Saika notafiako bodofotsy izy kango tsaroako ilay zavona vao maraina ka nitsangana aho, nandinika an’i Antananarivo sady namadibadika tato an-tsaiko ilay anjoria nahasondriana dia nahasondriana
SAIKA TSY NAMPANDROSOIKO TATO AN-TRANOKO Rabe indray takariva izay.
Izy kotsa hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia tsy nampaninona ahy loatra fa izy nasiso loatra tsy zaka no nahasadaikatra ahy. Raha tsy ny masony sady hontsa no nangirana namirapiratra anjoria, tsy tapa-kevitra aho hanokatra tsara ny varavarana, hanoro azy ny ladosy sy hanome azy izay akanjo madio tsinjoko omby azy tao anaty lalimoarako tao.
Nony avy nisasa izy, nony avy nihirahira tao ambany ladosy, nony injay namerovero lavanilin’ilay savony manitro avy any an-dalantsara avy any, dia nankao an-davarangana izahay. Norosoako kakao mafana izy, izaho kosa nisotro kamomilina nomamiako tantely dia niara-nankafy ny fanginan’ny alina sy ny kintana alinkisa ary ny fanjopiakan’i Antananarivo avy lavitra izahay. Tsy nisy niteny, tsy nisy nivolana asa impiry nahamasa-bary. Tsy nijery famantaranandro rahateo aho moa niniako mihitsy ny tsy nanontany azy na dia efa maimay ihany aza aho hahare izato anjoria. Tsy nahandry ny masoandro hiposaka izy manko, tsy nahavita nody tany amin’ny reniny avy hatrany sady tsy mba nahoany akory ny fofony mantsina dia mantsina toy ny tatatra na gabone vaky sanatria mampitsoaka vahoaka mahalala madio tsotra izao.
Nony vonona tsara izy dia nesoriny avy teo an-tsorony ilay servieta maramara namafany volo, nakiraviraviny teo amin’ny arofanin’ny lavarangako dia natombony izato tantara. Dia nanongilan-tsofina aho. Naneno ny akoholahy tao an-tokotaniko, mbola tsy tapitra ny fitantarany an’ilay anjoria, naneno ny famohamandrin’ny telefoniko, mbola nitohy ilay izy, ary vao mainka aza nampitaintaina, ary tsy vita izato izy, tsy tonga teo amin’ilay nisarahan’izy roa kely teo amin’ny Farihin’i Anosy tao anaty oram-be nahahontsa ahy ery, raha tsy taloha kelin’ilay mpanatitra ronono nampaneno ny bisikiletany tao alatrano tao asa efa tamin’ny firy loatra iny. Tsy tsaroanay hatramin’ny nisakafo.
Alin-droa tsy natoriana, alin-droa aho nankafy anjoria hafa raha samy hafa. Mbola te hanohy ny resaka aza izy, te hihaino ny hevitro, te hifampidinika tamiko momba an’ilay Madagasikara hafa kely, te hahare ihany koa raha ninoako ny tantarany. Niraikidraikitra ihany moa ny masony ny farany ka na niezaka aza izy nisokitra sy nanakatra izay tato an-tsaiko, tsy maintsy nitsangana aho nitanika ronono teo ambony fatana gazy, ary rahefa niverina kosa aho, renoka ho azy teo ambony sezany ny anao lahy. Saika notafiako bodofotsy izy kango tsaroako ilay zavona vao maraina ka nitsangana aho, nandinika an’i Antananarivo sady namadibadika tato an-tsaiko ilay anjoria nahasondriana dia nahasondriana.
Ninoako ve sa tsia izato anjoria?
Ny fisian’i Lisy sy ny tontolony?
Tsy tany loatra no nalehan’ny saiko, tsy nampiova inona loatra manko na marina ny tantarany na tsia, na ninoako hoe tena nitranga na tsia. Nanaitra ahy manokana fotsiny ilay hoe tsy maintsy hataoko izay hampadio ny Farihin’i Anosy raha tsy izany tsy hifankahita intsony izaho sy i Lisy. Tsy hifankahita intsony intsony intsony mandrakizay doria amena. Izany mihitsy aza angamba ny antony nisafidiana ahy hitantarany ilay anjoria satria fantany loatra hoe tsy misy zavatra tsy zakako sy mampalahelo ary maharomotra ahy mihoatra ny mandalo eny Anosy ka mandre ny fofo-masisony. Ny farihy afovoan-tanàna sy ny renirano mamakivaky azy dia tokony hadio avokoa raha mbola tanàndehibe koa ny tanàndehibe na aiza na aiza eto ambonin’ny Tany. Raha nanomboka namololona tao an-tsaiko ireo karazan-kevitra sy rijankevitra mikasika ny tanàna sy ny fanajariana azy ho tanàndehibe no, tampoka teo, nanofy niteny Rabe ka niherika aho.
Lisy a! Lisy! Na izaho irery sy ny tanam-poloko aza no hanadio an’io Anosy io tsy maintsy hangarahara tsy hisy tomika hadio hangatsakatsaka azon’ny zaza sotroina tsisy ahiahy io farihy io…
Hontsa aho. Babo. Variana tamin’izato fitiavana. Teo koa aho no nikoropaka poatoizay nirohotra nankao an-dakoziako namonjy ilay ronono nitanika sangoa handroatra ka hitobaka. Tara aho. Efa nitobaka izato izy ary izaho nifantoka nanadio ny fatana gaziko tao mihitsy angaha fa tsy reko akory Rabe nitsaitsaika nitady lalam-pivoahana. Azoko antoka fa dodona hamonjy ny akaniny sy ny reniny izy, dodona hankafy an’ity Antananarivo tsy lafatra ity, dodona hitady izay vahaolana rehetra hahatongavany amin’ny tanjony iriany.
Farihin’i Anosy madio no hany lalan-tokana mankany amin’i Lisy. Koa hoy aho anakampoko hoe:
Misy tsy maniry hahita ny Farihin’i Anosy madio tokoa ve?
Dia nosokafako ny solosaiko, natomboko ity boky ity, tsy maintsy raketina manko ny Tantaran-dRabe, tsy maintsy raisina an-tsoratra i Lisy Mianjoria.
Ny zavatra hadinoko ny nanontany an-dRabe, nangitikitika ny saiko sady tsapako fa nangitikitika ny sainy ihany koa dia ny hoe fa inona loatra ny rafitra tany amin’ilay Madagasikaran’i Lisy no dia nirindra sy nanjary ary niadana toy izany rizareo ary taiza ho aiza tamin’ny Tantaran’ilay Madagasikaran-drizareo no sampanana, na sakelidalana mihitsy aza. Ary tsy iray na roa ny safidy tsy nitovy fa nisinisy ihany hoy ilay tsisy nampianatra nanisa raha mba nisy nanontany ny heviny. Mino aho fa tsy maintsy hiditra lalindalina kokoa amin’izany dinika izany ary tsy hoe, any indray andro, fa dieny izao dia manomboka. Ny mikasika an-dRabe kosa, aleo angamba tonga dia eny amin’ny Farihin’i Anosy eny ny fotoana. Tsy maintsy eny izy, eny no ahitana azy, tsy maintsy hadio io farihy io, tsy maintsy ho tafahaona indray izy roa kely.
Any andro iray. Ka hitsiky i Lisy.
Ka hitsiky i Madagasikara.
😊