Teo amin’ny Farihin’i Behoririka i Lisy sy Rabe no nivily haingana teo amin’ilay takelaby nisy soratra hoe ANTANINOMENA nanaraka an’ilay lalana nisy ny lalamby tamin’ilay Antananarivon-dRabe
Niara-nanary lamba ireto vahoaka.
Ary tsy hiova ny endrik’izy ireo raha tsy potika izay hananany ka tsy hananan’iretsy, raha tsy potika izay tsiriritiny rehefa tsy azony ihany, raha tsy hirefarefa amin’ny tany mihitsy aza i Lisy sy Rabe tsy ho tony ny fony. Tsy inona moa no notsiriritin’ireto olona maro nameno ny tanàna fa ny fifankatiavan’izy roa. Fa tsy dia azon-dRabe an-tsaina loatra izany fa ny namonjy ny ain’izy roa no nahamaika azy, nefa izao dia nijanona tampoka teo afovoan-dalana izy.
Votsotra ny tanan’i Lisy.
Te hanohy ny fandosirana izy nefa tsy nahahetsika ny tongony fa toa lasa tsangambato nijaridina niandry ny vorona hangery teo ambony lohany fotsiny. Niandry ny tolombahoaka handrodana izay rehetra momba azy. Tsy zakan’ny lohany loatra intsony ny zava-nitranga, nifandramatra ny tao anatiny hoe inona daholo izany rehetra izany. Nisesisesy tsy ankiato nanosy sy nanitsakitsaka ny fony malia.
Tsaroany ratsy ny Antananarivony. Marina fa nanana olana, marina fa nikorontana fatratra na ny endriny, na ny firindrany na ny fiarahamoniny, marina fa nandreraka ny toetran’ny olona sasany tsy miraharaha na ny tombontsoa iombonana na ny fahadiovana na ny fahaizamiaramiaina tsotsotra fa dia samy maka ho azy noho ny antony samihafa, marina fa tsy nandeha tamin’izay tokony ho izy, tsy mba nisy zavatra namaly ny hetahetan’ny maro mihitsy tamin’ny fitantanana sy ny fitondrana fa variana nifanenjika ary izay hany vitan’ny teo aloha dia ny hamafa izany no nahamaika izay nandimby, marina fa tsy lafatra izany rehetra izany, fa na izany aza, tsy tena hoe potika tanteraka, tsy hoe rava tsy nisy, nijoro ihany na nitsipozipozy aza ny tanàna, tsy niady an-trano tahaka ny inona, mbola nisy fanantenana ihany raha tsy tonga tampoka ny Farandro, raha ireo izay tonga saina no nihetsika fa tsy niandry ny hafa hatrany. Dia izao Farandro hafa kely no nitranga teo ambany masony, ny manenjika azy, tsy nifanalavitra ny tany amin’ny Antananarivony ihany.
Mibaribary sy avo zato heny avokoa ny ratsy mamotika rehetra fa tsy nisy sarona na nafenimpenina akory fa niharihary toy ny vay an-kandrina, nibaribary ho hitam-poko hitam-pirenena toy ny mamo nanoratra tsiambaratelo tao amin’ny Facebook indray alina ka raha tsy ny maraina nifoha efa nisavasava efa hitan’ny rehetra tsy nikoropaka niezaka namafa izany. Efa tara loatra. Dia nisento Rabe ary raha tsy ny tanan’i Lisy nibeda azy indray sy nazongozona ny vatany hampiverina ny sainy tratran’ireto vahoaka maro be izy ary asa fotsiny izay nanjo azy teo. Dia nirifatra nandositra indray Rabe, ny olona tao aoriany toa rara-kivy tsy hay tsy hay izany ka izay olona teny an-dalana nolalovany dia nivadika toa azy avokoa sady nanatevin-daharana azy ireo. Lasa ory hava-manana avokoa izay nolalovany. Nihombo ny feo tao an-dohan-dRabe nihirahira, nitombo isa ireo mpanenjika. Ny zato lasa arivo, ny arivo lasa alina, ny alina lasa hetsy, ny hetsy lasa tapitrisa, tsy hain-dRabe intsony hoe firy marina fa ny azony antoka fotsiny dia izay hitan’ny masony. Rakotr’olona tao afarany tao. Teo amin’ny Farihin’i Behoririka i Lisy sy Rabe no nivily haingana teo amin’ilay takelaby nisy soratra hoe ANTANINOMENA nanaraka an’ilay lalana nisy ny lalamby tamin’ilay Antananarivon-dRabe. Nadio nangatsakatsaka ilay farihy, toy ny Farihin’i Anosy ihany teo anivona sahantanàna tsara tarehy nanidinan’ny vorona samihafa nahitana fianakaviana maromaro nisakafo teny ambony bozaka. Gagagaga ireto farany nahita an’i Lisy sy Rabe nihazakazaka. Avy eo nihoronkoditra sy nitsangana nandositra avy hatrany namela ny hanina, ny divay, ny lamba nihinany sy ny harona rofia nitondrany izany teo ambony bozaka vantany vao hitany ireo vahoaka maro be tao aoriana tao. Tsy lasa lavitra nefa fa tsy tapitapitr’izay dia nivadika, nanaraka ireo vahoaka be, lasa ory hava-manana. Nihiaka tokana i Lisy vao lasa tsy lavidavitra niala an’ilay takelaby akory.
Diso kajy izy.
Tsy lalamby moa no tao fa fiantsonampiarakodia maro rihana ka raha nanantena ny hahita fiara iray fotsiny mbola teo am-bavan’ny paka ny lakileny i Lisy, toy ny fanaon’ny maro tsy manidy ny fiarany tsy manahy hoe hisy haka akory, dia akory fa vavahady nihidy no nitsena azy. Ilay vavahady nihidy moa mbola hitany ihany ny fomba nanapitsohana azy raha ilaina fa ilay rindrim-birika vao vita tao ambadik’ilay vavahady no tsy nampoizina velively. Foana rahateo ny arabe, tsy nahitana na inona na inona afa-tsy ireto vahoaka be. Voahodidina izy roa, tojo lalamidona. Ny teo ankavanany arabe feno olona, ny teo ankaviany, arabe hipoka olona, ny tao aoriany, vavahady sy rindrim-biriky, ary nony nitodika izy roa, dia indreto ireo vahoaka nanenjika azy. Tsy nisy lalan-kombana intsony, tapi-dalan-kaleha.
Nofihinin-dRabe mafy ny tanan’i Lisy. Izany koa sisa no azony natao.
