95

Tsotra ny tao an-dohany, te hahita an’i Lisy izy, hatramin’ny atoma botity indrindra tao anatiny ka hatrany amin’ny kintana goavana mamirapiratra any ankodahodan’ny habakabaka dia samy mampitovy tadindokanga avokoa hoe te hahita an’i Lisy

audio-thumbnail
V95
0:00
/633

Tonga ilay fotoana.

Nitaika nalefaka ny orana.

Nitraka ny lohan’i Lisy nitampify teo an-tratran-dRabe nijery lanitra. Maloka, ngaly, dodona hitrerona nanambana oram-baratra tsy azo nivalozana. Nitsoriaka nitady fialofana avokoa ny olon-drehetra nanodidina  azy roa teo afovoan’ny Farihin’i Anosy fa tsy nahoany izany. Raha azony natao ny nampiato ny fotoana, nanindry ilay bokotra lavalava mampijanona ny sarimihetsika amin’ny kitendrin’ny solosainan’ny fiainana, nataony izany. Ary tsy nalefany intsony fa nokafiriana mandrikizay doria amena. Naka sary azy roa ilay mpizahatany alijerianina iray namonjy fialofana tao amin’ilay tranofisakafoana tsy nanam-po loatra hoe ho anisan’ny sary be mpizara indrindra tao amin’ny Instagram ilay sary nalainy tamin’io fotoana io. Kanto loatra tsinona, mpifankatia nifamihina teo amoron-drano, ny orana, ny orana nitaika, ny rivotra nitsoka voninkazo mena iray nitatao teo ambony lohan’izy roa toy ny elo na elatr’anjely niahy sy nitsodrano. Mpifankatia fatra-nalain-kifandao, nifampitazona, nihazona ny segondra sisa, nisarangotra ny izao dia izao, nanary tena tany anaty honahona lalina loatra niriany tsy handairan’ny fotoana nisosa tsy mba niantra azy roa, nanoto-tena tany anaty lobolobo nantenainy tsy hameri-mahazo fa lavitra olona, lavi-javatra, lavi-java-drehetra, saika nosy hadinoin’ny fotoana hatramin’ny fisiany.

Nikotroka ny lanitra, nikija ny orana.

Efa ela ny vorona no nanao rodobe tsy hay hoe nankaiza fambara orana ho an’izay mahatsikaritra. Ankoatra ireo goaika teo ambony tafon’ilay tranofisakafoana tsy mba niraharaha izany orana izany fa rehefa nisy fromazy tao am-bavany dia ampy azy izay. Nikoropa-pamindra ihany koa ireo mpitsidika teny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana namoaka ny elo, nisalotra akanjo tsitateradrano, afa-tsy ilay tovovavy kely 14 taona neozelande avo ban-kiraro variana nandinika an’i Lisy sy Rabe tamin’ny iray tamin’ireo masolavitra maro be natokana itazanana an’Antananarivo teo amin’ny tokotany andrefana sy atsinanan’ny Rova. Dia revo tanteraka ilay tovovavy kely ary mety tsy niala teo raha tsy ny zokiny vavy nisintona azy niaraka tamin’ny menomenona. Nihamafy ny fitsokan’ny rivotra, nanomboka nivatravatra ny orana, tsy hay intsony ny nanavaka ny ranomaso nitete teny an-takolak’i Lisy sy Rabe sy ny ranon’orona nandrakotra. Nailik’i Lisy tampoka Rabe dia nihemotra dingana iray izy. Tsy nahahetsika Rabe, nifampijery teo elaela izy roa, ny maso nidorehitra, ny vava nangina volamena, ny tany aman-danitra toa efa nanamafy hoe tsy maintsy misaraka ianareo roa.

Ny alahelon-dRabe ny reniny koa lalim-paka na dia nitairana firy tamin’i Lisy aza izy ary manina ny tontolony, manina loatra na dia nahakivy aza ny tontolony raha oharina amin’ny an-dry Lisy, tsy foiny ny Antananarivony, tsy foiny ny Madagasikarany.

Nefa mafy ilay handeha, mafy loatra tsy eran’ny fony. Hatry ny marainan’io andro io nibitsibitsihan’i Lisy tamin-dRabe hoe mba tiako raha afa-nihaona tamin’ny reninao aho, mba tiako, irian’ny foko iray manontolo ny hiresaka aminy, hihaino ireo tantara taminao mbola kely hahamenatra sy hahasosotra anao ny hahare azy na dia tsisy tadidinao aza. Te hiaraka hivanitika aminy aho, te hokizitinany ihany koa, te hahita anao hidongy hahita fa iray tendro sy iray petsapetsa loatra izahay mianaka. Nisefosefo i Lisy. Tsy te ho irery intsony aho… Nifampijery fotsiny izy roa, tsy nahavita nanatona intsony Rabe, tsy nanana hery hamihina azy farany, tsy nanana aina hidrikinana farany hanohitra ny herin’ny fotoana. Ny fotoana toa naneso azy tsy nety nijanona tamin’io nefa nijanona sy nihitsoka soamantsara tany amin’ny tontolony raha tsy izy tenany no miverina any. Te hahare ny hehin’i Lisy ratsy dia ratsy farany Rabe. Naleony namerimberina tao an-tsainy ilay teny nataon’i Lisy taminy, ny omalin’io tamin’izy roa avy nijery sinemà takariva. Nivoaka ny efitra maizina tany Antsirabe izy roa, dia nipetrapetraka teo amin’ny sisinarabe.

Izao Rabe a… Efa hainao hoe eo amin’ny Farihin’i Anosy no varavarana mampitohy ny tontolontsika. Tsy te hanome fanantenana anao aho, tsy te hanantena loatra koa fa misy fomba iray tokana monja hahafahantsika hihaona indray…

Nitotorebika mangina Rabe, tsy nahateny firy fa faly dia faly ny tao am-pony ary fisonenehana no nandravaka ny endriny.

Aza mbola mifaly!

Hoy avy hatrany i Lisy nisintona ny fony nibitaka niverina nipe-tany.

Azo atao hoe nitsambikinikimpy izaho sy Ilaijao tamin’ny nankany amin’ny tontolonareo tamin’ny voalohany. Fantatray hoe haloto izato izy, efa nisy nampitandrina, fa na izany aza, tsy azonay an-tsaina mihitsy hoe dia haloto tahaka ny inona ny Farihin’i Anosinareo. Saika kofona sy torana aho tamin’ny voalohany, nihoakoaka izaitsizy ary raha tsy Ilaijao angamba asa fotsiny, niverin-dalana avy hatrany aho mba marina. Nataon’ireo Ohabolandoza izay rehetra azony natao hampaloto an’izy io amin’izay, efa fantatrao izay, fa ny tsy fantatrao dia raha tsy diovina izy io dia hikatona tanteraka ilay tonelin-kazavana mampitohy ny tontolontsika. Efa natsidiko taminao ihany izay ary eo indrindra isika izao. Tsy ilay loto loatra no hampikatona tanteraka an’io varavarana io fa ny fiangonan’ny fihetseham-pon’ny tsifiraharahaina avy amin’ireo rehetra manary fako sy ireo mitazam-potsiny an’ilay farihy tsy mba manao na inona na inona na dia ny manentana ny manodidina azy fotsiny ohatra. Raha manandrana miampita mankaty ianao aoriana ao, amin’izao lotony izao, dia ateliny, toraka izany koa izaho…

Tafatsangana Rabe, noraisiny ny tanan’i Lisy, nasainy nitsangana, dia nentiny nandihy tsy nisy mozika teo afovoan’ny arabe, tsy lavitry ny gara.. Mirana ny endrik’i Lisy, nanararaotra hatramin’ny farany izay fotoana sisa niarahany rahateo izy. Nitsikitsiky fotsiny ny mpandalo nahita ny dihin’izy roa na dia tsy dia faly loatra aza ireo fiarakodia nandalo tsy afaka nampaneno anjomara satria efa nody ny masoandro ka tsy maintsy ny jiro no nolalaovina nampikisaka an’izy roa kely. Azon-dRabe an-tsaina fa kely dia kely ny finoana hampadio ny Farihin’i Anosy, hampiova ny fahazaran-dratsin’ny olona zatra lalan-dririnina sy lalan-kitan-kisoa efa tsy hainy intsony hoe taompolo firy izay. Azony an-tsaina koa fa hatrany amin’ny fanajariana tanàndehibe mihitsy no tsy maintsy hasiam-piheverena hanova ny lalan’ny loto tsy ho any amin’ny farihy aman-dakandranon’i Antananarivo intsony. Azony an-tsaina noho izany fa tsy maintsy tanterahana ihany koa ilay fanitarana ny tanàna efa ela notatatataina. Azony an-tsaina izany rehetra izany sady nandihy ihany izy, nandihy tamin’ny fony manontolo. Nokoboniny mafy ilay hany fananatenana hifankahitana indray amin’i Lisy.

Tsotra ny tao an-dohany, te hahita an’i Lisy izy, hatramin’ny atoma botity indrindra tao anatiny ka hatrany amin’ny kintana goavana mamirapiratra any ankodahodan’ny habakabaka dia samy mampitovy tadindokanga avokoa hoe te hahita an’i Lisy. Tsy maintsy hataony izay hampadio ny Farihin’i Anosy. Tsy maintsy. Ny fomba hahatongavana amin’izany tanjony izany, tsy noheveriny akory aloha, naleony nandihy valotra, naleony nihaino ny feon’i Lisy nihira tsimoramora teo an-tsorony, azony antoka loatra kosa fa tsy hisy na andro iray aza tsy handinihana izany rehefa tafaverina izy.

Nahitan-tsiky ny endrik’i Lisy tao anaty oram-be nivatravatra narahin-kotroka talohan’ny nitsorahan-dRabe tao anatin’ny Farihin’i Anosy. Nisy fanantenana nitsiry tao am-pony. Tsy vitan’ny hoe te hanantena izy fa nino kosa.

Nino fa tsy maintsy hanao izay azony hatao rehetra Rabe hanadio ny Farihin’i Anosiny, hampivoatra ny Antananarivony, hampiabo ny Madagasikarany, hitsabo ny Planetany.

Nino izy.


Epilogy
Saika notafiako bodofotsy izy kango tsaroako ilay zavona vao maraina ka nitsangana aho, nandinika an’i Antananarivo sady namadibadika tato an-tsaiko ilay anjoria nahasondriana dia nahasondriana
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar