60

Oniverisite PMR no anarany hoy i Lisy taminy. Miompana amin’ny maha olombelona, amin’ny siantsa arapiarahamonina, tantara, riba, diplomasia, lalàna ary ny fitantanandraharahampanjakana amin’ny ankapobeny

audio-thumbnail
III60
0:00
/389

Nitsamboatra i Lisy sady tafatodika nahare ny feon-dRabe ka votsotra hatramin’ilay boky nasiany felam-boninkazo tao anatiny.

Nojereny ilay boky tamin’ny tany, dia nijery an-dRabe efa tsy nahatombintsiraka nipelipelika am-pitoerana noho ny fahaporetana mafy dia toran’ny hehy izy. Dia sorena kely Rabe sady tsy nahatan-tsiky ihany nahare ilay hehy ratsy tarehy nefa tsy foiny no nitsangana nalaky nandeha tany amin’ilay gabone natondron’i Lisy azy. Nony tafaverina Rabe dia hoy i Lisy taminy hoe any Anosy isika no hisakafo. Nidongy avy hatrany Rabe, niady varotra hoe tsy mba misy toerana akaiky kokoa ve fa efa maneno hono ny kankana sady notondroiny ny kibony. Nipimaso taminy fotsiny i Lisy sady nivoaka ny sahantanànan’i Andohalomasina no niteny hoe avelao eo ilay sezamisosanao fa handefa hafatra amin’ny olona aho haka azy.

Tsy nanan-tsafidy afa-tsy ny nanaraka Rabe, nisitra ihany fa tsy hoe tsy nisitra nidina teny amin’ny Katediraly nahita farihy kely teo an-tokotaniny. Nanantena nangina izy hoe hisy toerampisakafoana nanodidina teo saingy zavatra hafa mihitsy no nitsena azy. Tsy metatra firy akory no nodinganiny dia tsy nahahetsika izy, nijaridina teo afovoan-dalana. Teo amin’ny fidinan’ilay tohatra fantany amin’ny anarambosotra hoe 416 mitondra ny anarana hoe Razafindrazay nisy vagao mena iray nisoka-baravarana niantsona toy ny niandry azy roa.

Teleferika izy ity, saika lamasinina nefa tsy nandeha tamin’ny lalamby fa niantona sy nikisaka. Nandroso Rabe, nivanitika kely nieritreritra hoe rehefa miala an’ity vohitra iray ity aho izany dia raha tsy deltaplanina dia teleferika. Nipetraka teo anilan’i Lisy izy sady gaga hoe tonga dia niainga ilay teleferika fa tsy niandry feno. Tsy ny sitrapon’ny mpamily sy ny resevera no mibaiko izy ity hoy i Lisy nanazava fa manana ny orany mazava tsara misoratra eraky ny fiantsonana rehetra, toy ny fitaterambahoaka rehetra rahateo hoy izy nanamafy. Tsy nety zatra ny mason-dRabe nankafy ny fijerena an’ity Madagasikara hafa kely ity ary haravoana tsy omby tratra no nandrakotra azy nahita an’ilay Antananarivo hafa kely andro mazava raha alina no nahitany azy tamin’ny voalohany. Dibodibo-drano sy novarahan-tanimbary ny tanàna nanomboka teo amin’ny Farihin’i Anosy nankany amin’ny faravodilanitra. Sambo sy lakana moderna no hitany nivezika solom-piarakodia nitohan-dava, ary ny trano maro tazany mariky ny dian-tanàn’ny olombelona tao aorian’ny namehezany ny vary sy ny rano dia nivady tsara tamin’ny toetry ny tany avokoa.

Nijery an’i Lisy izy, nanao fijery ankamantatra, nijery ny mpiray teleferika taminy, saika nitafy lamba avokoa na ny lahy na ny vavy nefa lamaody tandrefana no akanjo tao anatiny. Jinina sy tenisy ary lobaka fohy tanana ny an’ny lehilahy ary pataloha sy balerinina na kiraro avo voditongotra ny an’ny vehivavy. Nijery an’Antsahamanitra izy, teny vao nisy arabe, nahitana fiarakodia nanara-tsisiny ho any Ampantsakana, niditra tao anaty tonelina tsy azon-dRabe an-tsaina hoe aiza.

Ambodin’Isotry hoy i Lisy namaly ny fanontaniany. Maitso ny renivohitr’i Madagasikara, nahay nampivady ny rano sy ny tanàna nefa moderna tsara na ilay teleferika nandehanany na ireo trano nijoalajoala nanaka-danitra nameno ny tanàna nefa tsy nibosesika. Nirindra fatratra ny fanajariana ny tanàndehibe ary tsy nanaraka tsipika fa somary niolana, nibilaka toy ny sokitra zafimaniry raha jerena tampoka. Niezinezina ny lamina ary tsy nisy anjaran-toeran’izay danin’ny kibon’ny sasany na ny kely variraiventy aza. Tsy nisy ihany koa izany atao hoe ambany tanàna izany ary niitatra lavitra hatrany amin’ny tsy taka-mason-dRabe rehetra tany ny tanàndehibe. Tsaroany tampoka ilay tamin’izy sy i Lisy naka lamasinina ho any Mahajanga, ilay gara, ilay vohitr’Ambohijanahary nanjavona. Tsy hoe variana izy na koa hoe namitaka azy ny masony fa tena nanjavona tokoa Ambohijanahary toy ny hoe nisy rantsan-tanana goavam-be naningotra ary tanànan’oniverisite nidadasika kosa no nisolo toerana azy teo ambadiky ny gara. Oniverisite PMR no anarany hoy i Lisy taminy.

Miompana amin’ny maha olombelona, amin’ny siantsa arapiarahamonina, tantara, riba, diplomasia, lalàna ary ny fitantanandraharahampanjakana amin’ny ankapobeny.

Inona ilay PMR?

Hoy Rabe nanontany liana.

Praiminisitra Rain…
… ilaiarivony

Nitsiky i Lisy sady nanetsika niankavia niankavanana ny tarehiny.

Praiminisitra Rainandriamampandry.

Tsy nanam-potoana nigagagana loatra Rabe fa nisy nanozongozona tampoka ny teleferika nisy an-drizareo.


61 (Ny tena antondia teny amin’ny volana)
Eoropeanina, Amerikanina, Sinoa, Afrikanina, Japone, Indianina, Koreanina, Malagasy sy ny hafa tsy voavinavinan-dRabe. Ny ankabeazan’izy ireo dia nanao tisaoritra nisy soratra I, fo nitempo menamena ary TNR teo ambaniny.
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar