87

Nijery an’i Lisy izy sady nipe-kandrina nidanaka sy tonga saina toy ireny olona vao nahalala ireny hoe boribory anie ny Tany ary Nosy anie i Madagasikara

audio-thumbnail
IV87b
0:00
/618.083265

Impiry hanatrika faharavan’ny tontolo àry izaho ity, hoy Rabe anakampony.

Nandeha mafy dia mafy ny tao an-dohany nikaroka vahaolana natosiky ny adirenalinina efa avo dia avo. Azony antoka fa efa nihanaka ohatra ny fofona nahery nentin’ny rivotra na virosin-kajimirindra miely patrana eraky ny mailaka voasokatra tsy nahy ny nafitsok’ireo Ohabolandoza ary tsy nisy na inona loatra azony nataony hanakanana sy hanafoanana izany. Azony an-tsaina izany ary teo indrindra no nisy zavatra hafa azony an-tsaina ihany koa. Nijery an’i Lisy izy sady nipe-kandrina nidanaka sy tonga saina toy ireny olona vao nahalala ireny hoe boribory anie ny Tany ary Nosy anie i Madagasikara. Azony an-tsaina hoe inona no nahatonga ny Farandro tany amin’ny tontolony, azony hoe noho itony Ohabolandoza itony no naharava tanteraka izay tsy tokony ho rava. Noho ny ohabolana tsivalahara nahazo vahana kokoa nandresy ireo ohabolana vanona tao am-pon’ny olona.

Aza manao horirik’Ambohipeno ka aleo ho lo toy izay ho an-kavana
Izaho angaha handova an’io

Ny roa voalohany. Ny fahatelo kosa nihaza sy namotika ilay hoe:

Aleo vandana imaso toy izay vandana ivoho

Ny fahefatra indray:

Mandrora mitsilany

Ny fikambanan’izany, satria niely patrana loatra, no niteraka ny toe-tsaina

Ory hava-manana.

Tsy tonga ho azy na nilatsaka avy any an- danitra na naniry tamin’ny tany io toetsaina mampidi-kizo io fa vokatry ny korontana eo amin’ny fiarahamonina izay nateraky ny fanabeazana niovaova tsy nankany amin’ny tsara fa nankany amin’ny ratsy. Maro no mihevitra fa tsara lavitra noho ny any ivelany ny fanabeazana eto Madagasikara. Hoy ilay teny novakiany tao amin’ny Facebook izay hoe jereo hoe ny fiarahamonina, jereo ny olona eny an-dalana, dia jereo ny olona eny an-dalana any ivelany, ireny no ahitana hoe mahomby ny fanabeazana sy ny fitaizana sa tsia.

Nanontany tena kely Rabe hoe aiza ho aiza amin’izany ny toeran’ny kolikoly sy ny sisibola homamiadana manimba ny rafipiarahamonina iray manontolo asa hoe efa taompolo firy izay. Dia nijery an’ilay lehilahy nitana poleta izy. Toy ny mpiasampanjakana, toy ny mpiasabirao. Tsindrimandry fotsiny ny azy, tsy azony antoka zato isan-jato nefa marina ny eritreriny. Izy izay toy ny olona miasa birao rehetra no Ohabolandozan’ny Kolikoly antsoina hoe Rakoly nanova ilay ohabolana hoe:

Ny saka no jamban’ny trondro, ny alika no jamban’ny taolana fa ny tsy marina no jamban’ny vola.

Ho lasa hoe:

Ny saka no jamban’ny trondro, ny alika no jamban’ny taolana fa ny Malagasy no jamban’ny vola.

Nosoloiny “tsy marina” ny “Malagasy”.

Nijery tany amin’ireo Ohabolandoza Rabe, nijery azy dimy. Teo ambany masony ny rangory fototry ny afo amin’ny fanimbana ny tontolo sy ny toetsaina ary ny mahaolona mihitsy. Teo ambany masony ny mpamelona ny Farandro. Azon’ilay Ohabolandozan’ny Kolikoly hoe tonga saina Rabe, dia nandray fitenenana izy ka ny poletany no nataony teo am-bavany toy ny mikro.

Izao rankizy a! Afaka fotoana fohy aho dia hitifitra ary iray aminareo ihany no hovonoiko fa ny iray kosa afaka mandeha.

Sady nahetsiketsiny ny basiny toy ny nanao sarisary tamin’ny rivotra izany no tsy nitsiky mihitsy izy nibanjina azy roa.

Vao nahare an’izay i Lisy, vao nahare hoe afaka miditra an-tsehatra amin’izay izy fa tsy mitazam-potsiny intsony, tonga dia tsy niandry ela, tsy niandry indray famantaranandro nihodina akory fa tonga dia nomeny ny komondro Rabe ka torana nitsirara teo an-tongotr’ilay vavahady tao aoriany avy hatrany tsy nanam-potoana nahatongavana saina akory tamin’izay zava-nitranga. Fantatr’i Lisy loatra tsinona fa hanao izay tratran’ny ainy Rabe hamonjena azy, tsy maintsy nanolo-tena izy, nanolotra ny ainy hanavotana azy na inon-kidona na inon-kitranga na tsy hanaiky tahaka ny inona aza i Lisy, fantany loatra izany. Koa ny azy no nalefany aloha. Tsy nila resa-be akory izany, tsy nila literatiora am-pejiny zato arivo, tsy nila poezia lavareny namaky lanitra nampitsoni-po nandaniana mosoara fa tsapan’i Lisy avy hatrany hoe izay no hataon-dRabe. Tazany tao anaty masony vao nifarana ny tenin’ilay Ohabolandoza. Tazany ny atipanahiny sy ny tao am-pony koa totohondry no nasetriny izany sady niraraka kely ny ranomasony, nandena ny takolany. Nandeha ra kely ny molotry Rabe, nofafan’i Lisy tamin’ny oroka mamy, oroka tokana natsiro toy ny mandrikizay doria amena, oroka fanaovam-beloma narahiny teny, bitsibitsika mora.

Tsy mahazo maty ianao Rabe! Tsia! Raha mbola izaho koa no Lisy raha mbola tany koa ny tany, raha mbola mifoha avy any atsinanana ny masoandro, raha mbola mitsoka ny rivotra, tsy mahazo maty ianao!

Namafa ranomaso kely i Lisy vao nanohy.

Nandreraka ahy ianao tamin’ny voalohany, tsy azoko mihitsy hoe inona no tao an-dohan’Ilaijao tao nisafidy anao. Nandeha anefa ny diantsika, anjoria maro samihafa nolalovantsika, nosedraintsika, nivoahantsika mpandresy, dia azoko ny farany, tsy vitan’ny azoko fa azonao nanaraka an’izay koa ny foko. Mino aho amin’izao, tsy haiko loatra hoe amin’ny fomba ahoana, fa mino aho, amin’ny foko manontolo fa hovitanao ny hanavotra ny tontolo. Mino aho fa horesinao iretsy Ohabolandoza iretsy ary azoko amin’izay hoe fa nahoana…

Nitomany i Lisy, nitomany mangina, naka aina kely izy, niandry ny sefosefony hisinda dia namarana ny teniny.

Azoko hoe fa maninona no ianao no nosafidian’Ilaijao hanavotra ny tontolo, satria ianao, Rabe, madio fo. Madio fo ianao Rabe, madio mangatsakatsaka ny fonao, ary ny foko, ho anao ho anao ho anao, mandrakizay.
Tsy ho fatifaty foana aho sanatria ka hanao sorona ny tenako tamin-tsy antony fa na nisy aza na variraiventy bitika tsy taza-maso akory ny fanantenana fa mety hahavita zavatra hanavotana ny tontolo Rabe, tsy maintsy hataoko izay tsy hahafaty azy, tsy hahafaty ny fanantenana, tsy hahafaty ny tontolo. Tsy ho verivery foana rahateo ny soron’Ilaijao hanavotana ny aintsika. Dia izao izaho no hanao sorona hanavotana ny ainao ry Rabe tiako. Ilay tiako lavitra noho ny aiko, ilay tiako toy ny fitiavana ny tontolo, ilay tiako manontolo.

Dia nitsangana i Lisy vonon-kiatrika ny fahafatesany, vonon-kanatrika ny fahafatesana. Novahany ny volony, navelany hikopaka, niandrandra farany izy nijery ny lanitra maizim-pito dia nidiridiry nampiseho an’ireo Ohabolandoza izy hoe tsy matahotra akory. Nanambana Rakoly. Tsy tonga dia nitifitra toy ny fanaony fa nanambana sy nanombana. Tsy nakimpin’i Lisy ny masony. Nitsoka mafimafy ny rivotra, nisy poti-gazety niraikitra teo amin’ny tongony, nailiny haingana. Tazany ny datin’andro.

15 OKTOBRA

Tiany ho hita, tiany hatrehina ny fotoana farany iainany ary indrindra indrindra tiany hojerena ao anaty masony ny fahavalony. Sadaikatra kely vetivety Rakoly dia nipimaso azy. Tsy nampozin’i Lisy izany ary vao mainka tsy nampoiziny ny fihetsik’ilay Ohabolandoza manaraka. Naviliny tany amin-dRabe nitsirara haingana dia haingana ny loham-basiny. Nihiratra ny voamason’i Lisy, izy dia nanantena fa tsy hivadi-dela ireto Ohabolandoza ireto, izy dia nanantena fa voafatotry ny lelany, mba mahalala ny hasin’ny teny nomena. Tao anatin’ny fotoana fohy monja, nitsoraka i Lisy, nitsoraka hanao ampinga ny tenany hitelina ny bala tokony hanala ny ain-dRabe.

Dia nipoaka ny basy. Nipoaka tokana. Nandrora bala tokana. Dia gina ny tontolo. Alika roa telo efatra no sendra nandalo sy nijanona toy ny niandry mpakasary. Nanakoako ny feon’ilay basy nipoaka, re hatreny Antsahamanitra.


88 (Toko V - Saiky Disney)
Alaim-panahy kosa aho hanombana fa tsy mba nangoraka loatra ireto goaika ireto. Manahy mihitsy aza aho hoe tsy mba manana fo akory izy ireo. Tsaroako etoana ny Lalàna Telon’i Isaac Asimov momba ny sololona 🤖
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar