavana ao aminao izay tsy inona fa ny fahatsapana manosika sy maniry hasambarana ho an’ny hafa, na dia kely aza, na dia bitika aza, raha mbola misy izay, raha mbola tsy levona, dia afaka handresy ilay ambodian’ny tahotra ianao. Dia izay indrindra no nahalavo ireo Ohabolandoza, impiry impiry no dradraina fa tsy misy fitiavana lehibe indrindra mihoatra noho ny fahafoizantena ho an’ny hafa. Ary tsy fantatr’ireo Ohabolandoza akory izany, tsy azony akory na ny variraiventy aza raha ny tena marina. Nanao ampinga ny tenany Rabe, nahafoy ny ainy hanavotana an’i Lisy, nampikanikany ny Ohabolandoza, kinanjo, ny tsy takatry ny sainy, dia tsy i Lisy irery ihany no navotany fa ny tany tontolo satria lasa lefona nitrobaka nandavo fahavalo ilay ampinga nadio fo nanao sorona ny tenany. Nandeha ho azy ny fihetsiny, tsy nokajiany akory, fitiavana madio, tsy nisy fangarony.
Revo Rabe nihaino ny adihevitr’ireo tanora vitsivitsy teo andafin’izy roa nipetrapetraka teo an-tsisim-boidrano. Tao ny niteny hoe tsy nisy izany Andriamanitra izany satria izao sy izao, tao kosa ny namaly hoe misy mihitsy nama izany Andriamanitra izany satria izao sy izao, satria raha tsy nisy dia izao sy izao, dia nisy ny nanelanelana, tsy niandany fa nanelanelana ny resaka fotsiny. Nisy teny niverimberina tao am-bavan’ilay mpanelanelana rehefa hitany fa niakatra ny maripana. Vao nivoaka ny iray tamin’ireo teny ireo, dia samy tonga saina ny andaniny sy ny ankilany, samy niezaka nitony.
Ny voalohany, tenin’i Voltaire, tamin’ny 1763:
L’intolérance a couvert la terre de carnage.
Ny faharoa kosa dia teny tranainy azo heverina fa tamin’ny faramparan’ny taona 1700 tany ihany koa, tsy mety lany daty, manao hoe:
Hevitra ihany ka hevitra fa raha tsy mety aminao dia aza ny tenako no ariana, fa ny teniko ario.
Ary ny fahatelo farany, teny nivoaka tany amin’ny taona 1770 tany, nosoratan’i John Wesley:
Agree to disagree.
