52 (Izy no Ilaijao)

Nirifatra mafy nianavaratra ka raha jerena avy aty ambony ny sarintanin’i Madagasikara dia teboka fotsifotsy kely no solon’ilay vedety, teboka fotsifotsy kely niakatra tao amin’ny Lakandranon’i Mozambika, nanamorona an’i Mahajanga

audio-thumbnail
III52
0:00
/248.4

TAITRA I LISY NAHARE NY ANTSOANTSON-DRABE ka sady nitodika nalaky izy no nanisy rantsana teo imolony hampangiana an’ity farany.

Nasiaka ny fijeriny. Niemponempona ny fon-dRabe nanontany tena hoe fa dia nahoana loatra, fa dia nisy inona mihitsy nefa nahafatifaty azy izaitsizy ny endrik’i Lisy tezitezitra sy ny fitankisin’ny fanondrony tamin’ny molony teo anelanelan’ny takolany saika nisy tsongoina. Nitsiky vendrana Rabe, nangina, nanatona an’i Lisy tsimoramora. Tsy nahoany akory izay fasika efa nihombo lanja tao anaty kirarony. Sorena kely ihany izy nilaozan’i Lisy, te hahazo valiny mahafapo saingy tsy saron’izany tsy akory ny hafaliana nifankahita indray. Na aiza tontolo na aiza, na sarikatratra meva dia meva izay jerena, hafa ihany rehefa eo i Lisy. Dia tsy tapitapitr’izay, nandositra indray i Lisy nony nanakaiky Rabe. Sao izaho mihitsy aza no halavirin’ity Lisy ity? Fa dia nahoana loatra àry? Inona ity nataoko? Ilay niesona tao anaty lamasinina ve no nahakivy azy? Ilay raraka ivy teo ambody fitaratra? Sa ilay nifanakalo SMS lava taminy kosa no…Tsy tapitra akory ny eritreritry Rabe no indro i Lisy nanala kapa, nampiditra ny kapany sy ny telefoniny tao anaty kitapo, nanidy tsara ny kitapony, namato-bolo tany aoriana dia nitsoraka tao anaty ranomasina.

Niporitihan’ny rano ny tarehin-dRabe gagagaga tsy nahahetsika raha tsy i Lisy niantso ny anarany. Mahafinaritra an-dRabe foana ny mahare an’i Lisy miantso azy amin’ny anarany, ka nanome elatra azy avy hatrany. Elatra hilomanosana. Dia nitsoraka izy sady nahatazana vedety tsy re tsaika avy lavitra nijanona tsy lavitra azy roa. Tsy ela ihany koa dia tsikariny ilay diraonina nihelohelo teo ambany rahona tsy lavitra an-drizareo nampiahiahy azy avy hatrany. Notoloran’i Lisy tanana izy hiakatra tao anaty vedety nony tonga teny ary nekeny soamantsara izany fanampiana izany. Nifanojo vetivety ny mason’izy roa saingy vao tafakatra kely izy dia novelonin’ilay mpamily ilay vedety ka nitsingidina kely nihemotra izy.

Dia nirifatra ilay vedety. Nirifatra mafy nianavaratra ka raha jerena avy aty ambony ny sarintanin’i Madagasikara dia teboka fotsifotsy kely no solon’ilay vedety, teboka fotsifotsy kely niakatra tao amin’ny Lakandranon’i Mozambika, nanamorona an’i Mahajanga. Nesorin-dRabe ny basiketiny sy ny ban-kirarony, naondriny, nivoaka avokoa ny fasika sy ny rano tafiditra tao. Nipetraka teo an-tsisin’ilay vedety izy, niandrandra tany amin’ilay diraonina nanaraka tsimoramora an-drizareo. Nanaraka fa tsy nanenjika. Toa tsy maika tsy taitra tsy hay hay loatra hoe inona no tena tetiny. Nitodika tany amin’i Lisy izy. Niresaka tamin’ilay mpamily i Lisy. Nifanakaiky izy roa. Nifanakaiky ny endriny niresaka ary nahita tsiky nandalo teny amin’ny endrik’i Lisy izy. Tsiky mbola tsy fahitany mihitsy. Dia nanindrona ny fony izany koa naleony nitodika, niverina nitraka tany amin’ilay diraonina.

Mena ny lokon’ilay diraonina. Mena mampahatsiaro azy ilay rahona niditra toa am-bavan’ilay Zavatra.


53
Tsy niavona izy ary sariaka endrika tamin-dRabe avy hatrany, mafy ny arahabany rehefa nifandray tanana voalohany nefa tsy mafy loatra naharary na izany aza
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar