Tsy vitan’ny vavako ny nilaza azy, ka aoka ny soratro no masoivohoko
Ary ilay Madagasikarako ry Lisy nanahoana? Ny tanànako, ny mpiara-mianatra amiko, ny olom-pantatro, ny planetako, ny… reniko?
Vao taitra Rabe, mbola nitsilany teo ambony fandrianan’ny hopitaly, niala tao anaty tsifahatsiarovantena dia lasa ny sainy nandinika ny lanitra manga avy teo am-pandriana.
Tsy noheveriny loatra akory ireo goaika ankiroa teo am- baravarankely fa nanontany an’i Lisy avy hatrany izy.
Vao lavo ireo Ohabolandoza, dia voasakana tanteraka ny Farandro. Tsy anankiroa tsinona ny Farandro, tsy hoe nisy tany aminareo, dia nisy iray hafa taty, fa anankiray ihany ireo, rehefa rava ny iray, dia potika tsy ho ela koa ny iray. Efa nohazavaiko taminao ihany angamba izay. Tsy nisavoritaka noho izany ny fotoana fa niverina tamin’ny laoniny, toy ny tsy tonga ny Farandro, toy ny tsy naneno ny trompetra, toy ny nisy akory ilay Zavatra.
Nihivingivina i Lisy nahatsiaro an’ilay Zavatra nanenjika azy roa tsy ankiato, ilay Antananarivo, rava. Rabe velom-panantenana efa nanomboka nahitan-tsiky ny tavany, nanganohanom-pifaliana ny masony, tsy nahandry hahare ny tohiny.
Eny. Mbola ao ny planetanao, ao ny reninao, velonaina soamantsara, mbola kizitina foana izy, ao koa ny Antananarivonao, mbola voretra tahaka ny inona.
Dia niara-nihomehy izy roa. Tsy ela nefa dia lasa matotra ny endrik’i Lisy.
Fa izao. Ny Ohabolandoza efa niorim-paka any aminareo. Izy dimy teo no levona fa ny tandindona sy ny lova napetrany mbola eny rehetra eny. Ny Farandro iny no voasakana fa ny manarina ny fiarahamoninareo mila ezaka tsy ankijanona, finiavana, fikaondoha, fandavantena ary, indrindra indrindra, efa hainao ihany, fitiavana, fifankatiavana, fifampitsinjovana. Raha tsy miroso mankany amin’ny vahaolana ianareo, raha tsy miova famindra, raha mbola mitady fiovana avy any amin’ny hafa nefa ny tena aza tsy vonon-kiova, tsy mila Ohabolandoza akory fa ianareo samy ianareo ihany no hiteraka ny Farandronareo.
Sady nakasokasok’i Lisy ny tanany, toy ny hoe nanasa tanana tsisy rano izany.
Ary i… Ilaijao?
Hoy Rabe nila tsy nahavoaka feo.
Nitanondrika i Lisy.
Ny any aminareo ny fotoana no niverina tamin’ny laoniny toy ny tsy nisy Farandro, ny aty kosa nitohy araka ny hitanao izao… Tamin’izaho ilay tsy teto hateloana iny no lasa kely namonjy ny fandevenana. Tsy nolazaiko ianao sangoa sahiran-tsaina teo fotsiny.
Noseranin’alahelo lalina Rabe.
Alahelo ilay sakaiza nahafoy ny ainy mba nahafahany nahafoy ny ainy ihany koa hanavotana ny tany tontolo. Nanindrona ny fony ihany koa ilay izy tsy afaka naneho fankasitrahana tamin’ny fahavelon’Ilaijao fa ditsoka sy jenjin’ny fahasarotampiaro ka tsy nahita ny marina nibaribary. Nitraka kely izy, nifanojo ny masony sy ny mason’i Lisy. Nifararemotra i Lisy, tsapan-dRabe fa manina izaitsizy an’Ilaijao, nahatsiaro ny fotoana mamy rehetra niaraha-niana, saingy ambonin’izany, nanakatra ny hoavy koa ny fony, dia nihazakazaka nivoaka izy nandatsa-dranomaso irery tao ivelan’ny efitra, tao an-dalantsara, nalahelo mafy. Namela taratasy teo amin’ilay latabatra kely teo an-doha fandriana i Lisy, taratasy kely fotsifotsy norovitina tamin’ny diariny angamba nisy sora-tanany voakaly nanao hoe:
Tsy vitan’ny vavako ny nilaza azy, ka aoka ny soratro no masoivohoko, mijanona izao ny fotoana any amininareo, any amin’ny tontolonao, amin’izao fotoana hanoratako, amin’izao fotoana hamakianao ity taratasy ity izao, ka raha tsy ny fiverenanao, tsy hiverina amin’ny laoniny izany. Mby akaiky ilay ora hitodihanao loha Rabe. Tsy maintsy hifandao isika. Vao sitrana tsara ianao, dia tsy maintsy mody, afaka roa na telo volana eo. Ary tsy ho tafaraka intsony.
Nizazirika Rabe namaky ilay taratasy teo ambony fandriana, niankina teo an-dohampandriana ny lamosiny, somary nipetraka izy, ary votsotra ho azy teny an-tanany ilay taratasy ka nilatsaka tamin’ny tany, toy ny ranomasony nilatsaka teo am-pandriana. Te handà ny sainy, te hanipaka ny ainy manontolo, te hamorom-bahaolana tsy handaozany an’i Lisy nefa hampiverina amin’ny laoniny ny tontolony, tsy hampikatso ny fotoana. Ny fitiavany etsy ankilany, ny tontolony etsy andaniny. Ny hany nataony aloha, nanadino tsotra izao hoe ny fanisamianotra mavesatra loatra, ny hanisa andro, telo volana sisa, roa volana, iray volana, herinandro etsetra.
Tsy te hieritreritra izay fanisamianotra izay izy ka nofafany tsotra izao tao an-dohany hoe tsy maintsy handeha izy, dia nankafy ny fotoana, hankafy ny fotoana sisa hifampizarana amin’i Lisy.
